Nandrava an'i Filipina i Haiyan

Typhoon survivors in Ormoc, Leyte paint a HELP sign. Photo from Facebook of Katreena Bisnar

Nanoratra “HELP” teo an'arabe ireo velona tany Ormoc, Leyte eo arabe amin'ny loko ny hoe  HELP sign on the road. Sary : Katreena Bisnar tao amin'ny Facebook

 

Aleo tsy ho antsointsika intsony hoe loza voa-janahary ny tranga tahaka izao. Tsy voa-janahary izao raha mbola miady amin'ny famongorana ny fahantrana sy mikatsaka ny fandrosoana ny olona ary resin'ny rivodoza izay heverina fa mahery vaika indrindra namely ny firenena. Tsy voa-janahary izao rehefa nolazain'ny Hairaha antsika fa mety hiteraka rivodoza mahery vaika ny fiakaran'ny hafanana. Tsy voa-janahary izao rehefa tena novàn'ny zanak'olombelona ny toetr'andro. 

-Yeb Sano, Lehibe mpisolotenan'ny governemanta Filipina niteny tany amin'ny Fihaonana an-tampon'ny Firenena Mikambana momba ny fiovaovan'ny toetr'andro tany Polona

Namely ny nosy afovoan'i Filipina, ka nahatonga onja toy ny tamin'ny tsunami izay nahafaty olona maherin'ny 4.000 tao anatin'ny indray mipi-maso ilay rivodoza mahery vaika sady mpandrava Haiyan, ny 8 Novambra 2013. An'arivony kosa ireo tavela teo amin'ny tany malalaka izay tranony fahiny.

Taorian'ny fandalovan'i Haiyan, antsoin'ny ao an-toerana hoe Yolanda, ela ihany vao tonga tany amin'ireo toerana niharan-doza ny fanampian'ny governemanta, singanina amin'izany ireo nosy lavitry ny faritra noravan'ilay rivo-doza any Visayas. Any, mbola mivalampatra eny amin'ny arabe ny faty ary maro ireo tompon-trano no nanjary tra-boina mangataka sakafo.

Isan'ireo faritra rava ny faritanin'i Leyte sy Samar. Mponina maherin'ny 11 tapitrisa no niharan'ilay rivo-doza, araka ny nolazain'ny Firenena Mikambana. Fara-fahakeliny dia trano 80.000 no ravan'ilay rivo-doza ary maherin'ny 582.000 ireo tsy manan-kialofana hoy ny vinavinan'ny governemanta Filipiana farany

Jereo ny adihevitray , “Miandry fatratra Rano, Sakafo ary Fanampiana ireo tra-boinan'ilay Rivodoza Haiyan. Ahoana no fomba hanampiantsika azy ?” voarakitra ao amin'ny Google Hangouts tamin'ny 15 Novambra 15 2013 tamin'ny 4 ora hariva GMT.

Ny fanadihadiana

Nov 17 Nahoana Ny CNN No Nahazo Dera sy Laza Tamin'ny Fitantarany Ny Rivodoza Tao Filipina
Nov 15 Fomba Hanampiana Ireo Tra-Boina Tamin'ny Rivodoza Tao Filipina
Nov 13 Philippine,Fanontanian'ireo Sisam-patin'ny Rivodoza: ‘Aiza Ny Mpitondra Antsika ?’
Nov 12 SARIPIKA : Miandry Fanampiana Fatratra Ireo Sisam-Patin'ny Rivodoza Mahery Vaika Ao Filipina
Nov 11 SARIPIKA: Tanàna Ravan'ny Rivodoza Tao Filipina
Nov 10 SARIPIKA: Nandrava ny Afovoan-tanànan'i Filipina Ny Rivodoza Mahery Vaika Haiyan

Ny velaran'ilay Loza

The govenrment's disaster mitigation and response map. The red areas are the most affected provinces in the Visayas.

Sarin-tany mampiseho ireo faritra niharan-boina, nataon'ny Governemanta Filipiana. Ny faritra mena no faritany tena voa mafy ao amin'ny vondro-nosy Visayas.

Ahoana no ahafahanao manampy
Nandrafitra ny lisitr'ireo vondrona izay afaka mandray fanampiana iraisam-pirenena ny governemanta Filipiana. Maro amin'ireo fikambanana sy sekoly Filipiana no manaiky ireo karazana fanampiana rehetra. Azo alefa amin'ny iTunes sy ny finday koa ary ireo fanampiana ireo. Tsy maka saram-pandefasana ny Western Union hatramin'ny faran'ny volana.

Mitady olona akaiky anao ve ianao ?
Novàna handray ny fiantraikan'i Haiyan sy ny asa famonjena ny tranon-kala ofisialin'ny governemanta Filipiana. Ireo izay manan-kavana na namana tsy hita dia afaka mangataka fanampiana amin'ny Google Person Finder sy ny vokovoko mena Filipiana miaraka amin'ny famaritana ny bikany. Etsy an-daniny dia navoakan'ny governemanta ny lisitr'ireo olona maty tany amin'ny faritany nandritra ny fandalovan'ilay rivodoza.

Twitter
Araho ny @mongster| @planphilippines| @atomaraullo
Tenifototra:#yolandaph| #Haiyan| #reliefph

Azonao atao ny mifandray amin'i  Mong Palatino, Tonian-dahatsoratray any Azia Atsimo Atsinananaraha misy tantara, hevitra na loharanom-baovao hanampiana an'ity pejy ity. 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.