Lahatsary: Iza No Mifehy Ny Aterineto?

Cloud cartoon from Fundacion Karisma video.

Sariitatra “Rahona” avy amin'ny Fundacion Karisma (CC BY-SA)

Nivoaka tao amin'ny RedPaTodos ny dika niandohan'ity lahatsoratra ity, tamin'ny teny Espaniola.

Fantantsika rehetra ny mahazava-dehibe ny Aterineto, saingy tsy dia fantantsika loatra ny fomba fifehezana azy, izay zavatra fototra amin'ny fiarovana azy. Ny dikan'ny filaza hoe “fitantanana ny Aterineto” dia mifototra manokana amin'ny fampivoarana sy fampiharana ireo fotokevitra, ireo lamina, politika, zotra, ary fandaharanasa izay nandray anjara tanatin'ny fivoaran'ny Aterineto sy ny fomba fampiasana azy. Ho fampianarana misimisy kokoa ireo mpampiasa mikasika ny Fitantanana ny Aterineto, ny Fikambanana Tsy Miankina Kolombiana iray atao hoe Fundación Karisma, miaraka amin'ny fanohanana ara-bolan'ny Mozilla, dia namorona ity lahatsary ity. Nandika ny lahatsoratra amin'ny teny Anglisy ireo mpirotsaka antsitrapo avy ao amin'ny Fundación Karisma sy ny Global Voices.

Fanamarihana: Raha tahaka ny tsy mipoitra ho azy ireo dikanteny Anglisy, potsiro eo amin'ny sasa-joro misy ny fiteny eo amin'ny faritra ambany ankavian'ny fàfan'ny lahatsary ary safidio ny “Anglisy”.

Lahatsoratra nadikan'i Ellery Biddle.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.