Teknolojia Ho An'ny Fanamafisana Ny Fandriampahalemana: Rakitra Anaty Aterineto

Mikendry ny hampahafantatra ireo fihaonana eo amin'ny ‘ fanamafisana ny fandriampahalemana sy ireo teknolojia vaovao eran-tany ny Build Peace Database, amin'ny fifantohana amin'ny fifandraisana, ny tambajotra sosialy ary ireo teknolojian'ny  lalao.

Voatsinjara aminà fomba roa ny fampahafantarana: miaraka amina sarintany misy ny lisitr'ireo fikambanana sy tetikasa, ary koa anaty tabilao midadasika be misy fomba  fikarohana afaka manivana ny fampahafantarana.

Ireo tetikasa ireo dia voasokajy araka ny faritra isian'ny fandaharana fanamafisana ny fandriampahalemana izy ireo, ary ny fomba fampiasàny ny teknolojia anatin'ny asany. Tafiditra ao anatin'ireo sokajy ireo, ohatra ny:

  • Fifandraisana & Fiaraha-miasa: Matetika dia manan-danja amin'ireo fandaharana fanamafisana ny fandriampahalemana ireo hetsika mampiroborobo ny fiaraha-miasa eo amin'ireo vondrona mifanolana. Mety ho fahafahana mifandray fotsiny eo amin'ireo vondrona samy hafa ireo hetsika ireo. Afaka mivoatra ho tambajotran'ireo mpampifandray eo amin'ny samy vondrona ny fifandraisana tahaka izany, izay manohana ny hafatra momba ny fandriampahalemana sy ireo hetsika hisorohana ny fifandirana.
  • Fanovàna fihetsika: Matetika dia zava-misakana lehibe ho an'ny fanovàna am-pilaminana ny fihetsika sy ny fitondran-tena manoloana ny ” hafa ”. Maro ireo fandaharana fanamafisana ny fandriampahalemana no mifantoka amin'ny fiadiana amin'ireo fihetsika mahery vaika ary mampirisika ny fanovàna fitondran-tena, indraindray amin'ny alalan'ny fanomezana fahafahana hianatra momba ny hafa sy ireo habaka hamoronana angano vaovao momba ireo fifandraisana anatin'ny vondrona.

Ahitana ireto manaraka ireto ireo tetikasa vitsivitsy voatanisa:

PeaceTXT, tetikasa fanentanam-bahoaka any Kenya amin'ny SMS mba hanovana ny fitondrantena, fitambarana SMS fisorohana fifandirana izay nalefa tany amin'ireo lisitra midadasiky ny mpisoratra anarana, indrindra manodidina ireo fotoana heverina ho henjana.  

Crack in the Wall, sehatra fiadian-kevitra sy firotsahana an-tsehatra eo amin'ireo Palestiniana sy Israeliana mampiasa ny media sosialy. Amin'ny fidirana ao amin'ny Facebook-ny ”in the Wall” , afaka mifandray amin'ny alalan'ny sehatra fifanakalozan-kevitra, izay hisy dikanteny Hebreo sy Arabo, ireo mpampiasa aterineto.

Connect Program, mampifandray ireo mpianatra avy aminà firenena 27 eran-tany amin'ny alalan'ny fampiasana rindrambaiko fihaonana an-tsary, izay mamela azy ireo hifandray amin'ny alalanà rindrambaiko fiadian-kevitra tsotra manomboka amin'ny firesahana ny fiainana andavanandro ary mizotra mankany amin'ireo fotokevitra mampiady hevitra kokoa.

Raha ohatra ka maniry ny handrotsaka tetikasa ianao, mampiasà ny fisoratana anarana ao amin'ny vohikalan'izy ireo . Raha mila hevitra hafa momba ny momba teôrian'ny teknolojia fanamafisana ny fandriampahalemana, jereo ity tatitra nalefan'ny fikambanana Swiss Peace Foundation ity.

Naverina navoaka teo ambany ny fanomezan-dàlana CC BY-SA 3.0 ny sary famantarana avy ao amin'ny vohikalan'ny Build Peace Database.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.