Nalaina An-keriny Tamin'ny Herintaona, Manasongadina Ny Fanitsakitsahana Ny Zon'Olombelona Ao Laos Ny Raharahan'i Sombath Somphone

Protest in front of Laos embassy in Bangkok. Photo from Facebook page of Joey Oliveros Dimaandal.

Fihetsiketsehana teo anoloan'ny masoivohon'i Laos ao Bangkok. Sary tao amin'ny pejy Facebookn'i Joey Oliveros Dimaandal.

Herintaona katroka izay no nalain’olon-tsy fantatra i Sombath Somphone, mpahay toekarena momba ny fampandrosoana sady mpampianatra avy ao Laos, fotoana fohy taorian'ny fiaran'ny polisy nanakana azy. Azo sary tamin'ny alalan'ny fakàntsary fanaraha-maso CCTV ny fanjavonany. Nangataka tamin'ny governemantan'i Laos androany ny fianakaviany sy ireo namany manerantany mba hanao hetsika mivaingana hahitàna an'i Sombath.

Herintaona androany 15 desambra ny fakàna ankeriny imasombahoaka an'i Sombath izay hita tamin'ny fakàntsary fanaharaha-maso. Nahoana no mbola tsy manam-baovao omena anay ny governemantan'i Lao hatramin'izao?

Mampiseho polisy nanakana azy ny fakàntsary fanaraha-maso kanefa mitsipaka ny fandraisana anjara amin'ny fampanjavonana azy ny governemanta na dia eo aza ny fanerena iraisam-pirenena

Miampanga ny governemantan'i Laos ho manafin-javatra mikasika ity raharaha ity ny Vondrona Mpiaro ny firaisankinan'ny vahoakan'i Azia:

We hold the government of Lao accountable for his enforced disappearance. The inconsistencies in the Lao government's policy pronouncements over his case prove our point that it has something to do with what happened to Sombath Somphone. We challenge Lao officials to, once and for all, provide a credible action and resolution on his case. It must prosecute individuals and institutions responsible for his enforced disappearance.

Tazoninay ho tompon'andraikitra tamin'ny fampanjavonana azy ny governemanta. Ny fisafotofotoan'ny fanambarana politika nataon'ny governemanta mikasika ity raharaha ity dia manaporofo ny fijerinay fa misy ifandraisany amin'izay zava-nitranga tamin'i Sombath Somphone izany. Mifanamby amin'ireo manampahefanan'i Lao izahay, amin'ity indray mandeha ity ihany, mba hanao hetsika sy fandraisana andraikitra azo itokisana amin'ity raharaha ity. Tokony hanenjika ireo olona sy andrim-panjakana izay tompon'andraikitra tamin'ny fampanjavonana azy ny governemanta

Nolavin'ny  governemantan'i Laos ny filazana fa voasaringotra tamin'ny fanjavonan'i Sombath izy.

Nanazava i Nalaka Gunawardene fa tsy mpikatroka i Sombath:

Sombath isn’t a politician. Nor is he an activist, although some have given him that label. The Sombath I know is a sensitive thinker who pauses to reflect on where his country and the world are headed. He is also a teacher and mentor who has helped thousands of young Lao nationals to improve skills and find their own voice.

Tsy mpanao politika i Sombath. Ary tsy mpikatroka ihany koa izy, na dia misy aza ireo manome azy izany mari-pamantarana izany. I Sombath fantatro dia mpihevitra mora tohina izay maka fotoana mandinika hoe mitodika mankaiza ny fitondrana ny fireneny sy izao tontolo izao. Mpampianatra sy mpanolo-tsaina ihany koa izy izay nanampy olom-pirenena tanora an'arivony olom-pirenena Laos mba hanatsara ny fahaizan'izy ireo avy sy hahitan'izy ireo ny feony manokana.

Tamin'ny fanamarihana tao amin'ny Facebook, nampanantena an'i Sombath i Anne-Sophie fa hotohizan'ireo namany ny fiarovana [fisoloam-bava] mandra-pahita azy:

Someone said that “the one who has been killed dies once, the disappeared dies again everyday”. We refuse to let this happen. This is why we are starting this discussion with you today. And this discussion will continue, everyday, to keep you alive. Your engagement has been a lot about giving voice to the people. It is time for others to give you a voice. Silence will not prevail. Because we will never forget. Because we keep hoping.

Hoy izay olona izay nilaza fa «izay namoy ny ainy dia maty indray mandeha ihany, maty isan'andro foana kosa izay nanjavona”. Tsy ekenay ny hisehoan'izany indray. Izany no mahatonga anay manomboka izao resaka izao aminao androany. Ary hitohy izany adihevitra izany, isan'andro, mba ho velona ianao. Maro ny vitanao tamin'ny fanomezana fitenenana hoan'ny vahoaka tamin'ny firotsahanao an-tsehatra. Fotoana hoan'ny hafa izao mba hanomezana fitenenana ho anao. Tsy hanjaka ny fahanginana. Satria tsy hanadino mihitsy izahay. Satria manana fanantenana izahay.

Fihetsiketsehana Miverena Sombath Somphone manoloana ny masoivohon'i Laos

Herintaona izay taorian'ny fampanjavonana nihatra tamin'i Sombath Somphone.

Nandritra izany, fikambanana tsy miankina 62 ao Azia-Pasifika no nanasonia fanambarana mandrisika ny governemantan'i Laos mba hanangana andry vaovao hanao famotorana momba ny fanjavonanan'i Sombath:

Establish a new commission tasked with carrying out a prompt, thorough, independent, and impartial investigation into Sombath’s enforced disappearance and return him safely to his family.

Extend an invitation for a country visit by the UN Working Group on Enforced and Involuntary Disappearances
Sombath’s whereabouts remain unknown and there has been no progress in the investigation into the circumstances of his enforced disappearance. In addition, the authorities have rejected offers of technical assistance to analyze the CCTV footage.

Atsangano ny vaomiera vaovao hisahana fanaovana famotorana haingana, lalina, mahaleotena, ary tsy mitanila mikasika ny fampanjavonana an'i Sombath ary hamerina azy salama tsara eny anivon'ny fianakaviany.

Mandefasa fanasana hoan'ny Vondron'asan'ny Firenena Mikambana Misahana ny Fanjavonana sy ny Fampanjavonana mba hitsidika ny firenena
Mbola tsy fantatra izay toerana misy an'i Sombath ary tsy misy fivoarana ny fizotry ny famotorana mikasika ny toe-draharaha tamin'ny fampanjavonana azy. Fanampin'izany, nolavin'ireo manampahefana ny fanolorana fanampiana ara-teknika mba hanadihadiana ilay fakàntsary fanaraha-maso.

Manantena i Rajaretnam fa hangataka fanampim-balinteny marobe avy amin'ny governemantan'i Laos ny Fikambanan'ny Firenena Azia Atsimo na ASEAN:

After a year of silence, the disclosure should be treated as an opportunity to seek redress for Mr Sombath. If Sombath Somphone can disappear in broad daylight, it can happen to anyone. Asean governments and their stakeholders, in the name of human decency, have the right to clear answers from the Lao leadership.

Taorian'ny herintaona nanginana, tokony horaisina ho fanararaotana hahazoana fanonerana ho an'i Sombath ity fanambarana ity. Raha afaka nanjavona tao anatin'ny andro mazava i Sombath Somphone, dia mety hahazo na iza na iza izany. Amin'ny anaran'ny fahamendrehana maha-olombelona, manan-jò hahazo valinteny mazava avy amin'ny fitondran'i Lao ny governemantan'ny ASEAN sy ny mpiray miombon'antoka aminy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.