Tia Volamena i India. Koa Nahoana i Rima Kallingal Mpilalao Sarimihetsika No Nanorin-tokantrano Tsy Niravaka Azy io ?

Earlier this year price of Gold fell considerably in India prompting people in large number to rush to Shops to buy Gold. Image by Sanjoy Karmakar. Copyright Demotix (18/4/2013)

Nidina be tokoa ny vidin'ny volamena tao India tany am-piandohan'ity taona ity, nahatonga ny olona maro hihazakazaka ho any amin'ireo trano fivarotana mba hividy ity metaly sarobidy ity. Sary an'i Sanjoy Karmakar. Fizakàmanana Demotix (18/4/2013)

Tendan-kanina tsy nisy toa azy ny fanjakan'i Kerala, faritra atsimo-andrefan'i India raha volamena no resahana. Nomen'ny New York Times anaram-petaka hoe “firenen'ny volamena” tamin'ny taona lasa, tsy misy afa-tsy 3 isan-jaton'ny mponina any India no ao aminy, saingy isan-taona dia manjifa ny 20 isanjaton'ny volamena ao amin'ny firenena. Ao Kerala no hita ny sasany amin'ireo toerana lehibe indrindra fampirantiana volamena any Azia. Araka ny fomban-drazany dia fahànana tantely miharo vovo-bolamena ny zaza vao teraka. Rakofana volamena hatrany an-tampon-doha ka hatrany an-tongotra ireo vehivavy vao hanorin-tokantrano.

Izany no antony nahatonga an'ilay mpilalao sarimihetsika Indiana, Rima Kallingal, avy ao Kerala,  niteraka onjan-kevitra tsy elaakory izao rehefa nanorin-tokantrano tamin'ny fomba tsotra tsy nisy an'ity metaly sarobidy ity. Fony tamin'ny fotoana izay matetika ireo kintana namany no miseho ho toy ny masoivohon'ireo trano fivarotana volamena, niteraka fanambaràna ny fanapahan-keviny.

Nanazava ny làlan-kevitra narahany izy tao amin'ny Facebook:

പ്രിയരെ, നവംബർ ഒന്നാം തിയതി, കേരളപിറവി ദിനത്തിൽ ഞങ്ങൾ വിവാഹിതരാവുന്ന വിവരം സസന്തോഷം അറിയിക്കട്ടെ. ഞങളുടെ മാതാപിതാക്കളുടെയും സുഹൃത്തുക്കളുടെയും സാനിദ്ധ്യത്തിൽ എറണകുളം കാക്കനാട് രെജിസ്ട്രാർ ഓഫീസിൽ ഒരു രജിസ്റ്റർ വിവാഹത്തിൽ ഒതുങ്ങും ചടങ്ങുകൾ. ബന്ധുക്കളേയും, സഹപ്രവർത്തകരെയും, സുഹൃത്തുക്കളേയും, മാധ്യമപ്രവർത്തകരേയും ക്ഷണിച്ച് വിരുന്ന് നൽകേണ്ട നാട്ടുനടപ്പുണ്ട് എങ്കിലും, തല്ക്കാലം ആ ചിലവുകൾ ഒഴിവാക്കി നിങ്ങളുടെ എല്ലാവരുടെയും പേരിൽ വിവാഹ ചിലവുകൾകായുള്ള പണം എറണകുളം സർകാർ ആശുപത്രിയിൽ അർബുദ രോഗത്തോടു മല്ലിടുന്ന സാധാരണക്കാരായ രോഗികളുടെ ചികിത്സക് വേണ്ടി കൊടുക്കുകയാണ്. ഈ തുക ഞങളുടെ രണ്ടുപേരുടെയും സിനിമയിൽ നിന്നുള്ള വരുമാനമാണ്‌. എല്ലാവരുടെയും സ്നേഹത്തിനും പിന്തുണക്കും നന്ദി പറയന്നു. എം പി. പി രാജീവിനോടും, എറണകുളം ജനറൽ ആശുപത്രിയിലെ ഡോക്റെര്മാരോടും, അതോടൊപ്പം ഞങളുടെ മനസറിഞ്ഞ് കൂടെ നിന്ന മാതാപിതാക്കളോടും സുഹൃത്തുക്കളോടും പ്രത്യേകം നന്ദി അറിയിക്കുന്നു.

