Ahoana Ny Fanivanan'ny LINE Ireo Mpanjifa Any Shina ( Ahoana No Hialàna Amin'Izany)

Any amin'ny bilaogy fikarohanan'ny Citizen Lab ny lahatsoratra amin'ny endriny manontolo amin”ity lahatsoratra ity.

Karazana fampiasa fandefana hafatra malaky vaovao ho anà finday — miaraka amin'ny tolotra tambajotra sosialy, fizaràna lahatsary sy sary, e-commerce, lalao sy zavatra maro hafa — no mandrakotra ny tsena Aziatika sy manerana ireo firenena maro ivelan'ny faritra. Misy fikarohana vaovao ataon'ny Citizen Lab ao amin'ny Oniversiten'i Toronto ny andalinana ireo teritery ataon'ny governemanta amin'ireo orinasa Aziatika mpanamboatra finday mamorona fampiasa fandefasana hafatra malaky, ny fanaraha-maso ireo angom-baovao any anatin'irep fampiasa ireo sy ny fiantraikan'izany any amin'ireo mpanjifa. 

Ny tetikasa Asia Chats avy amin'ny Citizen Lab ao amin'ny Sekoly Munk mianatra momba ny raharaha Iraisam-pirenena ao amin'ny Oniversiten'ny Toronto dia natokana hanadihady momba ireo fampiasa fandefasana hafatra malaky amin'ny finday ao amin'ny faritra ka voalohany ifantohana amin'izany ny WeChat (Tencent, Shina), LINE (LINE Corporation, Japana1), ary KakaoTalk (Kakao Corporation, Korea Atsimo). Hirakitra  fanadihadiana ara-teknika ny sivana sy ny fanaraha-maso, ny tombatomban'ny fampiasana sy ny fanatobiana ny angon-drakitry ny mpanjifa, ny fampitahana ny fepetran'ny tolotra sy ny politikan'ny tsiambaratelon'ireo fampiasa ireo ny tatitra nataonay. Ny tatitra voalohany nataon'i Seth Hardy, Lehiben'ny Fanadihadiana ny Fiarovana dia mandinika ny fametrahana ny tenifototra fanivanana ho an'ireo mpampiasa LINE monina any Shina sady mampiditra fitaovana iray nataonay mba hahafahan'ny mpanjifa miala ny sivana ao amin'ny LINE. Indro atolotray ny famintinana fohy ny zavatra tsapanay.  

Ny firoboroboana malakin'ny LINE sy ny olan'ny fiainana manokana

Navoaka tamin'ny Jona 2011, efa 280 tapitrisa izao ny mpanjifa voasoratra anarana ao amin'ny LINE, fandefasan-kafatra malaky malaza. Ivelan'ny tsena niandohany tao Japana,manana mpanjifa 18 tapitrisa any Thailandy ny LINE, 17 tapitrisa any Taiwan, ary 14 tapitrisa any Indonezia. Namokatra ny Lianwo (连我) endrika vaovaon'ilay fampiasa  fa marika Shinoa, ny LINE tamin'ny Desambra 2012, iarahany miasa tamin'ny Qihoo 360 Technology Co., Ltd.2  Nambaran'ny lehiben'ny sampana LINE any Shina fa ny ho orinasa faharoa lehibe mpamokatra IM manaraka ny WeChat-n'ny Tencent no tanjon'izy ireo. 

Arakaraky ny ampiasan'ny olona maro ny fampiasa firesahana mivantana (chat) toy ny LINE  no anamafisan'ny governemanta ny ilàna ny fanaraha-maso ny serasera amin'ireny fampiasa ireny ho an'ny “hetsika mamoa-doza”. Ny fijerena akaiky ny LINE dia manome soso-kevitra hoe, na fanahy iniana na tsia, ireo fampiasa ireo dia manome fomba iray hampiharana ny lalàna hihainoana ireo serasera manokan'ny olona. Voamarin'ny mpikaroka ao amin'ny Citizen Lab fa alefa amin'ny tambajotra 3G tsy voaaro ny serasera amin'ny chat-n'ny LINE amin'ilay andiany farany natao ho an'ny daholobe. Izay olona afaka misambotra ireny hafatra ireny dia afaka mahazo ny tantaran'ny chat, izay misy ny rehetra manomboka amin'ny daty sy ny fotoana nanaovana ilay chat hatramin'ny votoatiny. Na dia efa voaaro tsy ilàna fikitihana aza ireo tambajotra 3G, any ampidirana azy mihitsy no mampandeha io fiarovana io, midika izany fa ny sampan-draharaha mpanome tolotra Aterineto( ISPs) sy ny serasera dia afaka manala io aro io. Noheverin’ ireo mpaneho hevitra fa mety ho ninian'ny LINE tsy nasiana aro ny 3G mba hanomezana fahafahana ireo manam-pahefana hitsofoka amin'ny angon-drakitra any ampidirana mihitsy.

