Fandrisihana Sa Fanararaotana Ny Fandaharan'asa Firotsahana An-tsitrapo?

Ity lahatsoratra nosoratan'i Angilee Shah ho an'ny “The World” dia nivoaka voalohany tao amin'ny PRI.org tamin'ny 19 Desambra 2013 ary naverina navoaka araka ny fifanarahana fifampizaràna votoaty.

Ny fanomezanao fotoana ho anà zavatra iray mitàna anao am-po dia mety faran'izay hahafa-po sy hitondra tombony. Toy ny fanazavan'i Demba Kandeh, mpiasa mpirotsaka an-tsitrapo ao Gambia, “Zava-mahafinaritra ny firotsahana an-tsitrapo.”

Saingy amin'ny fotoana toy inona ny fandaharan'asa firotsahana an-tsitrapo no mampahery ary rehefa fotoana toy inona no mitrandraka/manararaotra izy ireny? Moa ve mitondra tombony ho an'ny vondrom-piarahamonina ny fametrahana karazana tolotr'asa tahaka izany? Misy tolotra tsy omena tsotra izao ve raha tsy hoe natao ho an'ireo mpirotsaka an-tsitrapo izy ireny, araka ny nambaran'ny olona marobe tamin'i Amy Costello tao anatin'ny fanadihadiana nataony an'ireo mpiasan'ny fahasalamana mpirotsaka an-tsitrapo ao Senegal.

Miaraka amin'ny ampaham-panampian'ny vondrom-piarahamonin'ireo bilaogeran'ny Global Voices, fomba fijery maro avy amin'izao tontolo izao no hitantsika.

Laura Morris, 28 taona, mpamoaka lahatsoratra [ho an'ny Rising Voices!] ao Paris, dia nandany dimy volana nirosaka an-tsitrapo niasa ho anà ONG kely iray tany Phnom Penh, Kambodza, ary fito volana nirotsaka an-tsitrapo niasa ho anà fikambanana iray mikarakara ireo beantitra tao Londona. Ambaran'i Morris fa takany ny antony tsy nanomezan'ilay fikambanana Kambodziana vola azy — izy irery no hany vahiny tao, ary tsy vitan-dry zareo ny handoa ny karamany — saingy heveriny fa ilay fikambanana tsy mikatsaka tombontsoa ao Londona kosa dia nàka tombony fotsiny tamin'ny hamaozatry ny tsenan'ny asa ary nanome asa ho azy, izay asa tokony hataon'olona mandray karama.

“Nirotraka an-tsitrapo nanao azy io aho, fanapahan-kevitro araka izany ilay hiara-hiasa amin-dry zareo, saingy notakiako koa ny hanao asa izay tsy maintsy handraisako karama, izay mitaky traikefa ambony noho ny vao mianatra asa,” hoy i Morris.

Demba Kandeh, 26 taona, dia mpanao gazety any Gambia, ao Afrika Andrefana, izay mirotsaka antsitrapo masa ho an'ny “Humanity First”, fikambanana iraisampirenena mpanao asa soa. Mino izy fa mifaraka tsara io – ary ilaina – ho an'ireo asa soa madinidinika any amin'ireo firenana mahantra miankina be amin'ny asa an-tsitrapo.

“Tsy afaka manarama feno ireo mpandraharaha araka ny asa tena nataony ireo firenena mahantra toa an'i Gambia na ireo ONG madinika. Ary dia mahafinaritra daholo ireo asa rehetra ireo, ary ny hany làlana hanatanterahana azy dia amin'ny alàlan'ny firosahana an-tsitrapo,” hoy i Kandeh.

Andrea Coleman, 66 taona, dia mpiara-manorina no sady TAle Jeneralin'ny “Riders for Health”, fikambanana iray iraisam-pirenena tsy mikatsaka tombontsoa mitantàna fiara mpamonjy voina sy fitaterana hafa mifandraka amin'ny ara-pahasalamana any aminà firenena Afrikana miisa fito. Tsy niantehitra taminà mpanao asa an-tsitrapo ny fikambanany. Mino izy fa tokony handoa karama ho an'ny mpiasany ireo ONG goavana.

“Tsy azoko sainina mihitsy ny antony mahatonga ireo ONG iraisampirenena handray mpirotsaka an-tsitrapo ary tsy hanome karàma azy ireny,” hoy i Coleman.

