SARIPIKA : Ireo Olona Any Afovoany Atsinana Sy Afrika Avaratra

Novambra 2010. Nanapa-kevitra ny hivoaka isan'andro sy haka sary ireo olon-tsy fantatra eny an-dàlam-ben'i New York ny lehilahy iray antsoina hoe Brandon Stanton. Ny hahafantatra azy ireny, hametra-panontaniana vitsivitsy amin'izy ireny ary ny hizara amin'ny aterineto izay tantarainy no tiany hatao. Telo taona aty aoriana, tonga zava-dehibe iray amin'ny aterineto ny saripika amin'ny bilaogy ” Humans of New York” (Ireo Olon'i New York ). Miaraka amin'ireo mpikirakira Facebook maherin'ny 2 tapitrisa, dia nisongadina ho azy ho toy ny tranga mahaliana tokony harahina izany. 

Fa tsy nijanona tao New York fotsiny ny hetsika “Olon'ny”. Nalaza sy nandrakotra ny planetanintsika isan-tanàna hatrany India ka hatrany Amerika Latina nandalo an'i Eoropa sy Aostralia. Tsy navahana tamin'izany ny faritra misy anay, ny Afovoany Atsinanana sy Afrika Avaratra.

Ity manaraka ity ny jery ankapobeny ny pejin'ny ” Olon'ny” ao amin'ny faritra misy anay. 

Ireo Olon'i Kairo

"What's your greatest struggle right now?" "To survive the faculty and marry the one I love." "And if you could give advice to people what would that be?" "Break your taboos, and be free. Taken from the Humans of Cairo page

“Inona no tolona lehibe atrehanao izao ?”
“Ny hivoaka velona amin'ny sampam-pianarana misy ahy sy hanam-bady izay tiako.”
“Ary raha afaka manoro hevitra ny olona ianao, mety ho inona izay ?”
“Poteho ny fadinareo dia meteza halalaka.”
Nalaina avy tamin'ny pejin'ny Humans of Cairo

 Natombok'i Salma Hegab, mpitoraka bilaogy sy mpanao gazety sy mpikirakira “multimédia”, 22 taona, nivoaka tao amin'ny Oniversite Amerikana ao Kairo ny Humans of Cairo ( Olon'i Kairo). Voaforona tamin'ny Novambra 2012 ary efa miisa 3.500 mahery izao ny mpanao “tiako”, ny hanehoana ny maha-samy hafa ny mponina ao Kairo no tanjony. Izao ny nambarany momba izany : 

“Inoako fa tanàna velona i Kairo.  Na dia tsy tiako loatra aza ny mipetraka ao, heveriko fa ny fanombohana tetikasa iray tahaka izao no hanampy ahy hisaina ny momba ny tanàna amin'ny alàlan'ny masoko, ary hanome vintana ny tanàna mba hivoaka av amin'ny fakantsariko ! Ny nampiasako fakantsary natao ho an'ny matihanina nandritra ny roa taona tsy mandà ny hoe mbola MARO no tsy maintsy HIANARAKO, ary mino aho fa vintana lehibe ho ahy hampivoatra ny fahaizako maka sary izany.”

Azonao jerena eto ny resadresaka nifanaovany tamin'i Ta3beer.

Noforoninà mpaka sary tsy fantatra anarana ( hatramin'izao) tamin'ny 2012 ny  Olon'i Ejipta. Tsy misy zavatra betsaka voalaza ary efa am-bolana maro izany no tsy nisy fanavaozana. Nefa mendrika ho topaza-maso izany. Tahaka ny tany Ejypta ihany ny “Olon'i Mansoura“.