Ny sivan'ny tenifototra any amin'ny faritra

Ny 20 May 2013, hitan'ny mpiserasera amin'ny Twitter @hirakujira ny lisitry ny tenifototra 150 voabahana tao anatin'ny iPhone-n'ny LINE ho an'ireo mpanjifa any Shina.  Mba hahalalàna bebe kokoa ny fiasan'ny sivana ao anatin'ny LINE dia niverenanay naboraka ny fampiasa LINE andiany faha 3.9.3,3 ho an'ny Android,  notrohana tao amin'ny Google Play store. Hitanay fa rehefa atao hoe any Shina ilay mpanjifa no monina mandritra ny fametrahana azy dia miasa tsara ilay sivana. Avy eo nisy lisitry ny tenifototra voasivana notrohana avy amin'ny lohamilina Naver ary izay hafatra mirakitra ireny tenifototra ireny dia voabahana.

Screen capture of notification users receive when attempting to transmit a keyword on the blocked list.

Dikasarin'ny filazana voarain'ny mpanjifa rehefa manandrana mandefa hafatra amin'ny tenimiafina voasivana ao anaty lisitra izy.

Mitaky ny firenen'ilay mpanjifa sy ny laharan'ny finday ny LINE rehefa tafapetraka. Andefasan'ny sampan-draharaha somaiso miaraka amin'ny isa efatra mba ho fanamarinana io laharana finday io. Raha toa ka tsy mifandray ny marika famantarana ny firenena misy ilay finday sy ny faritra misy azy dia mamoaka soratra ilay programa hoe ‘hadisoana’ sady miteny amin'ilay mpanjifa mba hamerina indray. Nanomboka nifampizara fahalalàna ireo ireo mpampiasa azy hahafahana manova ny famantarana ny fireneny mba hahatafidirana  amin'ireo zavatra azo trohana isam-paritra toy ny zavatra azo araikitra tsy mila lakaoly – autocollant (ny LINE any Indonezia ohatra dia manana ‘autocollant’ hankalazàny ny volana masin'ny Ramadany.) Fomba iray amadihan'ny LINE ny tolotra ataony ho vola ny zavatra azo trohana toy ny ‘autocollant’.

Tsy naharitra ela anefa ny fiasan'io fomba teo aloha fanovàna ny anaram-paritra io satria ny andiana LINE vaovao amin'izao fotoana izao dia manidy ny angon-drakitry ny faritra, toy ny fanakanana ireo mpanjifa tsy hanova ny famantarana ny fireneny sy ny fidirana amin'ny fitrohana ny votoaty izay tsy ananany alàlana na tsy maintsy andoavany vola.

Asehon'ny fikarohana nataonay fa afaka manao sivana ny tenimiafina ny LINE hatramin'ny nivoahan'ny andiany farany 3.4.2 tamin'ny 18 Janoary 2013.4 Nivoaka tany Shina ny LINE tamin'ny Desambra 2012 ary hita ihany koa fa nihatra avy hatrany ny sivana ny tenimiafina taoriana kelin'ny fivoahany. Tahaka ny tenimiafin'ireo mpanjifa mipetraka any Shina no tehirizin'ny Qihoo 360, saingy tsy mbola mazava tsara ny fitantanana azy ireny. Seha-pikarohana iray mahaliana ny fampitahana ny fomba fiasa sy ireo tenimiafina voasivana miaraka amin'ireo ampiasain'ny mpamokatra Qihoo 360 sy ny WeChat.

Ao anatin'ny lisitry ny tenimiafina voasivan'ny LINE ny mifandray amin'i  Bo Xilai, mpanao politika mpikambana tao amin'ny Antoko Kaominista Shinoa (CPC) taloha fa voaroaka, ilay famoretana tao amin'ny Kianjan'ny Tiananmen tamin'ny 4 Jona 1989, ny tsy fifanarahana anaty na fisamantsamahana teo an'ivon'ny CPC, ny Falun Gong, sy ireo resabe maro isan-karazany toy ilay lozam-pifamoivoizana nahatsiravina tamin'ilay fiara Ferrari izay nahavoarohirohy ny zanakalahin'ilay tompon'andraikitra ambony ao amin'ny antoko akaiky ny Filoha  Hu Jintao sy ny harena miafin'ny fianakaviana Wen Jiabao. Samy nadikan'i Jason Q. Ng,  mpikambana ao amin'ny Citizen Lab Research, na ny lisitry ny tenimiafina tany am-boalohany hitan'i @hirakujira, na ilay andiany farany nandrombinanay avy amin'ny teny Shinoa voadika ho amin'ny teny Anglisy ary mitantara ny vanim-potoana tao ambadik'izy ireny. Ilay lisitry ny tenimiafina voalohany hitan'i @hirakujira dia voalaza ao anatinà andiana lahatsoratra amin'ny bilaogy ( jereo eto ny lisitra feno) ary ny tenimiafina farany akaiky indrindra hitan'ny  Citizen Lab sy nadikan'i Ng dia hita eto.

