Nizeria: Hampangiana Ny Kiana Sa Hiady Amin'ny Heloka Bevava Ety Anaty Aterineto?

Nigerian Naira. Photo by Shardayyy via Flickr (CC BY 2.0)

Ny vola Naira Nizeriana. Sary an'i Shardayyy tao amin'ny Flickr (CC BY 2.0)

Manapa-kevitra mikasika tolo-dalàna marobe mikendry hiady amin'ny heloka bevava atao anaty aterineto ireo Nizeriana mpanao lalàna — nefa afaka hampangiana ireo kiana atao ny governemanta eny ampandehanana eny.

“Lalàna Iray Mikendry Ny Handràra Ny Fanaovana Hosoka Elektronika Amin'ny Fifanakalozana Elektronika Rehetra Ao Nizeria Sy Ny Raharaha Rehetra Mifandraika Amin'izany” [SB198, Taona: 2008] natao hikendrena ireo kazarana endrika samihafan'ny hosoka sy heloka bevava ara-bola atao ety anaty aterineto na amin'ny alàlan'ny telefona finday. Tany am-piandohany, raha notohanan'i Ayo Arise, loholon'ny Antenimieram-Pirenena faha-6 ao Nizeria, ny drafitra fototr'ilay tolo-dalàna dia nilaza famonjàna fotoana maharitra (dimy hatramin'ny 14 taona) ho an'ireo tsy manaraka ny lalàna.

Ny vaovao manohana ilay tolo-dalàna ankehtriny dia ny Loholona Sefiu Adegbenga Kaka avy amin'ny Antenimieram-Pirenena faha-7, izay nanome toky fa hanakantsana “ireo andininy rehetra tsy azo ekena ao anatin'ilay tolo-dalàna natolotra.”

Ireo fandraràna ao anatin'io tolo-dalàna mikasika ny hosoka elektronika dia saiky voafaritra sy maharakotra ireo hetsika rehetra, miainga amin'ny fidirana amin'ireo fitaovana elektronika  “tsy nahazoana alàlana” ka hatramin'ny “fitrandrahana tsy ara-dalàna ny tenimiafina” :

Fandraràna ny hosoka elektronika

(1) Manomboka amin'ny fanombohan'ity Lalàna ity, tsy misy olona na vondron'olona afaka:

  1. Hiditra tsy nahazo alàlana amin'ny solosaina iray (na) sy fitaovana elektronika hafa na raha toa ka nahazo alàlana, hihoatra ny fahazoan-dàlana nomena ho amin'ilay solosaina na fitaovan-tserasera hafa;
  2. hampiasa fitaovana hosoka mba ho fidirana;
  3. hampiasa fitaovam-pidirana voaràra;
  4. hitazona izay mety ho fitaovana natao hikirakiràna karatra fifampiraharahana ara-bola na ATM;
  5. hanimba solosain'ny governemanta miaraka amin'ny fikasàna hanao hosoka;
  6. hiditra aminà solosaina sy/na fitaovana hafa mba hanaovana asam-pitsikilovana:
  7. hitrandraka tsy ara-dalàna ny tenimiafin'ireo toerana mpikirakira vola an'ny fanjakana, na tsy miankina na fitaovana hafa elektronika natao ho amin'izany;
  8. hitrandraka tsy ara-dalana ny tenimiafina na ny tahakahaka izany mba hahafahana miditra tsy nahazo alàlana amin'ny solosaina iray miaraka amin'ny fikasàna hanao hosoka, handika ny tranonkalan'ireo mpikirakira vola, ny mailaky ny mpanjifa miaraka amin'ny fikasàna hanao hosoka amin'ireo mpanjifa sy ny toerana fikirakirana vola; ary
  9. hanao fanahy iniana mamorona ‘virus’ hanimba ny solosain'ny governemanta

(2) na iza na iza  tsy manaraka ireo andininy voalaza etsy ambony ireo dia hoampangaina ho nanitsakitsaka ny lalàna ary hosaziana 7 taona am-ponja na lamandy 5 tapitrisa Naira, na izy roa miaraka.

Ity andàlana ao amin'ilay tolo-dalàna ity, izay naneho ny haromotan'ireo mpisera anaty aterineto, dia miresaka ny vaovao “diso” :

Toko faha 16 (3): Na iza na iza minia manely vaovao diso mety hanohintohina ny filaminam-pirenena na mety hitarika ny vahoaka hanenjika ny governemanta amin'ny alàlan'ny hafatra elektronika dia hohelohina ho nanao heloka bevava ary ny sazy havoaka dia mety ho famonjàna 7 taona na lamandy 5 tapitrisa Naira na izy roa mitambatra.

Tsy misy isalasalana fa ity toko ao anatin'ilay lalàna ity dia mety ho ampiasaina hamadihana ho heloka ireo kabary, fiantsoana fihetsiketsehana, na endrika hafanam-po politika hafa. Kanefa, ny sasany amin'ireo mpikambana manana ny lanjany ao anatin'ny vondrompiarahamonin'ireo goavana amin'ny sehatry ny teknolojia no mahita zavatra tsara ao anatin'ilay fepetra. Blossom Nnodim, mpanorina ny tetikasa fandraharahana sy media sosialy AdoptATweep, dia mihevitra fa teny manan-danja manokan'ilay tolo-dalàna ny hoe “vaovao diso”. Mino i Nnolim fa raha lolohavina an-tampon'ny loha ny fahalalahana maneho hevitra, tsy maintsy misy fandrindràna/fepetra handraràna ny fanalàm-baraka sy ny fanelezana vaovao diso.

