Nanokatra Ny Petra-Bola An-tSerasera Ho An'ny Rehetra Ny Goavan'ny Aterineto Shinoa Alibaba Sy Baidu

Screen capture from Yu'E Bao's homepage. It's banner showing a happy man growing money from the tree.

Pikantsary avy amin'ny pejy fandraisana an'ny Yu'E Bao. Mampiseho lehilahy falifaly mampitombo vola eo amin'ny hazo ny sary.

 

Sambany ireo Goavan'ny aterineto ao Shina no mihantsy ny sehatr'asa ara-bolan'ny firenena, izay bahanan'ny bankim-panjakana izay zatra mitodika kokoa amin'ireo orinasa lehibe toy izay mitodika amin'ny orinasa madinika sy ny olo-tsotra tsirairay. Malaza eo amin'ny olona ny vokatra fametraham-bola an-tserasera ataon'ireo goavan'ny aterineto ireto.

Nahitam-pahombiazana tsy voafehy tamin'ireo Shinoa mpampiasa vola ny fidiran'ireo orinasa tahaka an'i Alibaba , Baidu sy Tencent vao haingana teo amin'ny tsenam-bola amin'ny alalan'ny fanomezana tolotra mitovy amin'ny Trano fametraham-bola.

Nanokatra lalana amin'ny fanokafana tamin'ny jona 2013 ny sampan'orinasany misahana ny fametraham-bola antsoina hoe Yu'e Bao, izay midika hoe “harena ambony ampanga” ka mikambana ao amin'ny Alipay ilay orinasa e-varotra  goavana indrindra antsoina hoe Alibaba. Ny Alipay, habaka fanakalozam-bola sy fividianan'entana mitovy amin'ny PayPal, dia mamela ny mpikambana ao aminy miisa 800 tapitrisa hampiasa mivantana ny vola ananany ao amin'ny habaka ho lasa petra-bola, ka hahazoana zanabola 3 na 4 isan-jato isan-taona ary azo sintonina amin'ny fotoana tianao hakana azy ny vola. Tamin'ny datin'ny 14 Novambra, nahangona vola 16,4 miliara dolara ny Yu'e Bao ka lasa petra-bola goavana indrindra ao Shina.

Noho ny fahombiazana goavan'ny Yu'E Bao, nirotsaka an-tsehatra ihany koa ny orinasaShinoa hafa. Baidu, mili-pikarohana amin'ny alalan'ny aterineto sy mpitahiry votoaty lehibe indrindra ao Shina, nandefa ny foibe ara-bolan'ny Baidu tamin'ny 28 Oktobra ary nahatratra ny iray miliara yuan ambony indrindra ekena (164,3 tapitrisa dolara amerikanamillion US dollars) araka ny lalàna Shinoa tao anatin'ny dimy ora tao anatin'ny indray andro.

Ny WeChat moa dia efa tantaram-pahombiazana ao Shina amin'ny maha-fampiharana finday fandefasan-kafatra azy, ary hanitatra ny ambaindainy hihoatra ny tontolon'ny fifandraisana amin'ny finday avo lenta ny tompon'ny Tencent ka hahatonga azy ho sehatry ny servisy ara-bola. Hisy rafitra fametraham-bola hapetraka ao amin'ny WeChat amin'ny tapaky ny volana Desambra. Io rafitra io no hamela ny mpisera hampifandray ny karatra fisintonam-bolan'ny banky amin'ny kaontiny WeChat, hahafahan'izy ireo mametra-bola amin'ny alalan'ny TenPay, rafitra fandoavam-bolan'ny Tencent.