Mahaliana, tsy mitovy ny lisitry ny tenimiafina saivanin'ny LINE sy ireo lisitra izay efa hitanay tany aloha tamin'ny fikarohana nataonay taminà mpanjifa hafatra malaky Shinoa roa hafa, TOM-Skype sy Sina UC. Raha toa ka mitovy ny lohahevitra sasany ( ohatra : ny  4 Jona, Falun Gong, etc ) dia tenimiafina 27 amin'ny 370 ao amin'ny lisitry ny LINE  monja no tena mitovy miaraka amin'ireo tenimiafina 4.256 manokana ho an'ny angon-drakitry ny TOM-Skype sy Sina UC.

Io tsy fisian'ny fifandraisana io dia midika fa tsy misy izany lisitra tenimiafina nomen'ny manam-pahefana ao amin'ny governemanta ireo orinasa ireo izany. Nahitana tsy fifanarahana mitovitovy amin'izany teo amin'ireo vokatry ny fanadihadiana natao tany aloha momba ny sivana ao amin'ny tolotra bilogy sy ireo fitaovam-pikarohana fantatra ho an'ny tsena Shinoa. Amin'ny ankapobeny dia azo adika ireo zavatra hita ireo fa mety nomen'ny manam-pehefana toro-làlana ankapobeny ireo orinasa Shinoa, momba ireo karazana votoatin-dresaka ho kendrena, nefa manana fahalalahana kely ihany amin'ny fomba fampiharana ireo toro-làlana ireo. 

Ahoana no fomba ialàna amin'ny  fanivànana tenimiafina ao amin'ny LINE 

Koa satria rehefa mipetraka any Shina ihany ilay mpanjifa vao miasa ilay sivana tenimiafina ampiasain'ny LINE, tsy misy dikany izany io raha toa ka any amin'ny faritra ivelany no misy ilay mpanjifa ( ohatra any Kanadà na any Amerika), dia namorona ny Fitaovana fanafenana ny marika manokan'ny Faritra ho an'ny LINE – LINE Region Code Encrypter Tool ny Citezen Lab ho fanovana ny faritra ho an'ny mpanjifa ny LINE mba hanakànana ny sivan'ilay tenimiafina any isam-paritra. 

Fikarohana manaraka 

Miatrika ny fihenjanan'ny tady maharitra eo amin'ireo antso ataon'ny mpanjifa ifotony sy ny lalàna fanaraha-maso ireo angom-baovao apetraky ny governemanta (toy ny any Shina) ny LINE. Mampiseho ny hasarotry ny fampandehanana ny fampiasa iray any amin'ireo faritra maro sy ny toetoetra tokan'ny tsena Aziatika miaraka amin'ny tontolon'ny serasera voateritery ireny fanamby ireny. Koa satria miha-tian'ny olona hatrany ilay fampiasa IM Aziatika, dia mitombo araka izany koa ny fanerena mba hanangana fifehezana ny angom-baovao sy ny famborahana ny angon-drakitra momba ny mpanjifa. Mbola hitohy hanadihady ny fiakarana sy ny fiantraikan'ireo fampiasa ireo amin'ny andianà Chats any Azia ny Citizen Lab.

Ho an'ny fanadihadiana ara-teknika amin'ny antsipirihany ireo zavatra hita voalaza eto dia jereo ity tatitra nataon'i Seth Hardy, Lehiben'ny Fanadihadiana ny Fiarovana ao amin'ny Citizen Lab ity. 

Ekipan'ny mpikaroka amin'ny Chats any Azia : Masashi Crete-Nishihata, Jakub Dalek, Seth Hardy, Andrew Hilts, Katie Kleemola, Irene Poetranto, Jason Q. Ng, Adam Senft, Aim Sinpeng,  Byron Sonne, Greg Wiseman.

 

Fanamarihina eny amin'ny faran'ny pejy
1Tany am-boalohany dia ny NHN Japan, sampana iray ao amin'ny Naver Corporation Japoney (NHN tany aloha) any Korea Atsimo no namokatra ity fampiasa ity. Taorian'ny fahombiazan'ilay fampiasa, dia novàna ho sampana iray ao ami'ny Naver ny LINE corporation. 
2Nahazo lisansa ho an'ny fandraharahana hiasa ho an'ny LINE any Shina i Qihoo 360 ary nomen'ny LINE alàlana mba  hampiroborobo sy hiantoka ny tolotra avy aminy .
3Ity ny andianà Androïd-n'ny LINE farany indrindra nivoaka tamin'ny 14 Novambra 2013. 
4Tafiditra tao amin'io andiany io izahay tamin'ny fampiasana ny APK files hita ao anaty AndroïdDrawer. 

 

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.