സ്നേഹത്തോടെ -
റിമ കല്ലിങ്കൽ, ആഷിഖ് അബു

Actress Rima Kallingal. Image via WIkimedia Commons. CC BY-SA

Rima Kallingal, mpilalao sarimihetsika. Sary tao amin'ny Wikimedia Commons. CC BY-SA

Androany, raha velona teo ny renibeko, dia mety ho faly nahita ahy nampakarina, saingy amin'izay fotoana izay dia sady ho vaky fo mahita ahy tsy miravaka volamena hatrany an-tampon-doha hatrany an-tongotra! Efa hatry ny aho mbola kely no fantatro fa tsy tiako ny hitondra volamena betsaka izany amin'ny andro hampakàrana ahy… Noho ny resaka endrika amam-bika…

Fa rehefa nitombo aho, nitombo nihamafy arakaraky ny dingana nizorako ihany koa ilay fahatsapàna, ary androany rehefa hanorin-tokantrano aho, tiako ny hampiasa ity fiainana mahafinaritra ananako ity sy ity sehatra mahasondrina izay nomen'ny sarimihetsika ahy ity mba handefasako ny fifidianako mafonja ny fanoherana ny rafitra fampanarahana harena ny vehivavy hanorina tokantrano, izay narahantsika tamin-kenatra sy tamim-pahanginana, ary ny hafatro dia atolotro ho an'ireo ray aman-dreny an-tapitrisa nandany ny harin-dry zareo nandritry ny androm-piainany mba ho an'ny raharaham-panambadian'ny zanany!

Androany, tsy hitondra aho na dia volamena iray grama aza 🙂

Ny tantara elan'i Kerala sy ny volamena

Noraketin'ny tantara daholo ny fihazakazahan'ireo sivilizasiona sy kolontsaina samihafa ho any amin'ny volamena. Ireo Farao, mpanjaka, amperora sy ireo nantsoina hoe 49 tany Amerka Andrefana dia samy nahalàla ny tsiron'ity metaly sarobidy ity daholo

Ny fitiavana volamena ho an'i India dia mihoatra lavitra noho ny resaka fampiasam-bola. Manana zoro ara-pihetseham-po, kolontsaina, fivavahana ary sosialy sy toekarena io. Efa tany amin'ny 4000 taona tany raha ny fitiavan'i India an'ity metaly mavo ity fony nampiditra ny volamena ho ao anatin'ny firavaka ireo olona tao amin'ny lemaka Indus. Manana tantaranà fihoirana mba ho velona ihany koa io; zavatra iray tahirizin'ny olona hatao aro riaka ny volamena ary azo afindra mora foana tsy ilàna antontan-taratasy maro any amin'ny birao. An-tapitrsa ireo olona ao India no nirotsaka amin'ny fandraharahana na fametrahana ny volamenany amin-javatra tsara antoka.

Mamàka lalina ny fifamatoran'ny olona amin'ilay metaly mavo. Raha tsy noho ny volamena, dia mety ho ratsy lavitra noho izao no misy an'ireo Indiana salantsàlany tao anatin'ny tantara. Izany no antony mbola mampatanjaka hatrany ny tantaran'i Nirupama, ankizivavy kely 9 taona izay nahafoy ny volamenany rehetra ho an'ny tombontsoan'ny ady natao hahazoana fahaleovantena nifanaovana tamin'ireo Britanika tamin'ny 1934 fony i India mbola teo ambany vahohon'ny mpanjanaka

Nanomboka tamin'ny vanim-potoana nanakalozan'ireo Romana ny volamena tamin'ny hanitra fanao amin'ny sakafo ny tantaran'i Kerala sy ny volamena. Amin'izao fotoana, olona maherin'ny 200.000 ao Kerala no miasa ao anatin'ny indostrian'ny volamena, ary voalaza fa manana mpaninjara maherin'ny 500 izy.

Ny sasany amin'ireo porofo hita maso amin'ity fimatimatesana amin'ny volamena ity no azo jerena rehefa fotoana fampakaram-bady, izay itondran'ireo ampakarina betsaka tokoa amin'ity metaly sarobidy ity, zary efa mahazatra ny mahita hoe ny lanjany fotsiny dia efa hampanahirana ny famindra milanto

‘Tsy volamena ihany akory ny fampanarahana harena ny mpanorin-tokantrano’