Nitehatehaka tamin'ity fironana vaovao ity ny mpiseran'ilay tranonkalan'ny famahanam-bilaogy madinika Shinoa malaza Sina Weibo, toa an'i  “Sipakely Masiaka Lehibe Amin'ny Finansa” (@资深金融小邪女), izay miasa eo amin'ny sehatra ara-bola:

资深金融小邪女:小邪女为啥支持余额宝?因为这是草根阶层的福祉之一。一些金融机构,开始怂恿监管机构研究如何‘收拾’余额宝了。当然,监管机构也不是傻瓜。这些金融机构,甚至开始动用舆论、大V等等,展开对余额宝的攻击。尼玛,羡慕嫉妒恨,要靠真本领啊!让那些抱残守缺者,靠打压和垄断获得生存者,去死吧!

Nahoana aho no manohana ny Yu’E Bao? satria manome tombondahiny ho an'ny eny amin'ny fototra izy. Misy ireo sampan-draharahan'ny toe-bola (finance) sasantsasany no mandresy lahatra ny mpandamina hanafay ny Yu’E Bao ary mampiasa ny fanehoakevi-bahoaka sy ny kaontin'olo-malaza ao amin'ny Weibo hanafika azy. Mitsiriritra ry zareo, mialona sy mankahala ny fahombiazan'i Yu’E Bao. Miala ireo mpandala ny mahazatra izay mifototra amin'ny ampihimamba sy mamotika ny mpifaninana no antom-pisian'izy ireo !

Sun Siyuan, mpanangom-baovao momba ny toe-bola, mino fa ho lohalaharana eo amin'ny sokajin'asan'ny fampiasam-bola an-tserasera eo amin'ny resaka toe-bola i Shina:

前几天和几个华尔街资深从业者聊当下在国内很火的互联网金融,但遗憾大家都未听说这个概念。华尔街大型金融机构的”高富帅”早已分配好利益格局,怎肯让搞互联网的”屌丝”动这块蛋糕?美国对于金融的严厉监管也很难让天马行空的互联网有什么大作为,但国内监管的刻意滞后让中国有机会弯道超车美国,期待!

Nifampiresaka tamin'ireo maintimolalin'ny toebolan'i Wall Street maro aho andro vitsivitsy lasa izay momba ny fivoarana mafanan'ny toebolan'ny aterineto ao Shina, saingy indrisy fa tsy mbola nandre izany fomban-kevitra izany ry zareo. Ny fanarahamaso akaiky ataon'i Amerika amin'ny tsenam-bola no manasarotra ny orinasan'ny aterineto hanao zavatra goavana eo amin'ity sehatra ity. Ny lalàna henjana eo amin'ny asam-pampiasambola ao Etazonia ihany koa dia manasarotra ho an'ny aterineto ny hampivoatra ny sokajin'asan'ny [fampiasam-bola an-tserasera]. Nefa ny any Shina, noho ny fahasamihafana eo amin'ny lalàna, dia mety hisongona an'i Etazonia i Shina [eo amin'ny sokajin'asan'ny fampiasambola an-tserasera].

“Misidina avo 1985″ (@展翅高飞1985), mpisera Weibo tsotra, manoritsoritra ny fanaony an-tserasera isan'andro mifandraika amin'ny servisin'ny Alibaba:

呃。。。每天必做的事情之三:到@淘宝网 首页领淘金币,到@支付宝 查看余额宝收益,到@百度理财 看百赚收益!我是一个感恩和知足的人!

Zavatra telo tsy maintsy atao isan'andro: mandeha ao amin'ny Taobao.com handraisana ‘vola volamena’; mandeha ao amin'ny Alipay hijery ny tombombarotr'i Yu’E Bao; mandeha ao amin'ny Toe-bola Baidu hanamarina ny tombombarotra azo.

Saingy mbola misalasala ny sasany. Niteny ny mpisera Weibo “Mpijery aterineto sy mpanao fikarohana” (@互联网观察与研究员) :

余额宝的‘暴富’只能说明中国的金融市场有多么初级和原始。

Ny fiakaran-karenan'ny Yu’E Bao tampoka dia mitaratra ny mahanatiora ntaolo ny tsenambolan'i Shina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.