Sanskar, Firindrana Amin'ny Alalan'ny Fanekena

Sanskar

Fangon'ny Sanskar. Sary avy amin'ny habaky ny UNAOC.

Ny Sanskar dia fampihatra Android mahay mifampiresaka amin'ny olona izay mampiroborobo ny “firindrana amin'ny alalan'ny fanekena” ary manampy ny mpiserasera handalina kolontsaina vaovao, amin'ny alalan'ny lalao sy sarimiaina hampisehoana fahatakarana sy fanekena kolontsaina 18 samihafa manerana ny glaoby. Ny kinasan'ny mpandrafitra ny fampihatra dia ny hanazarana ny olona ho ao anatin'ny fifampiresahan'ny kolontsaina amin'ny alalan'ny lalao.

Iray amin'ny mpandresy dimy, ny Sanskar, tamin'ny fifaninanana “Mamoròna UNAOC 2012″, nokarakarain'ny Create UNAOC, fifaninanana manerantany iarahan'ireto fikambanana ireto nanomana: United Nations Alliance of Civilizations [Firenena Mikambana Sivilizasiona Miara-Dia], ny Learning Games Network,[Mianatra Amin'ny alalan'ny Lalao] ary ny MIT Education Arcade eo ampitadiavana fampihatram-pinday sy lalao afa-mamelona lalambe vaovao ho amin'ny fifampiresahan'ny kolontsaina samihafa. Ny nandrafitra ny Sanskar dia ny Amrita Center for Wireless Networks and Applications [Foibe Amrita ho amin'ny tambajotran-tserasera sy ny Fampihatra].

Ny tanjona amin'ny fampihatra dia ny hikarakara ny fiarahamonina ankapobeny amin'ny alalan'ny fanomezana fitaovana manampy amin'ny fahazoana ny kolontsaina hafa. Ny dingana tsirairay dia arahina fanontaniana [ankamantatra] hamantarana ny fandrosoanao. Asaina ihany koa ny mpisera hamorona votoaty ary hizara izany amin'ny alalan'ny fampihatra, manangana rakitry ny fahalalàna ara-kolontsaina.

Ilay fampihatra dia aingam-panahy azo avy amin'ilay mpitarika ara-panahy Sri Mata Amritanandamayi Devi (fantatra amin'ny hoe “Amma”). Nandritra ny kabary nataony tao amin'ny forum UNAOC tany Shanghai, Shina, no nanasongadinany ny mahazavadehibe ny fanajana, fahatakarana ary fanekena ny hafa ho fototry ny firindrana ao anatin'ny kolontsaina isan-karazany manerana izao tontolo izao.

Sanskar2

Pikantsarin'ny fomba fampiasana anankitelo ny Sanskar, nalaina avy ao amin'ny tahalan'ny UNAOC.

Tonga eo amin'ny dingana farany amin'ny fandrafetana azy ny Sanskar ary antenaina hivoaka tsy ho ela ao amin'ny Google Play Store.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.