Na dia tsy araka ny lalàna aza izy io, ny fampanarahana harena (harena avy amin'ny fianakavian-dravehivavy afindra mankany amin'ny fianakavian-dralehilahy) dia tsy zava-miavaka amin'ny fiainana ao Kerala, na dia tsy ilaina loatra ho isan'ny fomba aman-panao amin'ity fampanarahana harena ity aza ny fampitafiana volamena ny vehivavy hanorin-tokantrano amin'ny andro fampakarana azy ireny. Miaraka amin'ny fitomboan'ireo herisetra mifandray amin'ny fampanarahana harena sy ny fahafatesana tao India nandritry ny folo taona farany, zavatra izay mampiasa loha izao ny amin'ireo fomban-drazana

Marobe ireo mpampiasa media sosialy no faly tamin'ny fanapahan-kevitr'i Rima Kallingal, ilay mpilalao sarimihetsika, tsy hitafy volamena mandritry ny fampakarambadiny ho toy ny fanambaràna fanoherana ny rafitra fampanarahana harena

Siya Siyaa, vehivavy iray monina ao Dubai, dia niteny fa hanandrana hampita ny soatoavin'i Kallingal amin'ireo taranany :

tiako ianao reema… raha tamin'izao fotoana (aho no nanorin-tokantrano) mety nizotra tamin'izao làlana izao koa .. ankehitriny azoko atao ny manandrana mampiditra ireo fomba fijrey ireo hiampita amin'ireo naloaky ny kiboko… 🙂

Nisaintsaina tao amin'ny bilaoginy i Blogan mikasika izay antony tsy nanomezan'ny media lanja loatra an'ilay mpilalao sarimihetsika amin'ity resaka ity :

ഒരു ജനതയുടെ സ്വര്‍ണ്ണ ഭ്രമത്തെ ഒരു പെണ്ണ് സ്വന്തം വിവാഹം കൊണ്ട് വെല്ലുവിളിച്ചപ്പോള്‍ അത് ചര്‍ച്ച ചെയ്യാന്‍, ഇരുണ്ട ‘സ്വര്‍ണ്ണ മനസ്സുകളിലേക്ക്’ ഒരു നുറുങ്ങുവെട്ടമെങ്കിലും പകരാന്‍ അവസരം വന്നപ്പോള്‍ ‘സാമൂഹ്യ പ്രതിബദ്ധത’ മുഖ മുദ്രയാക്കി എഴുതിച്ചേര്‍ത്ത മാധ്യമ പന്നന്‍മാരൊന്നും മുന്നോട്ട് വന്നില്ല , 

അരക്ക് താഴേക്ക് അഭിരമിക്കാന്‍ ഒന്നുമില്ലാത്ത സ്ത്രീവിഷയങ്ങള്‍ ആര്‍ക്കുവേണം?
സഞ്ചരിക്കുന്ന ജ്വല്ലറികളായിക്കൊണ്ട് കല്യാണ മണ്ഡപത്തിലേക്ക് കയറിയ ചില നടിമാരുടെ വിവാഹങ്ങള്‍ ഇതേ മാധ്യമങ്ങള്‍ ആര്‍ഭാടമാക്കിയിരുന്നു എന്നുകൂടി ഓര്‍ക്കുക. 

Filazana ho kolontsaina adala fihazakazahana ho amin'ny volamena tokony hahamenatra izay tsy nomenay lanja loatra no toerana noraisin'i Rima, ary tsy nisahirana velively hiresaka an'izany ny media noho izy ireo rahateo mbola mirarak'ivy amin'ny fampakaram-bady mipoapoaka ataon'ireo mpanankarena sy olo-malaza. Rehefa resahana mandra-maty tsirairay ny trangam-panararaotana ara-nofo, tsy nomena toerana halefa amin'ny fampielezam-baovao kosa ny fihetsika goavana nataonà vehivavy iray tahaka izany

Bilaogera iray fantatra amin'ny hoe Film Critic no nanoratra hoe :

കല്യാണ ദിവസം തിരഞ്ഞെടുക്കുന്ന കാര്യം തൊട്ട് ആഷിക് – റീമ ജോടികള്‍ മലയാളിത്തവും , ലാളിത്യവും ഒരുപോലെ കാത്തുസൂക്ഷിച്ചു . എല്ലാ മതസ്ഥരും രഹസ്യമായി നാളും , മുഹൂര്‍ത്തവും നോക്കുന്ന ഇക്കാലത്ത് , മലയാളിത്തവും , കേരളീയതയും വാചകക്കസര്‍ത്തുകള്‍ മാത്രമാകുന്ന ഇക്കാലത്ത് , കേരളപ്പിറവി ദിനത്തില്‍ മുഹൂര്‍ത്തത്തിന്‍റെ തീട്ടൂരങ്ങളില്ലാതെ രണ്ടു റോസാപുഷ്പാലംകൃതമായ മാലകള്‍ പരസ്പരം അണിയിച്ച് ലളിതമായി അവര്‍ വിവാഹിതരായപ്പോള്‍ കാലാകാലങ്ങളായി നിലനില്‍ക്കുന്ന പല മാമൂലുകളും തകര്‍ന്നു വീണു .

