SARIPIKA: Fanoherana Ny Fanodikodinana Ny Hevi-Bahoaka Tamin'ny Fifidianana Filoham-Pirenena Koreana Tatsimo Natao Tao New York, Paris, London

Nanatontosa fiaretan-tory tao New York, Paris, London ary Berlin ny Koreana Tatsimo monina ampitan-dranomasina nandritra ity herinandro ity, nanameloka ny fanodikodinana ny hevi-bahoaka nataon'ny sampan-draharaham-panjakana Koreana Tatsimo nandritra ny fifidianana filoham-pirenena farany. Mbola maro ny fihetsiketseham-panoherana kasaina atao amin'ny tanandehibe hafa manerana izao tontolo izao amin'ny herinandro. Araho ny @OverseasCandle hahazoanao ny vaovao farany. 

Fihetsiketsehan'ny Koreana Tatsimo tao New York City tamin'ny alin'ny 20 Desambra:  

Taorian'ny fihaonana fiareta-tory (fandrehetana labozia) natao tao Paris, Berlin (tamin'ny fiandohan'ity herinandro ity), dia nandeha tany Manhattan izahay. Tokotokony ho 100 teo ho eo no nandray anjara. Tohano izahay azafady!

Toy izao no nitranga tamin'ny fiareta-tory notontosaina tao New York City. Fotoana nampihetsi-po tokoa! 

Fihaonana fiareta-tory notontosaina tao Paris, Frantsa tamin'ny 20 Desambra: 

Izao no sarin'ny fiareta-tory ampitan-dranomasina tao Paris. 

Namoaka sarin'ny fihaonana fiareta-tory tao Paris aho eto. Miangavy mariho manokana hoe ‘Fiareta-torin'ny olom-pirenena tao Paris’ rehefa mizara azy ianao. 

Fihetsiketseha-panoherana tao London tamin'ny 21 Desambra: 

Ity ny sarin'ny fihetsiketsehana tao London izay notontosaina tamin'ny teny tarigetra hoe ‘Tianay Averina Ny Demokrasianay’. Ny aro-orana sy ny elo entin'ny olona no mampiseho ny toetr'andro eto London.

Izahay izay ‘tsy salamalama’ [amin'ny zava-mitranga any Korea Atsimo], no nivory tao amin'ity toetr'andro manorana sy mandrivotra ity. Fa inona no mahatonga anay ho ‘tsy okay'? Ao amin'ny sary ny valiny. 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.