#StopPrawlerPlan: Mpikatroka Manohitra Ny Fandravana Tanàna Palestiniana Voasambotra Any Isiraely

“Tsy ho tafita i Prawer”, hoy ny hiakiaky ny mpikatroka Palestiniana sy Isiraeliana tamin'ny androm-pihetsiketsehana Androm-pahatezerana teo ivelan'ny tanàna Bedouin ao Hura, any amin'ny tanihain'i Negev. Notsenain'ny polisy tamin-kery ny fihetsiketseha-panoherana ary maro ny mpikatroka nosamborina, araka ny tatitra nataon'ny fitaovam-pampitam-baovaon'olo-tsotra.

Ny planina Prawer-Begin, izay nankatoavin'ny Knesset Isiraeliana, dia mety hiafara amin'ny fandravana tanàna “tsy nahazo fankatoavana” mihoatra ny 35 sy ny fandroahana an-keriny ny Bedouins Palestiniana mihoatra ny  70.000 any Al Naqab – na ny tanihain'i Negev.

Nisy ny fihetsiketsehana hafa notontosaina nanerana izao tontolo izao ho fiaraha-mientana. Saingy, voarara ny fihetsiketsehana tao Gaza, hoy ny bilaogera Palestiniana Ola Anan [ar]:

Noraran'ny Hamas izay fihetsiketsehana rehetra any Gaza tafiditra amin'ny hetsika Tsy ho tafita [ny planina] Prawer

A Day of Rage was organised today to protest the Prawer Plan, which if implemented would displace thousands of Palestinian Bedouins living in Al Naqab

Androm-pahatezerana nomanina androany ho fanoherana ny Drafitra Prawer, izay raha tafapetraka dia hamindra toerana ireo Palestiniana Bedouins an'arivony monina ao Al Naqab

Manazava i Mariam Barghouti:

Te-hamafa ara-poko ny Palestiniana anarivony ao Naqab i Isiraely ka rehefa nanohitra izahay dia notsenaina tamin-kerisetra sy nosamborina

Nanampy ilay Isiraeliana Elizabeth Tsurkov:

Mitantara ireo mpikatroka tany amin'ny fihetsiketseha-panoherana tany Houra (Naqab) fa tsy mbola nahita herisetra nataon'ny polisy tahaka izany hatramin'izay. 

Tweet-Palestine nilaza fa zazalahy fito taona iray nosamborina:

Tafika Isiraeliana nisambotra zaza fito taona tao Naqab

Fa tao amin'ny YouTube kosa i Muath Hamed nizara ny lahatsary mampiseho ny fisamborana mpanao fihetsiketsehana roa teo akaikin'ny tanim-boanjo ao BeitEal, avaratr'i Ramallah:

https://www.youtube.com/watch?v=s2AaNMCho2o

Anisan'ny mpikatroka nosamborina omaly i Maath Musleh. nizara ny sariny mitsiky nandritra ny fotoana nisamborana azy i Omar Robert Hamilton:

Ny fisamborana ny iray asa amiko sy namako @MaathMusleh tamin'ny fihetsiketsehana manohitra ny drafitra Prawer tao Jerosalema androany

Tsy mihevitra ny hisian'ny tati-baovao iraisampirenena tamin'ny zava-nitranga omaly ny mpanao gazety Isiraeliana Joseph Dana. Nisioka izy:

Hita na aiza na aiza amin'ny Twitter sy Facebook ny fihetsiketsehana hanoherana any drafitra Prawer androany hariva. Iza no sahy hifanamby ahy labiera iray fa tsy hahazo ny Buzzfeed ity raharaha ity

Raha mahita fanantenana eny amin'ny faravodilanitra i Abir Kopty:

Androany, ny “tsy hita” lasa hita, ary tsy zakan'ny polisy Isiraeliana izany. Handresy izahay!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.