Ireo Olon'i Teheran

"Where's my favorite hangout place? Near the Tehran University Campus. There's a design center where all artists, whether graphic artists or sculptors such as myself, like to come together and work. I just love that place." Susan, seen near Tehran University From the "Humans of Tehran" page

“Aiza no toerana tena tiako aleha matetika? Any akaikin'ny foto-drafitr'asan'ny  Oniversiten'i Teheran.  Misy foibe fianarana manome endrika ao, izay tian'ny mpanakanto rehetra ivoriana sy iasàna ao, na mpanao sary izany na mpanao sary sikotra tahaka ahy. Tiako fotsiny izay toerana izay.”
Susan, hita teny akaikin'ny Oniversiten'i Teheran
Avy amin'ny pejin'ny  “Humans of Tehran”

 Nanomboka tamin'ny 9 May 2012 ary efa misy mpanaraka maherin'ny 100.000 amin'izao fotoana izao ny Olon'i Tehran, ka mahatonga azy ho pejin'ny “Olon'i ” malaza be indrindra ao amin'ny faritr'i MENA. Izao no nolazain'ny mpanapika sary momba izany :

“Tsy lavitra araka ny hieritreretanareo azy akory i Teheran. Ningain'ny  “Olon'i New York”, ity pejy ity dia maneho ho hita maso ny fiainana an-davan'andron'ny Iraniana ao amin'ny renivohiny feno vovoka, harafesina maha-te-ho tia .”

Avy ao Iran ihany koa ny  “Olon'i Esfahan“, “Olon'iTabriz“, “Olon'i Shiraz“, “Olon'i Ahvaz” ary “Olon'i Kermanshah

Olon'i  Istanbul

"I study medecin and sometimes I feel like I'd never be able to become a doctor; but now I'm happy cause I succeeded in my mid-term exams. So now I'm waiting for a friend of mine to celebrate it!" From the "Humans of Tehran" page

“Mpianatra mpitsabo aho ary indraindray dia tsapako toy ny tsy ho tonga mpitsabo izany aho ; fa sambatra aho izao satria fa afaka tamin'ny fanadinana isan-kenim-bolana. Noho izany dia miandry namako iray hiara-mankalaza izany amiko aho!”
Avy amin'ny pejin'ny “Humans of Istabul”

Noforonina tamin'ny 2012  tamin'ny alàlan'ny fifaninànana sary tany Istambul ny Olon'i Istanbul. Ankehitriny maherin'ny 2.200 ny mpanaraka izany. Izao no nolazain'i Shawn Ryan, ilay mpamorona azy, momba ny tetikasany :

“Hanapika sary ny maha-olona any Istambul, tanàn-dehibe feno olona avy amin'izao tontolo izao, sady manan-karena kolontsaina, fomba nentim-paharazana, tantara, fiteny, fandraisana olona. Maka ny sarin'ireo olona mahafinaritra ato amin'ity tanàna mahafinaritra ity no tetikasa, ary ny sary tsirairay dia mitantara tantaran'olona iray.”

Avy ao Tiorkia ihany koa ny  “Olon'i Ankara“, “Olon'i Izmir” ary “Olon'i Antalya

Olon'i Tel Aviv

Meet Michal. "It's a little bit embarrassing but I am actually reading: 'Why Men Love Bitches?' for me, the subtext of the book is not to be a Bitch if you want to get a man. There is a huge difference between been a bitch and standing on your emotional rights in a relationship. Love yourself first, then the right man will turn out ." From the "Humans of Tel Aviv" page.

Meet Michal. “Manahirana kely ihany nefa eto am-pamakiana teny aho izao : ‘ Nahoana ny Lehilahy no Tia Ireny vehivavy tsy mahalala fomba ireny ?’ Ho ahy ny hevitra ambadik'ity boky ity dia tsy ny ho tonga vehivavy tsy mahalala fomba raha te-hahazo lehilahy. Misy maha-samy hafa azy ny vehivavy tsy mahalala fomba sy ny fiarovanao ny zon'ny fitiavanao ao anatinà fiarahana. Voalohany tiavo ny tenanao dia hanatona anao izay lehilahy mety aminao.  .”
Avy amin'ny pejin'ny “Humans of Tel Aviv”.

