Espaina: Lalàm-Piarovana ny Olom-pirenena sy Fampihenana ny Zo Fototra Sivily ?

GreenPeace desplegó una pancarta inmensa en el edificio España con el lema NO a la #LeyAntiProtesta.

Nametaka afisy lehibe teo anoloan'ny Edificio España ao Madrid ny Greenpeace. Mivaky toy izao #LeyAntiProtesta [« Tsia amin'ny lalàna manohitra fihetsiketsehana»].

[Amin'ny teny espaniola avokoa ny rohy rehetra]

Tsy niandry ela ny fihetsiketsehan'ireo fikambanana samihafa manohitra ny lalàna espaniola antsoina hoe fiarovana ny olom-pirenena. Andro vitsy monja taorian'ny nampahafantarin'ny minisitry ny Atitany, Jorge Fernández Díaz, ny volavolan-dalàna izay mamehy ireo zo fototra sivily, indrindra hoan'ireo olom-pirenena mpirotsaka an-tsehatra, na amin'ny fanehoan-kevitra antserasera izany na amin'ny fihetsiketsehana eny an-dalambe.

Izany lalàna izany dia solon'ny lalàna Corcuera, izay nankatòavin'ny governemanta sosialistan'i Felipe González tamin'ny taona 1992, fantatra toy ny hoe « lalàna ny dàka ao ambaravarana » tamin'izany fotoana izany satria hahafahan'ireo mpitandro ny filaminana hiditra ao an-tranon'olona sy mikarokaroka tsy mila fangatahaka mialoha any amin'ny fitsarana. Nambara avy eo fa mifanohitra amin'ny lalàmpanorenena izany lalàna izany. Ankehitriny, mikasa hametraka sy hanamafy ny lalànan'ny taona 1992 ny antokom-bahoaka, izay lalàna notoheriny tamin'izany fotoana izany anefa.

Izany vaovao izany, araka ny filazan'i Joan Coscubiela, solombavambahoakan'ny ’Initiativa per Catalunya – Verds (ICV) sy mpitondra tenin'ny Izquierda plural dia azo antsoina hoe « lalànan'ny daka eo ambavan'ny demaokrasia » satria manamarika ny « famelezana an-kerisetra atao amin'ny zo sivily ». Etsy andaniny, nilaza ny antoko Izquierda Unida fa « mitondra ny firenena any amin'ny rafitra fibodoam-pahefana ny antokom-bahoaka ». Niampanga teo anoloan'ny Vaomiera Eoropeana i Willy Meyer, depiote eoropeana ’Izquierda Unida, fa hanitsakitsaka ny zo fototry ny Vondrona Eoropeana ny fankatòavana izany lalàna izany.

Na dia mikiry aza ireo manampahefana fa mbola vakiraokan'ny volavolan-dalàna izany, dia mazava fa ahitana andiam-pepetra mikendry ireo fihetsiketsahana sivily sy ny fanoherana amin'ny endriny rehetra ilay volavolan-dalàna. Antenaina fa hahafahana manova ity volavolan-dalàna ity afaka andro vitsivitsy ny fanerena avy amin'ny olom-pirenena, sy vondrona solombavambahoaka hafa ary avy amin'ny mpitsara sasany alohan'ny hankatòavana tanteraka izay lalàna tapaka farany.

Fantatra fa olona marobe voasambotra nandritra ny fihetsiketsehana, indrindra hatramin'ny niandohan'ny krizy ara-toekarena no tsy nomelohina noho ny fandikàn-dalàna, satria matetika tsy mahita tranga milaza ny fandikan-dalàna amin'ireo fiampangan'ny polisy ny mpitsara, mijery izay fomba hahafahana mamaritra ireo fandikàn-dalàna vaovao ho azo saziana eo anivon'ny fitondrana ity lalàna vaovao ity. Fandikan-dalàna 39 azo henjehin'ny fanjakana no voaisa ankehitriny, 55 kosa no hitan'ny volavolan-dalàna, ka 21 no tena ratsy indrindra. Arakaraky ny halehibeny no hanasokajian'ilay lalàna vaovao ireo fandikan-dalàna sy hanapahany izay vola alòa amin'ny onitra izay ambony lavitra noho ny vola alòa ankehitriny :fahadisoana bevava (saziana onitra 30 001 hatramin'ny 600 000 euro), ratsy ratsy (onitra 1 001 hatramin'ny 30 000 euro) ary fandikan-dalàna madinika (onitra 100 hatramin'ny 1 000 euros).

