Sambany i Iceland Mitomany Taorian'ny Namonoan'ny Polisy Lehilahy Iray

Police in Reykjavik, Iceland

Polisy ao  Reykjavik, Iceland. Sary an'i Christopher Porter tao amin'ny flickr (CC BY-NC-ND 2.0)

Nivoaka voalohany tao amin'ny PRI.org tamin'ny 03 Desambra ity lahatsoratra ity sy ny tatitra iray avy amin'i Traci Tong tao amin'ny onjampeo The World, ary naverinay navoaka ao anatin'ny fifanarahana fifampizaràna votoaty.

Lohateny lehibe tsy mbola nisy toa azy tao Iceland tamin'ity herinandro ity — lehilahy iray notifirin'ny polisy ho faty.

“Tohina ny firenena iray manontolo. Tsy mitranga eto amin'ny firenentsika io,” hoy i Thora Arnorsdottir, tonian'ny famoaham-baovaon'ny RUV, ny Onjampeom-Pirenena ao Iceland.

Ilay lahiantitra 59 taona izay maty notifirin'ny polisy tamin'ny Alatsinainy no tiany holazaina eto. Tany aloha ilay lehilahy, izay nanomboka nitifitra ireo polisy rehefa niditra ny trano nisy azy, dia efa nànana tantaranà aretin-tsaina.

Sambany izao no nisy olona iray maty notifirin'ny polisy mitam-piadiana tao Iceland hatramin'ny naha-repoblika mahaleotena azy tamin'ny 1944. Raha ny mahazatra dia tsy mitondra fitaovam-piadiana akory aza ny polisy. Azo ambara ho toy ny tsy misy mihitsy ny herisetra ao Iceland.

“Tsy tian'ilay firenena ny hahita ny polisiny hivimbina fitaovam-piadiana satria mampidi-doza no sady mahatahotra izany,” hoy i Arnorsdottir. “Singa ao anatin'ny kolontsaina izany. Fitondra mihàza ny basy, ho toy ny manao fanatanjahantena,  fa tsy hahita basy velively ianao na iray aza.”

Raha ny marina, tsy hoe mankahala ny basy i Iceland. Raha jerena amin'ny isan'ny olona mitàna basy, faha-15 no laharan'i  Iceland maneran-tany. Kanefa,tsy fahita mihitsy ity tranga ity ka nahatonga ireo mpifanolo-bodirindrina tamin'ilay lehilahy maty voatifitra hampitaha ilay fifampitifirana amin'ireny sarimihetsika amerikana ireny.

Nilaza ny departemantan'ny polisy ao Iceland fa handalo manoloana ny filankevitry ny alahelo ireo manampahefana tafiditra tamin'izy iny. Sady efa naneho fialantsiny tamin'ny fianakavian'ilay lehilahy maty ny departemantan'ny polisy — na dia tsy dia nilaina loatra aza izany satria tsy nisy hadisoana nataon-dry zareo.

“Heveriko fa feno fanajàna ry zareo,” hoy i Arnorsdottir , “satria tsy misy olona maniry hanaisotra ny ain'ny olona iray hafa izany. “

Mbola misy anefa ny fanontaniana maro ilàm-baliny, isan'ireny ny antony tsy nanandraman'ny polisy nifampiraharaha  tamin'ilay lehilahy aloha talohan'ny nidirana tao an-tranony.

“Ampahany iray amin'ny zava-dehibe eto amin'ity firenena ity ny fahafahanao miditra any amin'ny parlemanta ka ny hàny zavatra tokana takian-dry zareo aminao dia ny mba hamonoanao ny findainao, mba tsy hanakorontananao ireo parlemantera mandritra ny resak'izy ireo. Tsy mba manana mpiambina mitam-piadiana izany izahay hoe hanaraka ny praiminisitray na ny filoha. Ampahany iray amin'ireo zavatra goavana azo amin'ny fiainana anaty fiarahamonina milamina izany. Tsy tianay hiova izany”.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.