Sangy Ratsy Twitter Taorian'ny Vaky Bantsilana Momba Ny Fitsikilovan'i Aostralia Ny Filoha Indoneziana

Nilàna naka “mpahay tetikady momba ny serasera sy ny politika momba ny fifikirana amin'ny nentin-drazana” mba hisarihana ny sain'ireo mpisera ety anaty aterineto nandritra ny tsy fisian'ny mangirana amin'ny fifandraisana diplaomatika eo amin'i Aostralia sy Indonezia amin'izao fotoana izao mikasika ny vaky bantsilana momba ny resaka fitsikilovana. Susilo Bambang Yudhoyono, filohan'i Indonezia, dia nibitsika nanohitra ny fihainoana ny resaka an-telefaona ataon'ny Direksiona Aostraliana Misahana ny Fiarovana sy ny Fifandraisana, izay nahatafiditra ny azy sy ny vadiny tamin'ny 2009 :

Tena alaheloko ihany koa ny fanambaràn'ny Praiminisitra Aostraliana izay nanao ho tsy nisy lanjany ity resaka fihainoana resaka an-telefaona any Indonezia ity, tzy nisy nenina na kely aza. * SBY *

— S. B. Yudhoyono (@SBYudhoyono) 19 Novambra 2013

Voatahiry anaty failo Powerpoint amin'ny endriny andian-tsary mifandimby ireo vaky bantsilana ireo. Ity iray ity dia ahitàna ny lisitr'ireo telefaona tratry ny fihainoana :

Indonesian surveillance targets

Fanarahamason'ny Indoneziana mikendry ireo antontan-drakitra nitete avy any amin'i  Edward Snowden….

Ny 20 Novambra 2013 i Mark Textor, mpanao fitsapan-kevitra sy mpandrafitra tetikady politika ho an'ny Antoko Liberaly eo amin'ny fitondrana ao Aostralia, dia niaina vanim-potoana iray tahaka izao tao amin'ny Twitter : ‘Fialantsiny avy amin'i Aostralia takianà lehilahy iray toa manam-piaviana Filipiana, olo-malazan'ny filalaovana sarimihetsika vetaveta tany amin'ny tana 1970 tany ary mila mametraka fitsipi-dalalao’. [Azy ny hadisoan-tsipelina.] Toa fanondroana miharihary an'i Marty Natalegawa, minisitry ny raharaham-bahiny indoneziana fahiny io.

Tsy nahavita niaro an'i Textor tsy ho sahirana ny namafàny ilay bitsika naniratsira.

#Indonesia RT “@denniallen @SBYudhoyono  miala tsiny aminareo aho noho ny fanànako mpanolotsaina Liberaly mitapy tahaka ity eto amin'ny firenentsika. pic.twitter.com/BsYNgWTPAC

— Stephanie Rice (@stephrice88) 20 Novambra 2013

Narahan'ny karazana fandàvana sy fialantsiny isan-karazany ilay famafàna nataony.

Ny fialantsininy tao amin'ny Twitter dia nahatonga ny saina hifantoka tany amin'ny fandavan'ny Praiminisitra  Tony Abbott tsy hiala tsiny satria tsy hanisy resaka mihitsy ny fiarovam-pirenena izy:

Miala tsiny amin'ireo Indoneziana namako rehetra – vaky loha/sorena noho ny fanasamantsamahana ataon'ny media – tena tsy toerana marina ho an'ny diplaomasia ny Twitter.

— Mark Textor (@markatextor) 21 Novambra 2013

Ary lesona lafatra amin'ny antony namafàna ilay bitsika & tsy hamaha ny olana akory ny fandàvana azy avy eo #Textor #TimeMagazine http://t.co/6bhUbea7LR

— Maybe (@Maybeee2011)  21 Novambra 2013

Voarakitr'ireo bitsika ihany koa ny hatsikana tamin'izay fotoana izay :

Hmmm.. Tahàka ny manana fahalalana ‘akaiky’ ny mpilalao sarimihetsika vetaveta i Mark #Textor  an… Hitako ho manahirana ihany izany. #auspol

— Arthur Gordon Pym (@arthur_gordon_p) 21 Novambra 2013

Nofafàn'i Textor ny kaontiny Twitter, ny antony hita aloha dia noho ny fandrahonana ho faty toa tsy sangisangin'i Vermeera :

Ilaozan'i Mark Textor ny Twitter taorian'ny fandrahonana ho faty – http://t.co/ShD6XUJ9aZ avy amin'ny @smh #auspol sa lainga be foromporonina fotsiny?

— Vermeera (@Vermeera) 23 Novambra 2013

Tsy afaka nialàna fa dia nisy kaonty sandoka nisolo toerana azy io :

@TwitterAU Aronareo fafàna ve ny @Markatextor sy @MarkTextorCT alohan'ny  hahatongavan'ny olona tsy ampy fisainana hampiasa azy ireo?

— Drag0nista (@Drag0nista) 23 Novambra 2013

Sahala amain'ny manana Lalàna #Textor isika ankehitriny: tsy manana afa-tsy tarehin-tsoratra 140 ao anatn'ny atidohany ireo dokotera tena fatratra amin'ny fisaboana ny lainga foromporonina ety anaty media sosialy. Misy zavatra ifandraisany amin'ny faniriana hoe ho afaka haninao ny teninao.

Natsahatry ny SBY ny fiaraha-miasa ara-tafika sy ara-pitsikilovana niarahany tamin'i Aostralia sy ireo olona sasany mpampita an-tsokosoko. Mandritra izany, andian'olona vitsy mpanao hetsi-panoherana no nandoro saina Aostraliana tao Jakarta.

Demonstration in front of the Australian Embassy, Jakarta, Photo by Denny Pohan, Copyright @Demotix (11/21/2013)

Fihetsiketsehana teo anoloan'ny Maosoivoho Aostraliana, Jakarta,  Sary an'i Denny Pohan, Fizakàmanana @Demotix (11/21/2013) 

 

Taorian'ny tete azo avy amin'i Edward Snowden, tsy maintsy manontany tena ny masoivohom-pitsikilovana Aostraliana raha fahendrena ny nifampizaràna ilay failo Powerpoint momba ny fitsikilovana an'i Indonezia miaraka amin'ny governemanta Amerikana

.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.