Antso Ho Famotsorana Ilay Mpanao Gazety Sy Mpakasary Espaniola Nalaina An-keriny Tao Syria

Niantso sy nanao fanentanana ho amin'ny famotsorana ny vadiny, espaniola mpanao gazetin'ny El Mundo antsoina hoe Javier Espinosa sy ilay espaniola hafa mpakasary miasa tena Ricardo Garcia Vilanova tao anaty efi-trano tsy misy seza nandritra ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety natao tao Beyrota, Libanona omaly [11 Desambra] i Monica Preito.

(photo source: Free Javier and Ricardo campaign Facebook page)

(Sary: Pejy Facebookn'ny hetsika: Afaho i Javier sy Ricardo)

Araka ny filazan'i El Mundo, nanjavona i Espinosa sy Vilanova tamin'ny 16 Septambra raha teny an-dalana ho any amin'ny faritr'i Raqqa ao Syria, ka nalain'ny Fanjakana Islamika ao Iraka sy Syria [ISIS] an-keriny avy eo, niaraka tamin'ireo mpiadin'ny Tafika Syriana Afaka efatra. Navotsotra ireo mpiady 12 andro taty aoriana. Saingy mbola any am-pigadrana foana kosa ireo mpanao gazety nanomboka ny daty niheveran'ny ISIS azy ireo fa mpitsikilo, araka ny hita tamin'ny tatitra an-gazety espaniola.

Nilaza i Preito, izay mpanao gazety ihany koa fa nitady vonjy tamin'ny vahoaka ihany izy ireo rehefa tsy nahita vahaolana intsony tamin'ireo mpaka an-keriny. Miantso vonjy ihany koa ny fianakavian'i Vilanova, araka ny sioka nalefan'ilay mpanao gazety namita iraka avy ao amin'ny Daily Telegraph ao Afovoany-Atsinanana, Richard Spencer:

Nanatontosa hetsika imasom-bahoaka hamotsorana azy avy ao amin'ny fonjan'ny ISIS ao Syria ny fianakavian'i Javier Espinosa sy Ricardo Garcia Vilanova.

Naneho ny firaisankinany amin'ilay mpanao gazety sy mpakasary nalaina an-keriny ny Syriana, ny fikambanana iraisam-pirenena sy ireo mpanao gazety ary koa ilay mpanao gazety solontenan'ny BBC Madrid, Tom Burridge izay nilaza hoe:

Efitra hipoka firaisankinan'ny mpanao gazety hoan'ireo mpanao gazety roa nalaina an-keriny tao Syria

Tsy sambany nankany Syria i Espinosa hatramin'ny nisian'ny fitroarana. Nieren-doza tamin'ny daroka baomba izay nahafaty ilay mpanao gazetin ‘ny Sunday Times, Maria Colvin tamin'ny volana Febroary 2012 izy. Nilaza ilay mpisera Twitter, The 47th, fa tsy niraharaha ny vono-olona voalohany nataon'i Assad izao tontolo izao, tsy nisalasala hitsangana hanohana ny rariny i Espinosa:

Saiky namoy ny ainy niaraka tamin'i Marie Colvin tao Baba Amr i Javier Espinosa, iray amin'ireo feo VITSY izay nitatitra ny vono-olona voalohany nataon'i Assad izy.

Nilaza ihany koa izy fa iray ihany ny fahavalon'ny ISIS sy i Assad:

Mankahala an'i Javier Espinosa tahaka ny efa nataon'i Assad ihany koa ny ISIS. Hàlan'izy ireo izay mitsangana ho amin'ny….fahafahana, fahalalahana ary ny fandraisana andraikitra.

Nanamarika ihany koa ilay mpisera Twitter Yalla Souria fa nosamborin'ny ISIS sy ny fitondran'i Assad ny olona tahaka an'i Mompera Paolo, Espinosa ary Vilanova:

Migadra ao amin'ny fonja maloton'i Assad sy ISIS i @AbunaPaolo, @javierespinosa2 ary ireo gadra hafa noho ny fanehoan-kevitra. Tafahoatra loatra raha mihoatra ny iray andro

Mpisera hafa nitaky ny famotsorana azy:

Nalain'ny ISIS a an-keriny tao Syria ilay mpitati-baovao espaniola be herim-po @javierespinosa2 . Avereno eny anivon'ny fianakaviany sy ny namany izy. 

Fantatra amin'ny fandraketana an-tantara mahagaga momba an'i Libya, Ejypta, Syria nandritra ny  Lohataona-Arabo ihany koa i Vilanova.

Namoaka ity fanambarana manaraka ity ny hetsika ofisialy hoan'ny famotsorana azy ireo, nampiana ny lahatsoratra taty aoriana fa mifanohitra amin'ny fitsipi-pitondrantena revolisionera ny fakàna an-keriny mpanao gazety:

‪#‎FreeJavier_Ricardo‬ ‪#‎FreePressFreeSyria‬
Javier and Ricardo have been kidnapped for 11 weeks. They, like scores of Syrian activists and journalists, are missing in the hands of the Islamic State of Iraq and Syria.
Javier was in Baba Amr, Homs, during the regime's last offensive in February 2012. He saw his two colleagues, Marie Colvin and Remi Ochlik, killed right before his eyes. He still refused to leave Baba Amr until the last civilians were evacuated.
Ricardo has also worked in Syria many times since the start of the revolution, and he has helped organise medicines for doctors trying to help the civilian victims of the war.

# FreeJavier_Ricardo ‬ ‪ # FreePressFreeSyria ‬(#AvotsoryJavier_Ricardo #Gazetyafaka#SyriaAfaka)
Nalaina an-keriny nandritra ny 11 herinandro i Javier sy i Ricardo. Tsy hita [fa eo ampelan-tanan'i] Fanjakana Islamika ao Irak sy Syria izy ireo, tahaka ireo mpikatroka Syriana sy mpanao gazety marobe.
Tao Baba Amr ao Homs i Javier nandritra ny fanafihan'ny fitondrana tamin'ny volana Febroary 2012. Nahita ireo mpiara miasa aminy roa, Marie Colvin sy Rémi Ochlik namoy ny ainy teo anoloan'ny masony izy. Nandà tsy hiala tao Baba Amr foana izy mandram-pamindra toerana ireo sivily sisa tavela.
Niasa imbetsaka tao Syria ihany koa i Ricardo nanomboka tamin'ny fiandohan'ny revolisiona, nanampy tamin'ny fikarakarana fanafody ho an'ireo dokotera miezaka mamonjy ireo sivily niharam-boina tamin'ny ady izy.

Mandraisa anjara eto amin'ny hetsika famotsorana azy ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.