 Afaka mirehareha noho ny amin'ireo mpankafy azy maherin'ny 20.000 ny Olon'i Tel Aviv. Pejy noforonin'i Erez Kaganovitz tamin'ny 7 Aprily 2012 ary mampifaly ireo vondronà mpankafy mahatoky. Nahoana no misy izy io ? izao no navalin'i Kaganovitz izany : “Isan'ny toerana mahaliana indrindra eto an-tany i Tel Aviv. Tongava ary mifaneraserà amin'ireo olona izay mahatonga azy ho mahaliana.”

Olon'i Palestina

Palestinian farmer work during the olive harvest in the West Bank. Photo by: Ahmad Daghlas Taken from the Humans of Palestine page

Mpamboly Palestiniana iray miasa mandritra ny fiotazana oliva any Cisjordanie. Sary avy amin'i Ahmad Daghlas
Nalaina tamin'ny pejin'ny Humans of Palestine

 Niorina tamin'ny 2012 niaraka tamin'ity fanasàna ity : ‘ Tongava ary mifaneraserà amin'ireo olona izay mahatonga an'i Palestina ho mahaliana fatratra’  ny Olon'i Palestina. Miresaha, miaraha miaina amin-dry zareo.”  Avy ao Palestina ihany koa ny “Olon'i Nablus“.

Olon'i Jeddah

A fisherman who showed off his linguistic skills in selling fish as well as counting in Spanish, English Italian and Arabic. He's traveled through out the Red Sea and the Mediterranean Sea and has met many people. From the Humans of Jeddah page

Mpanjono iray maneho ny hakingàny miteny tenim-pirenena toy ny fahaizany manisa amin'ny teny Espaniola, Anglisy, Italiana ary Arabo eo amin'ny fivarotany trondro. Efa namakivaky ny Ranomasina Mena sy ny Ranomasin'i Mediterane izy ary nifanerasera taminà olona maro.
Avy amin'ny pejin'ny Humans of Jeddah page

 Mbola vao haingana ny Olon'i Jeddah – Arabia Saodita. Vao iray volana izay, vokatry ny fiaraha-miasan'ny mpaka sary roa, i Helmy Alsagaff sy i Sharifa Lee Abdulrahman, izay ” te hizara amin'izao tontolo izao ireo karazan'olona maro samy hafa mahafinaritra ao an-tanàna.”

Avy ao Arabia Saodita ihany koa ny “Olon'i Riyadh”.

Olon'i Libanona

"We're enjoying the sunset." Taken from the Humans of Lebanon page

“Mifaly amin'ny fodian'ny masoandro izahay.”
Nalaina avy tamin'ny pejin'ny Humans of Lebanon

Nanomboka tamin'ny fiaraha-miasanay sy i Mher Krikorian, mpaka sary Libane-Armeniana izay nalaza noho ny fandraisany anjara tamin'ny Beirut Street Photographers (BSP ; Mpaka Sary teny an-dàlam-ben'i Beyrouth) ny Olon'i Libanona. Tato aoriana dia nanatevina ny laharanay i Karim Sakr, mpikambana ao amin'ny BSP ihany koa. Toy ny pejy “Olon'i”  rehetra, ny tanjon'ny Olon'i Libanona dia ny ” hankalazana ny fahasamihafana ao Libanona amin'ny alàlan'ny fanehoana ny mponina ao aminy.”

Jereo ny pejin'ny “Olon'i LAU” nataon'i Noura Andrea Nassar raha te-hahalala bebe kokoa momba ireo mpianatra any Libanona ianao. Noura, mpianatra ao amin'ny Oniversite Amerikana Libane izay tafahaona tamin'i Brandon Stanton tany New York raha ny marina no manan-ko lazaina momba ny tetikasany : 

“Mankasitraka mandrakariva ny Olon'i New York aho. Mampianatra anao tsy hitsara olona satria samy manana ny fanaovany zavatra ny tsirairay. Naniry hatrany ny ho mpikambana ao amin'ny Olon'i Libanona aho saingy tsy mahay miteny arabo tsara ary sarotra ho ahy ny mifanerasera. Avy eo nifanena tamin'i Brandon tany New York aho, ary nisy vokany tamiko izany : naniry hamorona pejy tahaka izao aho fa saingy kelikely kokoa, izany no nahatonga ahy namorona ny pejin'ny Olon'i LAU. Olona hitanao isan'andro ireo, saingy tsy mbola niresahanao mihitsy ary dia mirona amin'ny fitsarana azy ianao.”

