Esorina Any Amponjan'i Rosia Hamenoana Ny Seza Ao Amin'ny Sochi 2014

Some of Russia's newly freed, prominent former political prisoners. From left to right, Maria Baronova, Nadezhda Tolokonnikova, and Mikhail Khodorkovsky. Images mixed by Kevin Rothrock.

Rosiana gadra politika manana ny lazany, vitsivitsy vao avy nahazo fahafahana. Avy ankavia miankavanana, Maria Baronova, Nadezhda Tolokonnikova, ary Mikhail Khodorkovsky. Sary nafangaron'i Kevin Rothrock

 

Rosiana bilaogera maro no mino fa mitàna toerana lehibe ao anatin'ny famotsoran-keloka nisy tamin'ny herinandro lasa ny Lalao Olaimpika fanao amin'ny Andro Ririnina Sochi hatao amin'ny taona hoavy ka nanafahana ireo mpikatroka mafàna fo avy amin'ny “Arctic Sunrise” Greenpeace sy ireo mpiangaly gadona rock malaza Pussy Riot, ary hatramin'ny famelan-tsazy nomena an'i Mikhail Khodorkovsky, izay nandao avy hatrany an'i Rosia ka lasa any Berlin. Maika ny hanatsara endrika i Putin, hoy ny vinavina, sy hisoroka ny fanaovan'ireo mpitarika eran'izao tontolo izao ankivy ny Olaimpika, na dia efa nilaza aza ny dimy tamin'ireo firenena fito hafa mpikambana ao amin'ny G8 fa tsy hisidina hanatrika ny Sochi hatao amin'ny Febroary ho avy io ny mpitarika azy ireo (Frantsa, Angeletra, Kanada, Royaume-Uni, ary angamba i Alemaina koa aza).

Yulia Galyamina, mpianatra eny amin'ny Sekoly Ambony Momba ny Toekarena dia nanoratra tao amin'ny pejiny Facebook :

Путин пытается сделать хорошую мину перед Олимпиадой в Сочи, мотивы его низменны, но несколько свободных человек – это все равно счастье.

Miezaka ny ho tsara endrika mialohan'ny Olaimpika ao Sochi i Putin. Ambany be ilay fisainana, saingy azoko heverina ihany momba ireo vitsivitsy nafahana amin'izao fotoana, fa sambatra ny olona izay tsy dia miraharaha loatra an'izany.

Tsy ny rehetra anefa no miombon-kevitra amin'ny hoe ezaka atao hanavotana ny Olaimpika ny famotsoran-keloka sy famelan-tsazy. Amin'ny fanehoankevitra momba ny honohono teo aloha hoe mbola misy vesatra fahatelo miandry an'i Khodorkovsky, sy ny zava-misy hoe ny reniny efa antitra be sy anaty tsy fahasalamana lalina, dia nanoratra i Kiril Rogov ao amin'ny Facebook :

Все “третье дело” и болезнь матери – были обыкновенным шантажом, с помощью которого у Ходорковского выбивали согласие на помилование. На кону восе не олимпиада и не возможность широкого жеста под новый год, а – как всегда – деньги.

Resaka fanaovana antsojay fotsiny ny mikasika ilay hoe “fitsaràna fahatelo” sy reny tsy salama, izay nampiasain'i [ Kremlin] hahazoana ny faneken'i Khodorkovsky ny famelan-tsazy natolony. Ny tena votoatiny dia tsy ny Olaimpika loatra na ny mety hisian'ny fihetsika goavana noho ny fahatratrarana Taona Vaovao, fa – tahaka ny hatrizay – ny vola.

Oleg Makarenko, bilaogera fritzmorgen, dia somary nisalasala ihany koa hoe i Putin no ndeha hamotsotra an'i Khodorkovsky noho izay resaka Olaimpika.

Версия «Олимпиада» представляется мне смешной. На Олимпиаде лозунги «свободу Ходорковскому» популярностью не пользовались бы в любом случае, там протесты будут, в основном, под девизом «слава Содомии»….

Плакаты о Ходорковском на фоне радужных флагов выглядели бы совершенно нелепо. Очевидно, причина не в Олимпиаде.

