Mifarana Ny “Ady Anaty Twitter ” Ho Amin'ny Fitondrana Ao Ozbekistana

Nandiso fanantenana olona maro maherin'ny 50.000 mpanjohy azy ny nampiatoan'i Gulnara Karimova, ilay zanakavavy mahafatifatin'ny filohan'i Ozbekistana, ny kaontiny Twitter (@GulnaraKarimova) ny 21 Novambra teo. Nandritra ireo herinandro maromaro farany teo, nanome topimaso tsy fahita firy mikasika ny ady fitondràna eo anatin'ity firenena isan'ny be misitery eto ambonin'ny tany ity ireo bitsika nalefany.

Ny fianjeran'ilay “printsy vavy”

41 taona, ary iray amin'ireo olona manankerena indrindra sy faran'izay toavin-teny ao Ozbekistana, efa ela i Gulnara Karimova no nambara ho mety hisolo ny rainy izay efa nitondra ity firenena ao Azia Afovoany ity hatramin'ny 1989. Mpianatra tany Harvard i Gulnara ary nitàna andraikitra masoivohon'i Ozbekistana tany amin'ny Firenena Mikambana sy Espaina fahiny. Vao haingana kely, nifantoka tamin'ny maha-“pop star” sy mpamorona lamaody azy izy. Nanangana tambajotra midadasika be fanaovana asa soa sy media, fandraharahana ary tetikasa ara-kolontsaina any Ozbekistana izy.

Kanefa, herinandro maro lasa izao, iharan'ny ankamely ataon'ny sampandraharaha misahana ny fandriampahalena ireo tetikasan'i Karimova ao amin'ny firenena. Marobe amin'ireo olona iarahany miasa, ary ny sasany amin'ireo mpiambina azy manokana no nosamborina noho ny vesatra izay heveriny ho noforomporonina fotsiny ihany.

Gulnara Karimova. Image from Wikimedia Commons.

Gulnara Karimova. Sary tao amin'ny Wikimedia Commons.

“Ady anaty Twitter “

Tanaty fihetsika tsy nampoizina, naka ny Twitter i Karimova hamosahany izay heveriny ho tsikombakomban'ny olo-matanjaky ny fitandroana fandriampahalemana ao amin'ny firenena mba hamèrana ny dindony ara-politika. Nandritra ireo herinandro maro farany teo, nobitsihany ny mikasika ireo fanenjehana avy amin'ny sampandraharaha Ozbeka misahana ny fandriampahalemana mihatra amin'ny fandraharahàny sy ny raharahany ara-politika. Ampangainy ihany koa ny sampandraharaha misahana ny fandriampahalemana ho mampiasa fampijaliana mba hahazoana fiaikena heloka. 

Arakaraky ny fitomboan'ny isan'ny zavatra alefany ao amin'ny Twitter no itomboan'ny isan'ireo mpanjohy azy ihany koa. Maro amin'izy ireny no mpanao gazety sy olon'ny oniversite avy any ivelany. Ireo bitsik'i Gulnara dia nanome fitantaram-piainana tena izy, tsy mbola nisy hatrizay, mikasika ny ady fitondràna ao anatin'ny iray amin'ireo firenena isan'ny feno zava-miafina eto an-tany, ary amin'ny fampiasàna ny mpisolo tena voalohany. Nofaritan'ny BBC ho  “Ady anaty Twitter ” ny fomba ampiasàn'i Gulnara ilay tambajotra sosialy.

Raha ny fahitàna azy, manana maro amin'ny mpisera anaty aterineto i Gulnara miaraka aminy ao anatin'izany ady izany. Namerina nibitsika ny hafatra anjatony nalefan'ireo Ozbeka sasany mampiasa Twitter ka namoaka ny feony ho fanohanana azy izy. Ahitàna olona avy amin'ireo firenena mpifanolo-bodirindrina ihany koa amin'ireo olona mpanjohy ny kaontiny Twitter, olona izay naniry raha mba mampiasa Twitter ihany koa ny  zanak'ireo lehilahy matanjaka mpifehy ny firenen-dry zareo. Ny 20 Novambra, Tajik iray mpanjohy ny kaontn'i Karimova no nibitsika hoe [ru]:

Ny fijerena ny fampisehoana Twitter mikasika ny padishah [mpanjaka] Ozbeka, ny zanany vavy  @GulnaraKarimova ary ny vizier [minisitra] ratsin'ny fandriampahalemana no anombohako sy amaranako ny androko

Mampalahelo fa tsy mba manao io karazana sarimihetsika io ry zareo aty Tadjikistana

Iray hafa mpampiasa Twitter no nanoratra [ru] tamin'ny 20 Novambra hoe :

Ny tantaran'i Gulnara Karimova angamba no voalohany amin'ny ady fitondràna azon'ny olona narahana tety anaty Twitter.

Mandao ny Twitter i Gulnara

Nihamafy ny “Ady anaty Twitter ” nataon'i Gulnara tamin'ny tapaky ny Novambra satria nanjary nivantana kokoa izy tamin'ny fanakianana ny ministeran'ny filaminana ao Ozbekistana ho mampiasa endrika faneriterena fanaon'i Staline mba hanamafisany ny fahefàny. Avy eo, ny 20 Novambra, notsiniany ho avy amin'ny reniny Tatyana Karimova ny fahavoazany. T. Gulnara nilaza fa “nanome toky hamotika izay rehetra mifandray amin'i  [Gulnara]” i Tatyana Karimova raha toa i Gulnara tsy manajanona ny “fitsabatsabahana” amin'ny tombontsoam-pandraharahàny. Iray volana tany aloha, nampangain‘i [ru] Gulnara ny reniny ho manao asa fanompoan-tsampy ary “satanisma” mihitsy aza angamba.

Taorian'ny nandaniany fotoana maro “namoahany ho fanta-bahoaka ny lamba maloton'ny fianakaviany” ny 21 Novambra teo, nakaton'i Gulnara ny kaontiny Twitter.

Taorian'ny andro iray manan-tantara namoahana ho fanta-bahoaka ny lamba matolon'ny fianakaviana, tsy hita intsony ny kaonty Twitter an'i Gulnara Karimova (indray aloha, hatreto). http://t.co/1K41kzzPdK

Marobe ireo mpisera anaty aterineto no nahatsiaro ho diso fanantenana tamin'ny namoizany ilay hany topimaso tsy fahita firy ao anatin'ny politikan'ny fahefana sy ny adiady madinika ao anivon'ny fianakavian'ny mpitondra ao Ozbekistana :

Nofafan'i Gulnara Karimova ny kaontiny Twitter. Mampalahelo, indrindra ho anà kaonty iray mahaliana tahaka io ( http://t.co/wo8dWrSBuI )

Tain'alika! Lasa aiza i Karimova? Avereno i Karimova! Ahoana izao no ahazoako fanavaozam-baovao mikasika izay mitranga eto Ozbekistana?

Ahoana no niafaran'ilay fampisehoana mahatsikaiky mikasika ny padishah Ozbeka sy ny zanany vavy? Mba tsara fiafara ihany ve sa tsia? Takiako ny mba hitohizan'ny fampisehoana!

Mety hitohy afaka fotoana fohy ilay “fampisehoana mahatsikaiky”. F'izany eo ihany, taloha rehefa nanjavona tao amin'ny Twitter i Gulnara, fotoana fohy izy dia niverina niaraka taminà fahalinana tsy nisy toy izany amin'ny fandefasana bitsika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.