Thailand: Mikendry “Androm-Pandresena” ireo Mpanao Hetsi-panoherana Manohitra Ny Governemanta

The anti-government movement in Bangkok is called the "Whistle Revolution" as protesters whistle to show their discontentment. Photo by Camille Gazeau, Copyright @Demotix (11/29/2013)

Antsoina hoe “Revolision'ny Kiririoka” ny hetsika fanoherana ny governemanta ao Bangkok satria mitsoka kiririoka ireo mpano hetsi-panoherana mba hanehoany ny tsy hafaliany. Sary an'i Camille Gazeau, Fizakàmanana @Demotix (11/29/2013)

Nokendren'ireo mpanao fihetsiketsehana manohitra ny governemanta ao Thailand ny hibodo ny Tranoben'ny Governemanta sy trano sivy hafa mbola an'ny governemanta ihany mba handrodanana ny fitantanan'ny praiminisitra Yingluck Shinawatra. Nivoatra izany taorian'ny nahafatesanà iray sy naharatràna marobe tamin'ireo mpanao hetsi-panoherana nandritry ny fifandonana teo amin'izy ireo sy ny mpomba ny governemanta.

Nobodoin'ireo mpanao hetsi-panoherana ny trano maro an'ny governemanta tao amin'ny faritra natokana hisy ireo tranon'ny governemanta ireo saingy ny 01 desambra dia maro tamin'izy ireo no niparitaka mba handeha hibodo birao hafa sy foiben'onjampeo an'ny governemanta. Ny tenifototra #bangkokprotests tao amin'ny Twitter no tena nanampy tamin'ny fanjohiana ireo hetsika.

Mety ho nivoaka velona  i Yingluck tamin'ny fifidianana-fitsipaham-pitokisana tao amin'ny parlemanta saingy mbola ho ela vao ho tapitra ny fihenjanana ao an-drenivohitra. Takian'ireo mpanao hetsi-panoherana ny hialàny eo amin'ny fitondràna satria izy voampanga ho saribakolin'ny zokiny lahy, ny praiminisitra teo aloha Thaksin Shinawatra. Nailiky ny fanonganam-panjakana tamin'ny 2006 i Thaksin. Any an-tsesintany izy taorian'ny niampangàn'ny fitsarana iray tao an-toerana azy ho nanao tantely afa-drakotra ny harem-pirenena.

Ny hamafin'ireo hetsi-panoherana ny 01 desambra dia mampahatsiahy ny hamafin'ny krizy tamin'ny 2008 fony nibodoan'ireo mpanao hetsi-panoherana ny seranam-piaramanidina sy ireo fotodrafitrasa hafa tena ain-dehibe tao Bagkkok.

Nametrahan'ny polisy tariby mandratra mba hanakànana ireo mpanao fihetsiketsehana tsy hiditra amin'ireo trano an'ny governemanta sy ireo tobin'onjam-peo.

Mpianatra iray nanao hetsika no naratran'ny pitiky ny grenady

Notifirin'ny polisy tamin'ny entona mandatsa-dranomaso ihany koa ireo mpanao hetsi-panoherana nandritry ilay hetsika ny Alahady maraina teo:

Ireo mpanao hetsi-panoherana manomana rano amin'ny tavy eo amin'ny tranon'ny governemanta mba hiomanana amin'ny entona mandatsa-dranomaso. Nampitandrina azy ireo ny polisy fa hampiasa entona mandatsa-dranomaso

Misy akora simika miaraka amin'io rano io, mandoro ny maso sy ny hoditra toy ny entona mandatsa-dranomaso. Nanandrana mihitsy aho, argh

Maro no nahatsiaro maivana nandre fa hoe nanapa-kevitra ny hanafoana ny famoriam-bahoaka io Alahady maraina io ireo Lobaka Mena mpanohana ny governemanta, izay efa manampy betsaka amin'ny fisorohana ny fifandonana eo amin'izy ireo sy ny mpanao hetsi-panoherana. Nifamory tao amin'ny kianjaben'i Rajamangala ry zareo Lobaka Mena

http://t.co/0jgxg8Flk1 tazan-davitra avy eo an-tsehatra, famoriam-bahoakan'ny @ #Redshirts tao @ stadium #TEPCam ora roa laza izay

Tao amin'ny kianjaben'i Rajamangala taorian'ny nanaparitahana ny Lobaka Mena, avy amin'ny @Phop_NTV : 08.33 ราช มั ง คลา หลัง มวลชน เสื้อ แดง ทยอย กลับ pic.twitter.com/QiHuaMo3EU

Mba lalina izany “nofoanan-dry zareo” toa 15 minitra monja talohan'ny ora nifanomezana ilay famoriam-bahoaka ary vetivety monja dia foana sahady …. tena haingana be!

Nokianin'ireo mpanao hetsi-panoherana ny fitongilanan'ireo mpampahalala vaovao nahazatra izay nentin'izy ireo nampiasaina hanamarinana ny fiezahan-dry zareo haka ireo tobin'onjampeo :

Fivoaran-draharaha tsy fahita firy: Fitarainan'ireo mpanohana ny hetsika manohitra ny governemanta fa hoe mitongilana ireo fantsom-pahitalavitra mahazatra

Izao ady rehetra momba ny ‘fotokevitra’ izao atosik'ireo andian'olona mpihatsaravelatsihy lozan-tany. Tsy mba ORIZINALY akory kanefa dia roboka ao daholo ny rehetra

Ho an'ireo izay mbola manohy manontany ny antony “anafihan'ireo” mpanao hetsi-panoherana manohitra ny governemanta ny Valam-biby Dusit ao #Bangkok, dia satria ao no mitoby ireo polisy

Tatitra misimisy kokoa io maraina io avy amin'ny Ramkhamhaeng milaza hoe nisy tifitra nirefotra tany #Thailand

Ahitàna andian'olona betsaka sy matanjaka mitanjozotra ho any amin'ny Ministeran'ny Asa. Mandeha amin'ny zotra samihafa ireo mpanao hetsi-panoherana.

Niaiky ny governemanta fa nanohintohina ny fanaovana asam-bahoaka nanerana ny firenena ireo hetsi-panoherana :

Raha toa ny governemanta niatrika tamim-pahamalinana fatratra ireo hetsi-panoherana mba hisorohana ny fahavoazana, mbola vitany ihany koa ny niatrika ny fanohizana ny asa fitantanana ny fanjakàna sy ny fampihàrana ny lalàna

Na dia nidonan'izany aza ny sasany tamin'ireo masoivohom-panjakana manao asam-bahoaka, manana drafitra fiatrehana ny hamehana ny governemanta mba hiantohana ny hisian'ny tolotra ampy sy feno ho an'ny vahoaka.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.