Faisal Kapadia

Faisal Kapadia, 38 taona, dia milaza ny tenany ho “mpanao asam-pamonjena noho ny tsy nampoizina.” Nanampy tamin'ny fanombohana ny fikambanana mpanao asa an-tsitrapo “SA Relief” izay tamin'ny 2005 taorian'ny horhorontany boavana namely ny avaratri Pakistana. Nambarany fa ny fampiasàna mpirotsaka an-tsitrapo dia nahafahan'ny fikambanany nihetsika sy nandray fanapahan-kevitra malaky, tsy nilàna ny fiandrasàna fankatoavana avy aminà birao foibe avy any lavitra any. “Ny rafitra iray firotsahana an-tsitrapo dia manampy betsaka amin'ny fahafaha-mihetsika,” hoy izy. “tsapako fa ny vondron'olona iray miasa miaraka anaty teo-draharaha famonjena aina dia tsara lavitra noho ny rafitra manaraka fepetra satria haingana be ny fiasany.”

Jamal Badr

Jamal Badr, 33 taona, dia miasa an-tsitrapo ho an'ny kaomity mpanatanteraky ny Hemmat Shabab, fikambanana iray mifantoka amin'ny fampandrosoana ny tanora izay manampy ireo fianakaviana sahirana ao Yemen. Lazain'i Badr fa ny fikambanany dia miady mafy vao mahatàna ireo mpirotsaka an-tsitrapo satria tsy mba afaka miantoka na dia ireo tombontsoa kely toy ny saram-pitaterana na sakafo kely akory aza. Ambarany fa ny asa fanasoavana ataony dia miantso ireo mpirotska an-tsitrapo amin'ny alàlan'ny fifandraisana amin'ny soatoavin'izy ireny. “Miresaka momba ny finoana Silamo izahay, izay mandrisika ny olona hanao asa an-tsitrapo.” hoy i Badr. “Fa tsy miteny amin'ireo olona ireo velively izahay hoe hanaràma azy. Tsymanana vola izahay. Izay no zava-misy iainana.”

Eduardo López Therese

Eduardo López Therese, 64 taona, niasa an-tsitrapo ho an'ny Vokovoko Mena tao Però nandritry ny efa ho 30 taona, nisahana ny famonjena maika sy ny fandraisana an-tànana ira sisam-patin'ny loza voajanahary. Tsy hoe asa fiantràna fotsiny no azo avy amin'ny fandaharanasa firotsahana an-tsitrapo, hoy izy. Ny sasany amin'ireo mpirotsaka an-tsitrapo dia mahazo ombony avy amin'ny asa fanaovan-tsoa ataony. Milaza i Lopez Therese fa nahita dokotera mpirotsaka an-tsitrapo nampiasa ny Vokovoko Mena hisarihana ny mararyho any amin'ny toeram-pitsaboan'izy ireo manokana izy. “Tsy mba nieritrertra velively hikatsaka tombontsoa avy amin'ny olona ampianay aho,” hoy i López Therese miteny.

Marietta Le, 26 taona, mpanao gazety miasa ho an'ny Átlátszó, ONG Hongroà izay manadihady ny kolikoly ataon'ny governemanta. Miankina amin'ireo mpirotsaka an-tsitrapo ilay fikambanana. Ambarany fa manome be lavitra noho ny asa atao maimaim-poana ireo mpirotsaka an-tsitrapo; manampy amin'ny fanelezana ny feo mikasika ny ezaka ataon'ny fikambanana izy ireny ary tena maniry ny ho isan'ny singam-pahombiazan'ny fikambanana aza.

“Afaka mampandray anjara olona maro amin'ny asanao ianao. Toy ny karazana fampiroboroboana na fiarovana ny asanay ilay izy,” hoy izy. “Afaka miteny ireo mpirotsaka an-tsitrapo hoe nanampy ny Átlátszó izy ireo, miaraka aminà tantara hoe nanampy niady tamin'ny kolikoly tao Hongria.”

Vera Weghmann, 28 taona, niasa an-tsitrapo ho an'ny “War on Want” ao Londona nandritry ny enina volana tamin'ny 2012. Ambarany fa ny fisianà fandaharanasa betsaka loatra ataon'ireo mpirotsaka an-tsitrapo tsy mandray karama sy ireo mpianatra asa dia maka ny toeran'ireo asa voalohany. Mahatonga ilay lazainy hoe “elitization ho an'ny sehatra tsy mikatsaka tombontsoa,” amin'ny famoronana tontolo iray izay tsy ahitàna afa-tsy olona manana fahafahana ara-bola afaka maka traikefa takiana aminà fahazoana asa iray  .

“Tsy manohitra ny fanaovana asa an-tsitrapo amin'ny ankapobeny aho,” hoy izy. “Saingy heveriko fa tsy ilaintsika ny hanavaka ny hoe firotsahana an-tsitrapo tena firotsahana an-tsitrapo sy ny firotsahana an-tsirapo izay fanararaotana hahazoana asa tsy andoavana karàma.”

Efa nirotsaka niasa an-tsitrapo ho anà fikambanana tsy mikatsaka tombontsoa ve ianao? Zarao ny zavatra niainanao manokana ary araho ny tenifototra #TrackingCharity natao hiresahana azy ao amin'ny Twitter..

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.