Alaa Abd El Fattah , Ejiptiana Mpikatroka Mafàna Fo Nosamborina — Indray

Alaa Abd El Fattah. Photo by Alaa And El Fattah via Wikimedia Commons (CC BY-SA 2.5)

Alaa Abd El Fattah. Sary an'i Alaa And El Fattah tao amin'ny Wikimedia Commons (CC BY-SA 2.5)……

Ny Alakamisy 28 Novambra, tokony ho tamin'ny 10 ora alina teo ho eo, tao an-tranony, nosamborina i Alaa Abd El Fattah ilay Ejiptiana mpikatroka mafàna fo sady bilaogera manana ny toerany. Nisy didy fampisamborana navoaka ho an'i Abd El Fattah tamin'ny Talata lasa teo, taorian'ny fanaparitahana mahery setra natao an'ireo mpanao hetsi-panoherana tao Kairo. Nilaza tamin'ireo media ao an-toerana ny rain'ilay bilaogera fa natao nifanaraka tamin'ilay lalàna vaovao mandràra ny fanaovana fihetsiketsehana eny an'arabe ao Ejipta ny fisamborana azy. Olona 51 raha kely indrindra no nosamborina tamin'izay andro izay, isan'ireny ireo marobe mpikatroka mafàna fo malaza. Maro no voadaroka sy nanaovana filàm-baniny tamin'ny resaka ara-nofo.

Nalain'ny polisy ihany i Alaa na dia nilaza aza fa efa nihevitra ny hanatona ny polisy izy ny Sabotsy, araka ny fanambaràna iray nataony ary nalefan'ny nenitoany, Ahdaf Soueif, Ejiptiana mpanoratra manana ny lazany, ho ao amin'ny Facebook.

Araka ny voalazan'ny vadiny, Manal, nampiasa herisetra ny polisy fony tonga nanao fisamborana :

Niditra ankeriny tao an-tranonay hisambotra an'i @alaa ary nidaroka ahy ny polisy. Nangalarin-dry zareo na ny solosaina finday na ny telefona findainay

— لا لدستور العسكر (@manal) 28 Novambra 2013

tasin-drà hita manerana ny efitrano fatorianay, toerana nidarohan'ny polisy an'i @alaa  اثار الدم في غرفة نومنا بعد ان ضربته الداخلية pic.twitter.com/DZZEKQwHz3

— لا لدستور العسكر (@manal) 28 Novambra 2013

raha tao an-tokantranoko aza efa nahavita nidaroka ahy ny polisy, dia ho toy inona no hanaovany an'i @alaa. Matahotra ny amin'ny ainy aho.

— لا لدستور العسكر (@manal) 28 Novmbra 2013

Tsy misy fanazavana azo raisina mikasika ny fisamborana ho natao androany, efa hita rahateo fa namoaka ho fanta-bahoaka i Alaa hoe hitolo-batana izy amin'ny Sabotsy.

Ny talen'ny Human Watch ao Ejipta, Heba Morayef, dia nampifandrohy ny fisamborana azy amin'ilay lalàna mandràra ny hetsi-panoherana, novolavolaina tany ampiandohan'ity herinandro ity :

Aisehon'ny nisamborana an'i Alaa ny antony itadiavan'ny Ministeran'ny Atitany hametrahana ity lalàna ity ao amin'ny Art 7 = dia ny hanome azy ireo ny fahefana hisambotra izay mpikatroka mafàna fo rehetra tiany hosamborina

— hebamorayef (@hebamorayef) 28 Novambra 2013

Nanome ny valinteiny feno esoeso i Hesham Mansour:

Aza anontaniana izay nataon'i Ejipta ho antsika. Anontanio hoe impiry Ejipta no efa nisambotra an'i Alaa

Mona Seif, mpikatroka mafàna fo, anabavin'i Alaa, dia nampahafantatra ireo mpanjohy azy ny toerana itànana ny anadahiny :

Azonay antoka ankehitriny fa ao amin'ny tobin'ny CSF ao Giza, Kairo no tànana i Alaa – làlana mankany an'efitr'i Alexandria

Nogadraina i Alaa Abd El Fattah fony fitondràn'i Hosni Mubarak, nandritra ny 45 andro ary toy izay indray tamin'ny 2011 fony fitondràn'ny Filankevitra Ambonin'ny Tafika Mitam-piadiana, nijanonany am-ponja nandritra ny efa ho roa volana. Miatrika vesatra ihany koa izy ny 2013, eo ambany fitondran'ny governemantan'i Mohamed Morsi, niaraka amin'ilay Bassem Youssef, mpanao hatsikana malaza, izay hitan'ny maro ho fiampangàna noho ny antony ara-politika nampiasaina ho fandemena. Isak'ireny fotoana ireny, nipongatra hatrany ny tenifototra #FreeAlaa mba hanehoana firaisankina aminy. Tahàka ny efa miverina mandeha indray izy io izao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.