Kidaladala ihany ilay filazana hoe “Olaimpika” amiko. Any amin'ny Olaimpika, tsy dia hahazo toerana loatra raha ny teny faneva hoe “fahafahana ho an'i Khodorkovsky” anaty hetsika iray. Hisy ny fihetsiketsehana [any Sochi], saingy amin'ny ankapobeny dia ho eo ambanin'ny teny faneva hoe : “Ho ela velona ny Sodomia”….

Mety hampihomehy ihany ny sariben'i Khodorkovsky holafihana saina miloko avana. Mivandravandra be fa tsy ny Olaimpika mihitsy no antony.

Makarenko nanohy tamin'ny fiheverena hoe hanomboka amin'ny lohataona, aorian'ny Lalao Olaimpika ao Sochi, ny famoretana ny fanoherana ny kolikoly, ary ny famotsorana an'i Khodorkovsky dia hafatra iray ho an'ireo gadra politika amin'ny hoavy fa hoe vonona ny hifampiraharaha i Putin.

Nalahelo i Olga Allenova, mpanao gazety ao amin'ny Kommersant :

Само по себе это освобождение перекроет все нарушения прав человека в РФ, весь беспредел в Сочи, всю жуть на Кавказе, – олимпиада владимировна пройдет под бурные аплодисменты, все приедут, даже француз, а ВВП может спокойно править еще мильен лет, вообще не парясь ни о правах, ни о свободах.

В итоге он опять выигрывает.

Как всегда.

Это просто невероятно, как они научились это делать.

Raha izy amin'izao fotsiny, io famotsorana io dia hisongona ireo fanitsakitsahana zon'olombelona rehetra tao Rosia, ny gaboraraka rehetra ao Sochi, ny zava-doza rehetra any Kaokazy— horaisina amin-tehaka mirefodrefotra ny Lalao Olaimpikan'i Vladimir, ho avy ny rehetra, na ry zareo Frantsay aza, ary dia afaka hifehy an-tapitrisa taona indray ny VVP, tsy hiasa loha mikasika izay zo sy fahalalahana any

Ny fiafaràny, mandresy indray izy.

Toy ny mahazatra

Tena tsy mampino fotsiny ny fomba nianaran-dry zalahy nanao azy io

Ho an'i Khodorkovsky indray dia milaza izy fa toheriny ny fanaovana ankivy ny Lalao Olaimpika, amin'ny filazàna hoe :

Raha iverenana ny Sochi, ny ahy dia hoe hetsika ara-panatanjahantena io; fetibe ho an'olona an-tapitrisa ary angamba tsy tokony hataontsika tsinontsinona. Zavatra iray hafa ny hoe tsy tokony hataontsika toy ny fetiben'ny Filoha Putin fotsiny izy io — angamba tsy rariny ihany koa izany. Na izany aza anefa, tsy izaho no ndeha hanimba fetibe natao ho an'olona an-tapitrisa.

Mandritra izany, ilay nahazo ny medaly volafotsin'ny gadra politika tao Rosia, Nadezhda Tolokonnikova, mpikambana ao amin'ny Pussy Riot, dia nangataka fanaovana ankivy tanteraka ny Lalao Olaimpika, tao anaty fanehoankevitra ho an'ireo mpanao gazety nanaraka ny famotsorana azy avy any am-ponja tamin'ny 23 Desambra 2013 :

Amin'izao fotoana izao anefa aho dia miantso fanaovana ankivy, amin'ny foko rehetra, miantso antsika rehetra aho tsy hivarotra ny tenantsika amin'io solika sy entona rehetra azon'i Rosia atolotra io. Miantso aho ny mba hampiharana ny fenitra maha-olona, ny fomban-drazantska ary ny fandrindràna – dia ireo soatoavina asandratr'i Eoropa

Mbola mitoetra ho zava-miafina ny antony marina amin'ny famotsorana tampoka an'i Khodorkovsky sy ny famotsoran-keloka nanafahana taty am-parany an'ireo mpikambana roa avy amin'ny Pussy Riot. Raha marina ny kajikajy hoe mifamatotra amin'ny ezak'i Kremlin hamonjena ny “Sochi 2014″ ireny fihetsika maneho fileferana ireny, dia ho zava-dehibe ny hanaraka izay hitranga amin'ny herinandro manaraka eo, hahitàna raha hanova ny heviny ireo mpitarika any amin'ny firenena Tandrefana mikasika ny fanatrehana ny Lalaon'ny Andro Ririnina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.