Misolo tena ny  Olon'i Tripoli sy Olon'i Beirut ihany koa i Libanona.

Olon'i Amman

Giving out free smiles to people on Traffic lights. Taken from the Humans of Amman page

Mizara tsikitsiky maimaim-poana ho an'ny olona eo amin'ny jiro fandrindràna  Fifamoivoizana. 
Nalaina avy tamin'ny pejin'ny Humans of Amman

Herintaona lasa izay no natombok'i Ali Alhasani ny Olon'i Amman. Tetikasanà saripika ” izay mikendry  ny haneho ny endriky ny olona manodidina an'i Amman, Jordana fa tsy mijery ny maha-lahy na maha-vavy, ny karazana na ny volon-koditra mba hanaparitahana ny hevitry ny firaisankiana eo amin'ny fiaraha-monina Jordaniana. Noho izany dia nisy mpaka sary hafa nandray anjara tamin'ilay tetikasa .”

Olon'i Kôety

"Show me your ball" Taken from the Humans of Kuwait page

“Asehoy ahy ny baolina kelinao”
Nalaina avy tamin'ny pejin'ny Olona any Koety

Vao haingana ihany koa no nanampy ny fianakavian'ny “Olon'i” , toy izao ny tantaran'ny Olon'ny tanànan'i Koweït :

” Bryan no anarako, ary tamin'ny ririnina 2013 no nanombohako ny Olon'ny Koety niteraka ny HOK. Ny haneho an-tsary ireo 5.000 mponin'ny tanàna no tanjoko, noho izany dia naka sary an'i Koety araka izay ahitako azy aho. Koa satria miroborobo ny mpankafy dia haneho ny fiainana andavan'andron'ny vahiny any Koety ho an'ny olona maneran-tany ny HOK.”

Olon'i Tunisia

Mohamed: I'm killing the time that killed me. Me: Why are you saying that? Mohamed: It took my son. He turned 23 on the day of Eid.

Mohamed: Vonoiko ny fotoana izay namono ahy
Izaho : Nahoana ianao no miteny izany ?
Mohamed: Naka ny zanako izy. 23 taona ny andro niainan'i Eid

Noforonina volana vitsy lasa izay ” ho an'ireo Olon'i Tonizia izay verin'ny fitadiavana andavan'andro ary tsy manam-potoana hisitrahana izany” ny Olon'i Tonizia.

Avy ao Tonizia ihany koa ny pejin'ny “Olon'i Tunis” noforonin'i  Akram Lahouel, Houssem Lamti ary Samar Ouadhani. Efa manana bilaogy ry zareo ‘reo. Fa tsy izay ihany fa azonao jerena ihany koa ny “Olon'i Sfax“.

Olon'i Khartoum

Amm Saeed from the Nuba Mountains -Seen next to The French Cultural Centre - Khartoum Taken from the Humans of Khartoum page

Amm Saeed avy any amin'ny tendrombohitr'i Nuba
-Hita teo akaikin'ny Foibe Ara-kolontsaina Frantsay- Khartoum
Nalaina tamin'ny pejin'ny Olon'i Karthoum

 “Fanomezam-boninahitra kely ny mponin'i Khartoum, Sodàna, sary nalaina teny an-‘arabe taminà fotoana iray” ny  Olon'i Khartoum.