Manan-javatra maro tsy holazaiko aho mikasika an'i Rima sy Ashiq [vadiny], kanefa dia tena nandia ny làlany tokoa ry zareo. Niaraka taminà rojon-draozy fotsiny, lanonana tsotsotra no nataony, izay zavatra tena faran'izay miabo tokoa

Indian Bride's typical Jewellery made of Gold. Image by Flickr user  Lokendra Nath Roy-Chowdhury. CC BY-NC-SA

Firavaka mahazatra fitondran'ireo vehivavy Indiana hanorin-tokantrano. Sary an'i Lokendra Nath Roy-Chowdhury, mpampiasa Flickr. CC BY-NC-SA

Na izany aza, tsy ny rehetra mpisera anaty aterineto no ravo tamin'ny fanehoankevitr'ilay mpilalao sarimihetsika.

Resmi Vava, mpianatra mpikaroka ao amin'ny IISER-P, dia nanoratra tao amin'ny kaontiny Google Plus hoe:

സ്ത്രീധനമെന്നാല്‍ സ്വര്‍ണ്ണമെന്നു നിസ്സാര‌വത്കരിക്കുന്നതിനോടു യോജിപ്പില്ല എങ്കിലും..

Ny fampanarahana harena ny vehivavy hanambady dia tsy resaka volamena fotsiny, fanamaivanana tafahoatra ny resaka izany ary manana izay azoko ambara mikasika an'io aho. Kanefa kosa, mahaliana ireo fomba fijery

Naka fomba fijery iray mahaliana i Sreebitha P. V., profesora mpanampy ao amin'ny anjerimanontolo foibe ao Karnataka, ao amin'ny tranonkala Round Table India :

Tsy resaka endrika amam-bika araka izany no nanakana ahy tsy hiravaka volamena. Fa fotsiny satria aho teraka tao anatinà vanim-potoana sosialy sy toekarena tahaka izao.

Raha ny marina, tena mora ho an'ireo foko ambony saranga sy ireo vehivavy ambony toa an-dry Rima ny mandray fanapahan-kevitra tsy hiravaka volamena amin'ny andron'ny fampakarambady ary mandrotsaka ny lakhs (vola fampiasa ao Azia) ho fandraisany anjara ho an'ny tranga hafa. Mba ahoana ny amin'ireo OBCs sy  Dalits izay tsy afaka akory hiravaka volamena na dia maniry mafy ny hanao izany aza, indrindra fa ao anatinà vanim-potoana sosialy sy toekarena ao Kerala izay ampiasàna ny volamena hitaràfana ny toerana misy anao eo anivon'ny fiarahamonina! Mba ahoana ny amin'ireo OBC sy Dalits izay mihevitra fa zon'izy ireo ny mba hànana izay sàta hiravaka volamena izay? Ahoana ny amin'ireo OBC sy Dalits izay mino tsy misy fanantenana fa ho azon'izy ireo atao ny hifandahatra hiatrika ny fahefan-dehilahy amin'ny fitondràna volamena?

i Sreebitha koa manondro ny “Kallumala samaram” (rojom-baton'ny fanoherana) nitranga tao Kanjaveli, akaikin'i Kollam tao Kerala, izay toerana nitondran'ireo vehivavy avy amin'ny saranga ambany (Pulaya tsy maintsy niady nanohitra ireo saranga ambony) volamena sy vato

Raha mbola mitolona amin'ny faharatsiam-pitantanana sy ny tsy fahampian'ny fiahiana ara-tsosialy ny Indiana, ary raha mbola mitohy tsy ampy rafitra fampindramam-bola amin'ny banky ireo faritra ambanivohitra, dia mbola fampiasàm-bola iray azon-dry zareo atao ny resaka metaly sarobidy izay mitondra fahafahana manetsika ny fientanan'ny fiarahamonina miaraka aminy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.