Afaka Nibitsika Ihany Pussy Riot Nony Farany!

Raha toa tsy dia hita nihazakazaka loatra hanokatra kaonty Twitter na Facebook ka hanatevina laharana ny kilasin'ireo be resaka ao Rosia i Mikhail Khodorkovsky, ilay nahazo famelan-tsazy [tatitry ny Global Voices report] , ireo mpikambana ao amin'ny Pussy Riot vao avy nahazo famotsoran-keloka vao haingana teo kosa [tatitry ny Global Voices ], Maria Alekhina sy  Nadezhda Tolokonnikova, efa nampanonjanonja ny sehatry ny fitorahana bilaogy kiritika. Mazava ho azy, tsy tahàka ilay filohan'ny Yokos teo aloha, tsy nandany ny folo taona farany tany amponja ry zareo — araka izay anamarihan'i Khodorkovsky azy ao anatin'ity tàfany ho an'ny mpanao gazety ity [ru], samy mbola tsy nisy ny Facebook sy Twitter tamin'ny fotoana nisamborana azy.

Tolokonnikova sy Alekhina tafaray tao Krasnoyarsk.

Nanokatra kaonty Twitter @malehina [ru] i Alekhina, ary efa in-82 sahady no nibitsika. Kanefa, ny ampahany betsaka amin'ireny bitsika ireny no toy ny tahirinà fitantaràna henjana natao kianjoanjo, toy ny hoe :

Fidio hatrany ny làlana sarotra — izay tsy hiatrehanareo fifaninanana!

Tolokonnikova, etsy andaniny, dia niverina nibitsika tamin'ilay kaontiny fahiny @tolokno [ru]. Zavatra samihafa mifangaro voraka ihany koa no bitsihany. Ohatra, ora vitsy lasa izay i Tolokonnikova nanontany tena [ru] ny amin'ny antony andraràn'ny fonja Rosiana ny fitaovana fanalàna volomaso — raha tratra manana izany ianao dia azony alefa mitoka-monina. (Tsy manampahaizana manokana amin'ny fonja Rosiana aho, saingy tahàka ny antony andraràn-dry zareo azy any anaty fiaramanidina ihany no antony.) Amin'io fotoana io, toy ny afangarony ireo fihetseham-po mikasika ny namotsorana azy mialoha tao anatin'izao vanim-potoan'ny fety izao :

Navotsotra aho – fa ankoatra izay mety hankalaza ny Krismasy miaraka amin'ireo Protestanta mpiara-mifonja amiko aho rahampitso.

Fanavaozana: Toa hoe sandoka ilay kaonty Twitter an'i Alekhina ka dia nobahanan'ny Twitter. Fatratra loatra ilay fisandohana ka na i Tolokonnikova izy tenany aza fanina,  nofafàny aza taty aoriana ny bitsika fiarahabàna an'i Alekhina tonga soa ao amin'ilay tolotra

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.