Fandefasana Lahatsary An-Taratasy Avy Amin'ireo Vondrom-piarahamonina Zanatany Ao Oaxaca

Manana fomba iray hampihenana ireo elanelan-tany sy hitaterana ireo sary avy any amin'ireo toerana lavitra ho lasa akaiky ireo vondrom-piarahamonina ny lahatsary. Iray tamin'ireo hevitra novolavolaina tanatin'ny tetikasa Videocartas (Lahatsary an-Taratasy) izy io – mba hanampiana ireo vondrom-piarahamonina ao an-toerana voasaraky ny elanelan-tany ho afaka hiresaka mivantana amin'ny hafa amin'ny alalan'ny lahatsary.

videocartas

Niainga taminà hevitra iray izay niforona tamin'ny 1993, raha nanomboka niasa niaraka tamin'ireo ankizy tambanivohitra tany Sierra Maestra any Kioba, ireo andiana mpamokatra amin'ny fahita-lavitra Kiobàna, ary nahita izy ireo fa tsy dia mahalala zavatra firy mikasika ny fiainan'ireo ankizy hafa eo amin'ny faritra manodidina azy ireo ankizy ireo. Nanasa ireo ankizy izy ireo mba handray anjara mavitrika anatin'ny famokarana lahatsary iray, izay hitànan'izy ireo toerana ambony hizaràny ireo fomban-drazany, ny kolontsainy, sy ny endriky ny fiainana ao anatin'ny fiarahamoniny. Tsy ela dia nahita làlana io hevitra io ary nanomboka nandefa ireo Lahatsary an-Taratasy tahaka izany ireo ankizy ho an'ireo vondrom-piarahamonina ao Brezila sy Bolivia.

Nahita ny vokatra tamin'io karazana fifanakalozana ara-dahatsary io ireo fikambanana sy vondrona hafa ary nikaroka fomba hahafahana mampandray anjara ireo ankizy ao amin'ny faritra misy azy ireo. Any Oaxaca, ao Meksika, nanomboka niasa niaraka tamin'ireo vondrom-piarahamonina zanatany manerana ny faritra rehetra mba hamokatra ireo Lahatsary an-Taratasy i Guillermo Monteforte avy ao amin'ny fikambanana Ojo de Agua. Ny Ojo de Agua dia vondronà mpampifandray ifotony nirotsaka hampiroborobo ny fifandraisan-janatany amin'ny alalan'ny fampandrosoana ny media ao an-toerana sy ireo hetsika fanofanana maro hafa. Namokatra andianà Lahatsary an-taratasy avy amin'ireo vondrom-piarahamonin-janatany ao amin'ny fanjakan'i Oaxaca ny asany, izay iandrandrana ny mba hahafahan'ireo ankiry manerana ny tany hanana topimaso amin'ny tontolo misy azy ireo amin'ny fijeriny manokana.

Mizara ireo sarin'ny fonenany, ny taniny, ary koa ny fomba fanaovany tortillas, ireo ankizy ao amin'ny trano fisotroana kafen'ny sekoly Naxo sy avy amin'ny manodidina ny Plan de Carill ao amin'ny tanànan'i Huautla an'i Jiménez:

Anatin'ity vondrom-piarahamonin-janatany Triqui ity, mihira hira iray amin'ny tenin-drazany ireo ankizy, ary mizara ihany koa ny fahalalany mikasika ny zava-maniry anatin'ny ala manodidina azy ireo:

Anatin'ity lahatsary ity, mampiseho ny fomba fanaovan'izy ireo hatrotron'Agave (gelée d'Agave) sy ireo hery mpanasitrana avy amin'ireo zava-maniry ao an-toerana ireo ankizy ao amin'ny faritr'i Lindavista de Jesús ao amin'ny firaisan'i Magdalena Jatlepec:    

Ny sasany tamin'ireo ankizy nandray anjara tanatin'ny lahatsary avy ao Candelaria Loxicha dia marenina avokoa, ary anatin'ilay lahatsary dia hita ny nianaran'ireo ankizy maheno ireo baikon'ny tànana hanampiana ireo ankizy hafa hifandray anatin'ny firaisan-kina.

Farany, ny vondrom-piarahamonina Mixtec ao Yodo ‘Ndaka, izay midika hoe Lemaky ny Takola-panenitra, any amin'ny kaominin'i Tilantongo dia mampiseho karazan-dalao vitsivitsy filalaon'izy ireo, ary koa sasantsasany amin'ireo asa tànana ataon'ilay vondrom-piarahamonina.

Nakarina tanatin'ny aterineto ireo taratasy miaraka aminà fanasana misokatra izay afaka valian'ny vondrom-piarahamonina eran-tany amin'ny lahatsariny manokana avy aminy, na avy aiza na avy aiza.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.