Hanafoana Ny Tobim-piasàn'ny Gadra i Shina

Nanambara ny fikasany hanafoana ny rafitra “fanarenana amin'ny alalan'ny asa” i Shina.

Nolaniana tamin'ny taona 1957 ny lalàna izay manome alalana ny polisy handefa ireo ankizy maditra tsy ampy taona hiasa any amin'ny tobim-piasàna mandritra ny efa-taona ny rafitra, tahaka ireo mpangalatra, mpivaro-tena sy mpidoroka rongony ary tsy mandalo fitsarana. Maro ireo nitsikera ny rafitra ho fitaovana ampiasain'ny manampahefana ao an-toerana mba hamelezana ireo mpanakorontana mihantsy ny manampahefana.

Araka ny  tatitra tamin'ny taona 2009 nandritra ny forum momba ny zon'olombelona nokarakarain'ny Firenena Mikambana, olona 190 000 no nigadra tao amin'ny tobim-piasàna (an-terivozona) ao Shina ary mbola tsy nandalo fitsarana.

Tamin'ny taona 2012, nahazo sazy an-tranomaizina roa taona tao amin'ny tobim-piasàna ilay manampahefana ao an-tanàna, Ren Jianyu rehefa nandefa bilaogy-madinika manameloka ny lehiben'ny antoko Chongging teo aloha, Bo Xilai ho nitarika ny Revolisiona ara-kolontsaina hiverina ao Shina tamin'ny alalan'ny hetsika “red songs (hira mena)” nokarakarainy. Niteraka hetsika hampitsaharana ny rafitra “fanarenana amin'ny alalan'ny asa” tao amin'ny fampahalalam-baovao sosialy ao Shina ny tranga nahazo an'i Ren.
Noraisina ny fanapahan-kevitra taorian'ny fivoriambe fahatelo, izay nihaonan'ireo Komity Foiben'ny Antoko Komonista Shinoa. Raha maro ireo nihevitra ny hetsika ho dingam-pandrosoana, naneho ny ahiahiny tao amin'ny media sosialy kosa ireo mpisolovava sy mpanao gazety sasany raha tena fanafoanana tokoa izany.

After the third plenary meeting, China has announced its plans to abolish the “re-education through labor” system. (Picture from 163.com)

Taorian'ny fihaonam-be fahatelo, nanambara ny drafitra hanafoana ny rafitra “fanarenana amin'ny alalan'ny asa”i Shina. (Saripika avy amin'ny 163.com)

Mpisolovava menavazana, Yuan Yulai nanoratra [zh] hoe:

劳教是个毒树,铲除了,固然值得高兴。但土壤还在,肯定还会长出什么变种来。所谓里程碑一说,则纯属意淫。里程碑是在路上的,宪政根本没有上路,哪里来的里程碑?

Hazo misy poizina ny fanagadrana ary mahafaly antsika ny mahita ny fanafoanana izany. Saingy eo foana ny tany, ary azo inoana fa hitombo ivelan'ny (ara-dalàna) ny karazan-toby maro hafa. Tsy tena misy akory izany lazaina fa dingana noraisina izany. Lazaina fa efa eny an-dalana ny dingana, saingy tsy misy lalampanorenena akory eny an-dalana,  avy aiza no niavian'izany dingana izany?

Filoha mpitantana ny orinasa Zhongzheng, Peng Xiangfeng nanoratra hoe:

劳教制度虽然废止了,不要高兴得太早,这几天和政法系统的领导交流,貌似现在有两个轻刑化罪名要大量应用了,一个是妨碍公务,一个是寻衅滋事,不过这两个终归要经过法院审判、律师辩护,还是进步了

Na dia nofoanana aza ny fanarenana amin'ny alalan'ny asa, aza taitaitra loatra. Taorian'ny fifanakalozan-kevitra teo amin'ireo mpitarika politika sy ny rafitra mpahay lalàna, toa misy sazy mavaina roa ankehitriny ampiharina amin'ireo tranga maromaro, fanakanana ny iray, ny hampiteraka korontana ny iray hafa, saingy tokony hiatrika fitsarana ambaratonga voalohany sy filan-kevitra aloha izy roa ireo, izay mbola ho azo sokajiana ho fandrosoana.

Nanoratra am-piesoesoana i Li Qidong, mpampianatra avy ao Shenyang izay nalefa tany amin'ny tobim-piasàna nandritra ny herintaona noho izy “nanakorontana tao an-dakilasy” fa: 

劳教没有废除时,总是强调“不可替代”;宪政没有实施时,总是大加批判。这就是中国国情——总有阻碍改革、唯马首是瞻的人!

Raha mbola tsy nofoanana ny fanagadrana, nilaza izy ireo fa “tsy misy mahasolo izany”, raha mbola tsy tafapetraka ny lalàmpanorenana, dia hotsikerain'izy ireo hatrany izany. Indreo ny masontsivam-pirenena Shinoa – misy olona mijoro hatrany eo amin'ny lalan'ny fihavaozana.

“Southern Weekend” naneho hevitra hoe [zh]:

从来没有一个制度如此大面积地侵犯公民的人身自由。全国人大常委会不仅要作出废止决定,更应直接对劳教制度进行合宪性、合法性审查;与劳教改革相配套的相关措施,也应进入人大视野。司法机关则应考虑如何公正对待劳教受害人的诉讼和赔偿等要求。

Tsy mbola nisy mihitsy hatrizay rafitra manana fahefana midadasika hanohintohinana ny fahalalahana sivily. Tsy ny fanapahan-kevitra amin'ny fanafoanana ihany no tokony ataon'ny Vaomiera Maharitry ny Komity Foiben'ny Antoko, fa tokony hanamarina ny maha-mifanaraka azy amin'ny lalàmpanorenana sy ny fanavaozan-dalàna momba ny rafi-panagadrana. Tokony hisy ny fanapahan-kevitra mivaingana momba ny fanitsian-dalàna momba ny fanagadrana. Tokony handinika ny fomba hanomezana onitra amin'ny fanagadrana [tsy ara-drariny] noho ny fifandirana ara-pitsarana ny fahefana mpitsara.

Profesora Jiao Hongchang ao amin'ny oniversite shinoa sampana siansa politika sy Lalàna nanoratra [zh] hoe: 

现在的问题不是废不废,而是怎样废。关键是在什么时机通过什么方式,建立怎样的制度转化来填补劳教制度废止后的空白。

Tsy ny fanafoanana na tsia no resaka ankehitriny, fa ny hoe ahoana ny fomba hanafoanana izany, rahoviana, amin'ny fomba ahoana, ary ahoana ny fomba hametrahana rafitra hamenoana ny banga navelan'ny fanafoanana ny rafitra fanarenana amin'ny alalan'ny asa [an-terivozona].

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.