Olona 7 Avy Ao Amin'ny Tranokalam-baovao Momba Ny Teknolojia Nosamborin'i Iran

Screen shot of Narenji.ir

Namoaka ny lisitr'ireo voasambotra i Narenji.ir, izay voafafa avy hatrany avy eo.

Satria tsy nahita mpikatroka zon'Olombelona hosamborina i Iran, nifidy ireo olona manoratra momba ny “haingo na kojakoja kely hanintonana mpanjifa” (gadgets) indray ireo mpiambina revolisionera.

Nitatitra ny tranokalam-baovao momba ny teknolojia Narenji.ir ao Kerman tamin'ny 3 Desambra 2013, fa nosamborina tampoka ny fito tamin'ireo mpanoratra sy ekipa teknika ao aminy ary tsy nisy ny vaovao ahafantarana ny toerana nitondrana azy ireo. Voafafa tao anatin'ny ora vitsivitsy tao amin'ny habaka ny lisitra misy ny anaran'ireo olona voasambotra ora fohy taorian'ny namoahana izany (jereo ny pikantsary).

Araka ny fomba nitantaran'ny GAzety Mehr ny zava-nitranga, mpikatroka an'aterineto 16 no voasambotra tao Kerman, voampanga ho nanohintohina ny fiarovam-pirenena sy miara-niasa amin'ny tambajotra vahiny, ary manome votoatim-baovao hoan'ireo habaka manohitra ny revolisiona.

Nariman Gharib manome vaovao antsika ao amin'ny Twitter fa farafahakeliny bilaogera iray no voasambotra niaraka tamin-dry zareo.

Hoy izy nisioka:

Roa andro izay, nosamborin'ny mpiandry revolisionera Iraniana i Amir Sadeghpour, bilaogera malaza ao Iran  #narenji

Manana tantara lavabe momba ny famoretana ny fahalalahana ara-nomerika ny Repoblika Islamika, saingy sokajiana ho toko (pejy) vaovao indray ny fisamborana ireo olona marobe izay manoratra momba ny “kojakoja” sy ny teknolojia. 

Natsangana ny fanentanana tamin'ny Facebook mba hanohanana ireo mpiasan'i Narenji voasambotra, ka nisioka momba ity andianà fisamborana vaovao ity ireo mpiserasera.

Ali Nemati Shahab nisioka [fa] hoe:

Voampanga ho nanao hetsika manohintohina ny fiarovam-pirenena ny mpiasan'i Narenji…Aza milaza na inona na inona , mivavaha fotsiny.

Oriana nisioka [fa] hoe:

Mahatsikaiky ny fiampangana, tsy fantatsika na tokony hihomehy isika na tokony hitomany.

AmirHossein nisioka [fa] hoe:

Hovidian'izy ireo lafo ny lahatsoratry Narenji izay milaza fa nosamborin'ny mpiandry revolisionera izy ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.