Indreto ny indray mijery amin'ireo tranga izay sokajian'ilay volavolan-dalàna ho fandikan-dalàna :

  • Fandraisana anjara aminà fihetsiketsehana eo anoloan'ny andrim-panjakana raha toa ka tsy nampilazana mialoha mikasika ny fihetsiketsehana ny solontenam-panjakana.
  • Fiantsoana fihetsiketsehana amin'ny alalan'ny tambajotra sosialy na fomba hafa fandefasan-kafatra amin'ny alalan'ny aterineto (fahadisoana bevava) .
  • Fandefasana sary misy ny sarin'ireo polisy misahana ny rotaka mandritra ny fihetsiketsehana (fahadisoana bevava, mety handòa onitra 600 000 euro farafahabetsany).
  • Tsy fankatòavana na fanoherana manampahefana tsy hilaza ny momba ny tena, fanomezana filazalazana diso na tsy marina amin'ireo solontenan'ny mpitandro ny filaminan'ny fanjakana.
  • Manevateva, manafintohina, mandrahona na manery” ireo mpitandro ny filaminanana (fahadisoana bevava).
  • Fandefasana amin'ny aterineto izay vaovao mikasika ireo polisy, izay sokajiana ho fanohintohinana ny fiainan'izy ireo manokana na ny fianakaviany na izay mahatonga ny hetsika (bemidina) ho tsy mahomby (fahadisoana bevava, onitra 600 000 euro farafahabetsany).
  • Tsy fanomezana kara-panondro hoan'ny polisy izay mitaky izany.
  • Fandikan-dalàna bevava ny  fandrakofana ny tava amin'ny satrok'akanjo, kasikety na satroka vy (casque) ary mety handòa onitra ambony raha misy olona voasambotra mandritra ny fihetsiketsehana na mampiseho fihetsika maherisetra.
  • Fanimbàna fitaovan'ny tanàna.
  • Fanevatevana na fanompàna ampahibemaso, am-bava na an-tsoratra an'i Espaina, sy ireo fiarahamoniny mahaleotena, ireo marikany na ny sary faneva (mety hampigadra fito hatramin'ny roambinifolo volana). (Tao amin'ny Twitter, teraka ny teny ifankafantarana #OfendeAEspaña tamin'ireo fanehoan-kevitra momba ireo fandikan-dalàna ireo)

Nanangana hetsika ny sampana espaniola ao amin'ny Amnesty International ary nanantotosa lahatsary hiampangana ireo fihetsiky ny governemanta izay mandrahona ny demaokrasia:

Nanatontosa hetsika ihany koa ny habaka fanentanana Avaaz mba hanangonana sonia manohitra ny volavolan-dalàna. Tao anatin'ny 24 ora latsaka, mpiserasera maherin'ny 100.000 no efa nanatevin-daharana ity fanentanana ity. 

Araka ny hitantsika ao amin'ny lahatsary eto ambany, nanazava ny solombavambahoaka sosialista Eduardo Madina fa raha hankatòavina ity lalàna ity, mety hiakatra ao amin'ny Fitsarana momba ny lalàmpanorenana ary manome antoka koa fa mety hofoanana ity lalàna ity amin'ny fanovana governemanta mety hitranga amin'ireo fifidianana manaraka. Mandritra izany fotoana izany, tsy nahatsindry ny minisitry ny Atitany ka nanompa azy:

Mahita kosa ny iray amin'ireo vondrona mazoto indrindra amin'ny fihetsiketsehana ao Espaina, ny 15M fa misy famelezana mivantana azy ireo ity lalàna ity, araka ny porofo hita amin'ny fampiasana ny teny ifankafantarana #leyAnti15M [loi anti-15M].

Nandritra ny fihetsiketsehana nokarakaraina tao Madrid tamin'ny herinandro lasa, namelatra afisy lehibe teo anoloan'ny Edificio España ny Greenpeace izay mivaky hoe NO a la #LeyAntiProtesta [Tsia amin'ny lalàna manohitra ny fihetsiketsehana]. 

Nametaka afisy #LoiAntiManifestation (lalàna manohitra fihetsiketsehana) tao amin'ny 23N Kianjan'i Espaina ao Madrid ireo mpikatroka 2 avy ao amin'ny Greenpeace Espaina.

Ny toe-draharaha ankehitriny dia ahiana fa ity volavolan-dalàna ity sy ny tolona mba tsy hahalàny azy dia manodina ny sain'ny olom-pirenena hanadino ireo trangan-kolikoly eo anivon'ny Antokom-bahoaka izay hanenjehana ireo tompon'andraikitra ambony mety hahazo sazy an-tranomaziana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.