Lazao Hoe Inona?! Habaka Manangona Resa-Pankahalàna Hisorohana Fandripaham-Bahoaka

Screenshot of Hatebase's map of "recent sightings" of hatespeech around the world, based on crowd-sourced entries uploaded to the database.

Misy fomba haminavinàna ny ho fisian'ny vonomoka ve? Inona no mitranga voalohany – alohan'ny hiavian'ny ratsy indrindra?

Araka ny lahatsoratra iray navoakan'ny Genocide Watch, dia ahitana fizotra manana dingana maromaro ilaina fantarina sy dinihana isan-dingana ao anatin'izany. Iray amin'ny dingana tsy maintsy ilaina ny fanasokajiana, na fametrahana marika (sariohatra).

Screenshot of graph of most uploaded terms by languages into Hatebase.

Pikantsarin'ny fanehoana an-tsary ireo voambolana isaky ny fiteny be mpandrakitra indrindra ao amin'ny Hatebase. .

Ny Hatebase dia firaketan-tahiry ifandrimbonan'ny besinimaro natsangana hanangonana resa-pankahalana ho famantarana sy ho fisorohana (ny herisetra). Amin'ny alalan'ny tahiry, afaka mandrakitra ireo tatitry ny “tsikaritra” sy ny voambolana nampiasaina ny olona tsirairay, manondro ny toerana nampiasàna ilay voambolana. Nilaza tamin'ny alalan'ny resadresaka tamin'ny mailaka ny mpanorina Timothy Quinn fa “ny fanalahidin'ny Hatebase dia ny mahita azy ho toy ny soso-tahiry tahaka ny fifamoivoizana eo an-tampon'ny saritanin'ny tanàndehibe iray.

Natsangana ny tahiry mba hanampiana ireo sampam-panjakana, fikambanana tsy miankina, fikambanana mpikaroka sy ny hafa mba hamantarana ny tahan'ny resa-pankahalàna ahafaha-maminavina ny herisetra ao amin'ny faritra.

Mangataka amin'ireo mpiserasera ny tahiry mba handray anjara amin'ny “fanaraha-maso” arakaraky ny toerana sy ny fiteny, marihana amin'ny karazany eo amin'ny foko, ny zom-pirenena, ny maha-lahy na vavy, ny fironana ara-pananahana sy ny sisa. Amin'izao fotoana izao dia 60 000 ny hajian-tsikaritra voafangitra sy voatondro ora aoanatin'ilay rafitra.

Screenshot of most common hate speech graphed by type.

Fitenim-Pankahalana fahita indrindra – Pikantsary avy amin'ny habaka Hatebase ahitana ny firan'ny resa-pankahalàna mahazatra indrindra araka ny karazany.

Mba hanomezana alalana ireo fikambanana hiditra ao amin'ny tahiry mba hampiasa fampiharana hafa, nandany fotoana maro nanangana ny open API iray ny mpamorona ny habaka. Quinn:

Our interest is in having NGOs like us integrate it with their own data to help them make informed decisions about where to devote human, material and financial resources… Our hope is that more people will eventually be using the API to understand our dataset than the website.

Ny mahaliana anay dia fananana fikambanana tsy miankina tahaka anay mampiditra azy ao amin'ny tahiriny manokana hanampy azy ireo handray fanapaha-kevitra anaty fahalalana hoe aiza no manome lanja ny (loharano ara-)olombelona, ara-pitaovana ary ara-bola … Ny fanantenanay dia ho betsaka ireo olona no hampiasa ny API mba hahafantatra ny fiasan'ilay fametrahana tahiry avy aminay kokoa mihoatra noho ny habaka

Famaritana ny voambolana

Fa inona no marina no atao hoe “resa-pankahalàna”. Ny hita ao amin'ny habaka dia:

Hate speech is difficult to quantify, but most people would agree with Justice Potter Stewart's famous sentiment: “I know it when I see it.” Hatebase defines hate speech as any term which broadly categorizes a specific group of people based on malignant, qualitative and/or subjective attributes — particularly if those attributes pertain to ethnicity, nationality, religion, sexuality, disability or class.

Sarotra tombanan'isa ny resa-pankahalàna, saingy maro ireo olona no miombo-kevitra amin'ilay fahatsapana malazan'i Justice Potter Stewart: “Fantatro izany raha hitako”. Ny resa-pankahalana dia faritan'ny Hatebase ho ny voambolana izay manasokajy ankapobeny vondron'olona manokana amin'ny toetra ratsy na zavatra hafa manondro mazava foko, zom-pirenena, fivavahana, fananahana, fahasembanana na saranga iray.  

Manoro hevitra ireo mpandray anjara ny Hatebase mba handinika ireo fanontaniana manaraka ireto alohan'ny hametrahana voambolana ao amin'ny tahiry:

1. Does it refer to a specific group of people or is it a generalized insult? If the latter, it's probably not hate speech.

2. Can it potentially be used with malicious intent? If not, it's probably not hate speech.

3. Are there objective third-party sources online which can be used as citations? If not, it's probably not hate speech.

4. If you were to write a program which monitors hate speech on Twitter, would finding it in a random tweet be potentially meaningful? If not, it's probably not hate speech.

1. Milaza vondron'olona manokana ve sa fanevatevana ankapobeny ve ilay izy? Raha ity farany ity, dia mety tsy ho resa-pankahalàna.

2. Azo nampiasaina ho amin'ny fikasan-dratsy ve ilay izy? Raha tsia, dia mety tsy ho resa-pankahalàna.

3. Ahitana loharanom-baovao antserasera tsy mitanila avy amin'ny olon-kafa ary azo ampiasaina ho fanatsongan-teny ve? Raha tsia, mety tsy ho resa-pankahalàna.

4. Raha eo ampanoratana fandaharana (laminasa) manara-maso resa-pahankalàna ao amin'ny Twitter ianao, mety hisy dikany ve ny mahita izany kisendrasendra ao anaty sioka? Raha tsia, dia mety tsy ho resa-pankahalàna.

Raha mila fanampim-baovao ianao, vakio ny momba ny asan'izy ireo ao amin'ny The Sentinel Project na araho ao amin'ny Twitter @hatebase_org izy ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.