Mety natao hanakanana ny fivoahan'ireo antontan-drakitra efa nampirimina toy ny tamin'ny endriny Snowden ity tolo-dalàna ity, miaraka amin'ireto sazy manaraka ireto :

Fitsabahana anaty solosaina nasiam-piarovana

9. Hatrany amboalohan'ity Lalàna ity, na iza na iza olona niasa ho an'ny/nampiasain'ny Governemantam-Paritra, Foibe na Federaly tao Nizeria ka nanam-pahafahana niditra taminà solosaina nasiam-piarovana, mailaka eletronika ary manao hetsika tsy nahazoany alàlana mifanaraka amin'ny fifanarahan'asa nifanaovany, na nikasa tsotra izao hamela ny fitsabatsabahana anatin'izany solosaina izany, dia hoampangaina ho nanao heloka ary hosaziana fampidirana am-ponja mandritra ny telo taona.

Fandraisana hafatra elektronika

11. Na iza na iza olona na fikambanana mampiasa hosoka mba hampidirana ny governemanta na izay olona natao hiandraikitra ireo fitaovana elektronika ho anaty fahadisoana hanomezana azy hafatra elektronika, ka tafiditra anatin'io ny mailaka saingy tsy voafetra ho izay ihany, angona mikasika ny karatra fisintonam-bola, fax tsy nalefa mivantana ho azy na ny fikambanany (amin'ity tranga farany ity dia omena alàlana izy handray ny hafatra ho an'ny/eo amin'ny toeran'ny fikambanana misy azy) dia hoampangaina ho nanao antsirambina ny asany ary hiharan'ny sazy famonjana roa taona na lamandy tsy mihoatra ny 1 tapitrisa Naira na izy roa mitambatra.

Nahasarika ny sain'ny Global Voices i Gbenga Sesan, Tale mpanatanteraky ny Paradigm Initiative Nigeria, mikasika izay nofaritany ho loza goavana mananontanona ny fahalalahan'ny aterineto ao Nizeria — ny Cyber Crime Bill (2013) / Tolo-dalàna hiadiana amin'ny heloka bevava anaty aterineto — izay ao amin'ny Antenimieram-Pirenena amin'izao fotoana izao.

Fa nahoana ilay tolo-dalàna hiadiana amin'ny heloka bevava anaty aterineto no horohoro ho an'ny fahalalahana maneho hevitra? Manazava i Sesan :

Nandalo drafitra isan-karazany ilay tolo-dalàna vaovao hiadiana amin'ny heloka bevava anaty aterineto (2013) , isan'ireny ny nahafantarana azy tamin'ny hoe Cyber-Security Bill (2011) tamin'izany fotoana. Samy nankato ilay tolo-dalàna na ny … miandry azy ity… Filankevi-Piarovam-Pirenena na ny Ministeran'ny Fitsarana. Misy firesahana zavatra vitsivitsy ao anatiny, toy ny fananan'ny mpitandro filaminana fahefana hitazona ireo fitaovana, miainga avy amin'ny ahiahy azon'ny saina ekena, nefa nohatsaraina izy io mba hampidirana ny filàna didim-pitsaràna. Ny olana amin'io ao anatin'ny zava-misy Nizeriana dia mora azo loatra ny didim-pitsarana hatramin'ny tsy nanan'ireo mpikatroka mafàna fo na ireo olon-tsotra mpampiasa aterineto fitokisana azy io intsony. Raha ny marina, misy sangy ratsy ho an'ny rantsana mpanao lalàna Nizeriana milaza hoe , “ny mpanankarena votsotra, ny mahantra potsitra (any ampigadràna).”

Tahotr'i Sesan ny hitongilanan'ilay tolo-dalàna ho any amin'ny mizànan'ireo masoivoho fitandroana filaminana ary mety ho ampiasaina hikendrena ireo feo mpanakiana ety anaty aterineto. Na izany aza anefa, ahiahiany izy ity ho mbola mety hiafara eo ambony vilian'ny fifidianana izay efa tsy lavitra intsony amin'ny 2015.

Tsy sambany akory i Nizeria no tratry ny savaravina toy ity mikasika ny fametrahana politika faneriterena mifandray amin'ny resaka aterineto. Ny Jolay 2012, efa notaterinay teto ireo fitakiana avy amin'ny Filohan'ny Loholona Nizeriana hametrahana sivana amin'ny media sosialy. Tany ampiandohan'ity taona ity, nojerenay ireo drafitry ny governemanta hanao asa goavana ho fanaraha-maso ny aterineto amin'ny fampiasàna rindrambaiko novidiany tamin'ny Elbit Systems, orinasa Israeliana

 

fanavaozana [11 Desambra 2013] 

Niondrika teo anoloan'ireo fanakianan'ny olona ary namafa ilay andàlana nampitroatra tao anatin'ilay tolo-dalàna ny Loholona Nizeriana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.