Ny Miteraka Ny Fahatapahana Herinaratra Ao Bénin

 

Travailler à la bougie- Photo de l'auteur avec sa permission

Miasa amin'ny labozia- Sary an'ny mpanoratra nanomezany alàlana.

 

Efa ho andro vitsivitsy izao, niverina indray ny fahatapahan'ny herinaratra manerana an'i Bénin.
Rehefa nangina nandritry ny fotoana ela, nanàla ny maha-tomponandraikitra ny Société Béninoise d'énergie électrique(SBEE), orinasa mpamokatra herinaratra ao Benin , ho nahatonga izany fahatapahana herinaratra vaovao izany i Saturnin Yèdonou, talen'ny famokarana ao amin'io orinasa io, tao amin'ny fampielezampeom-pirenena.

Araka ny tenin'i Yèdonou dia ny fanjakàna nizeriana izay mamatsy ny ampahany amin'ny herinaratra ao Bénin no tomponandraikitra amin'ireny fahatapahana ireny. Olana ara-teknika mitranga any amin'ny tobim-pihariana any amin-dry zareo , izay ahodin'entona no hoe antony

Araka ny tenin'ilay tale, ireo olana ireo dia nampihena ny tanjaky ny herinaratra novokarin'ilay goavana mpifanolo-bodirindrina ao Atsinanana ao, izay iankinan'i Bénin. Eo anoloan'izany tranga izany, nanasa ny vahoaka ingahy tale Saturnin YEDONOU mba hahatsapa fa ny fahasorenana mianjady aminy dia tsy inona akory fa zavatra mbola tsy miankina amin'ny sitrapon'ny SBEE indray koa.

Fanontaniana vitsivitsy mikasika ny fifanarahana amin'i Nizeria

Raha araka ny lazain'ireo manampahefana tomponandraikitra amin'ny famatsiana angovo ho an'ny vahoaka, osa ny politikan'ny angovo izay miantraika any amin'ny toekarena ny vokany ary mampihisatra ny asa fiveloman'ny olona ao Bénin,  indrindra fa noho ny fiankinan-dohan'ny firenena amin'ilay goavana mpifanolo-bodirindrina aminy. Amin'izany, ny tambajotra  TCN avy ao Nizeria sy ny VRA avy ao Ghana no mamatsy eo amin'ny 230 MW eo ho an'i Bénin amin'izao fotoana, fatra izay amidin'izy ireo aminy efa hatry ny taona maro.

Saingy manoloana ity tsy fahampian'ny angovo ao Bénin ity, azo atao ny mametraka fanontaniana mikasika ny fetran'ity fifandraisana ara-toekarena eo amin'i Bénin sy Nizera ity. Antsoiny araka izany ireo manampahefana mba hitondra fanazavana ho antsika mikasika ny votoatin'io fifanarahana io. Manoratra i Rodrigue Tokpodounsi ao amin'ny Jolome News : 

Rehefa dinihana tsara, tsy mitondra zavatra mivaingana ny fivoahan'i Saturnin Yèdonou efa taraiky loatra. Satria ny zava-dehibe ho an'ny olona ao Bénin dia ny mahalala hoe hatramin'ny oviana no haharetan'ny fahorian-dry zareo ary inona no fepetra raisin'ireo manampahefana mba hisorohana izany amin'ny hoavy.

Zava-mifanohitra

Ndeha hifantohantsika akaiky ny toe-draharaha misy ao Nizeria izay iankinan'i Bénin. Maherin'ny 60 % amin'ny Nizeriana, eo amin'ny 100 tapitrisa eo, no tsy afaka mampiasa herinaratra ary ny antsasaky ny vahoaka Nizeriana no miaina any ambanivohitra tsy misy herinaratra.  

Kanefa, firenena iray manontlo mihitsy (i Bénin io) no miankina amin'ilay goavana ao Atsinanana mba hiantoka ny filàny rehetra amin'ny angovo, izay hita mibaribary anefa fa sarotra ho azy na dia ny hanentsina ny filàn'ny vahoakany aza. Ary efa ampolo taona maro izany toe-draharaha izany no nisy.

Ho fampahatsiahivana, ao Nizeria, izay firenena lehibe indrindra mpamokatra solika aty Afrika, ny hanazavàna izany zavatra izany dia ny hoe tsy afaka hanapariahana herinaratra hanerana ny firenena ireo fotodrafitrasa misy ankehitriny.

Araka izany, efa ho ny roa ampahatelon'ny vahoaka no miaina ambanin'ny fetran'ny fahantrana ary ireo mba manana fahafahana miditra amin'ny tambajotran'ny herinaratra indray dia mizaka fahatapahana isanandro.

Hamaranana azy, toa raharaha mbola ho ela vao hivaha ny olan'ny angovo any Bénin.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.