Olon'i Baghdad

I Nasser Billah AlNasseri, mpitsabo sady mpanao gazety tao amin'ny sampan-draharaha fanaovan-gazety frantsay teo aloha, no namorona ny Olon'i Baghdad. Voatery nandao an'i Baghdad izy rehefa natetika nahazo fandrahonana amin'ny maha-mpanao gazety azy.

Olon'i Syria

"how much I love eating Falafel whenever my mum brings me back from school" Taken from the Humans of Syria page

“Tena tiako ny mihinana Falafel isaky ny alain'i neny avy any am-pianarana ahol”
Nalaina avy tamin'ny pejin'ny Olon'i Syria

Vao andro vitsivitsy izay no niandohan'ny Olon'i Syria. Tsy nitonona anarana ilay mpaka sary fa izao no ambarany momba ilay pejy :  “Syria, mba hamoahana ny eritreritra miafina ao am-po izay tsy voalaza amin'ny maso, ary voatanan'ny ranomaso very any ankoatry ny tabataban'ny ady. Mba ho velona indray.”

Olon'i Dubai sy Olon'i Abu Dhabi

These two camels were eating very quietly when this man walked by. He stopped, and one turned around and came closer to get a kind "hello" tap on the head, and got back to its food. Taken from the Humans of Dubai page.

Nihinana am-pilaminana ireto rameva roa ireto rehefa nandalo ity lehilahy ity. Nijanona izy, dia nihodina nanatona azy ny iray mba hahazo safosafon”Arahaba” eo amin'ny lohany avy eo niverina teny amin'ny sakafony. 
Nalaina tamin'ny pejin'ny Olon'i Dubai.

Noforoninà mpaka sary Frantsay antsoina hoe Isabelle izay miaina any Dubai nandritra ny 9 taona lasa teo ny Olon'i Dubai

Avy any UAE ihany koa ny “Olon'i Abu Dhabi“.

Olon'i Tripoli

You're going to kiss the rainbow and taste the sun. no biggie. Taken from the Humans of Tripoli page.

Handeha hanoroka ny avana sy hanandrana ny masoandro ianao. Tsy misy olana.
Nalaina avy tamin'ny pejin'ny Olon'i Tripoli.

 Noforonina toy ny hoe ” ezaka hamoronana fanisàna sarin'i T-town, izay tsy misy na inona na inona atolotra afa-tsy ny hatsaran'ny tontolo” ny Olon'i Tripoli

Avy ao Libya ihany koa ny “Olon'i Benghazi“.

Olon'i Casablanca

- How long have you been friends? - Friends? Who are you talking about? - Of your donkey? - I bought him in Settat 5 years ago. We have never left each others' side since! He helps me a lot and has always been there for me. Taken from the Humans of Casablanca page.

- Hafiriana izay no naha-mpinamana anareo ?
- Namana? Iza no resahanao ?
- ny ampondranao ?
- Novidiako tany Settat 5 taona lasa izay izy ity. Tsy mbola nifandao mihitsy izahay hatramin'izay ! Manampy ahy be dia be izy sady azoko itokiana  mandrakariva.
Nalaina tamin'ny pejin'ny Olon'i Casablanca.

Vao volana vitsy izay no niforonan'ny Olon'i Casablanca. Iza ireo mpaka sary ao ambadik'io tetikasa io ?   Araka ny tenin-ndry zareo, ” Izahay dia izay mino fa ny hany làlan-tokana ahitantsika  ny marina miafina ao anatintsika dia ny fandehanana manatona ny olona, mampitaha ny lasantsika ary maka lesona avy amin'ny traikefan-dry zareo.”

Olon'i Alger

Hey mister, mister! Take my picture! Taken from the Humans of Algiers page.

E!! Ramose ô, ramose! Alaivo sary aho !
Nalaina avy tamin'ny pejin'ny Olon'i Alger.

 Voaforona volana vitsivitsy lasa ho toy ny toerana ” ahatsiarovana tantara iray isan'andro ho tantaraina amin'ny vahoakan'i Alger” ny Olon'i Alger

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.