Fomba Fijery Diso Mbola Miraikitra, Fitsarana An-tendrony Misoko Mangina: Endrik'Olona Mainty Ao Amin'ny Boky Tantara An-tsary Breziliana

Página da história em quadrinhos "Encruzilhada". Artista: Marcelo D'Salete. Imagem utilizada com permissão.

Pejy tao amin'ny tantara mitohy an-tsary “Encruzilhada” [“Fihaonan-dalana]. Mpanakanto: Marcelo D'Salete. Nahazoa-dalana ny sary. Famariparitana ny pejy: Notànan'ireo mpiambina magazay mba hatao fanadihadiana ilay olona manana endrika mainty satria noheverin'izy ireo fa mpangalatra fiara. Tantara marina izany ary ilay olona notànana tsy ara-drariny mihitsy no tompon'ilay fiara Ford resahana ao amin'ny lahatsoratra. Lahatsoratra amin'ny tantara an-tsary: (1) Inona no ataonao eo? Ianao ve no ao ambadik'ity fiara Ford ity? (2) Farafahakeliny telo ny fandikan-dalàna teo aloha nataonao. (3) Mihevitra ve ianao fa handeha hangalatra fiara aho? (4) Adala ve ianao? Avelao aho! Mila mody aho!  

Iharan'ny fahadisoam-pomba fijery mbola miraikitra sy fitsarana an-tendrony misoko mangina mandritra ny taona maro ireo manana endrik'olona mainty ao amin'ny boky tantara an-tsary breziliana, araka ny hita tamin'ny fanadihadiana manatantara notontosain'ny profesora Nobuyoshi Chinen ao amin'ny Fanaraha-maso ny Boky Tantara an-tSary [pt] ao amin'ny Sekolin'ny Fifandraisana sy ny Kanto ao amin'ny Oniversiten’ São Paulo (USP).

«Mbola tsy tonga lafatra ny fanehoana”, hoy ity mpikaroka ity nandritra ny tafatafa [pt] tao amin'ny fantsom-baovaon'ny USP. Nanadihady tsy ny fisian'ny endrik'olona mainty ihany fa ny fanehoana hita maso azy ireo amin'ny tantara an-tsary ihany koa ny lohahevitra nosafidiany amin'ny fanohanan-kevitra hahazoana ny mari-pahaizana dokotorà [pt], mitondra ny lohateny hoe «Ny anjara toeran'ny olona mainty hoditra sy ny olona mainty hoditra amin'ny gazety”, izay manokatra fanadihadiana momba ny fahadisoam-pomba fijery sy ny fitsarana an-tendrony.

Amin'ity resadresaka nataon'ny Global Voices amin'ny teny portiogey ity, niresaka fohy momba ny fikarohana nataony, ny fahasamihafana isam-paritra ao Brezila sy ny boky tantara an-tsary ary ny fifandraisana eo amin'ny fanehoana an-tsary virtoaly sy ny hetaheta ara-tsosialy ny profesora Nobu, araka ny soniany tao amin'ny mailaka.


Global Voices (GV): Nahita fandrindrana lehibe eo amin'ireo mpanoratra mainty mahavita mahataona ny fisian'ny olona mainty eo amin'ny tontolon'ny tantara an-tsary ve ianao? Tokony hanantena ve isika fa ho maro ireo mpanoratra mainty hanova ny fifandajana ankehitriny amin'ny fanehoana an-tsary?

Nobuyoshi Chinen (NC): Curiosamente, no decorrer da minha pesquisa tive dificuldade em encontrar ou identificar autores negros de quadrinhos. Alguns personagens menos famosos, de autores também pouco conhecidos, não consegui obter muitas informações. Pode até ser que vários dos artistas que citei sejam pretos ou pardos, usando a terminologia do IBGE [Instituto Brasileiro de Geografia e Estatística], mas não encontrei dados referentes a isso.

Dos que sei que são negros e estão engajados em valorizar os personagens afro-brasileiros ou denunciar o racismo, destaco os trabalhos de Mauricio Pestana e de Marcelo D’Salete. Ambos com trabalhos muito interessantes, não sei se a ponto de exercer essa influência que você cita, mas que tem tido boa repercussão. Obviamente, o fato de um autor ser negro e se identificar com temas sensíveis como a questão das cotas, o preconceito, a desigualdade faz com que ele retrate esses temas com mais propriedade ao abordá-los em suas HQs, o que não significa que alguém que não seja afrodescendente não seja capaz de fazê-lo com talento, sensibilidade e respeito.

Mahavariana fa nandritra ny fotoana nanaovako fikarohana, sarotra tamiko ny nahita sy namantatra ireo mpanoratra tantara an-tsary manana endrika mainty. Ny sasany tsy dia fantatra loatra, misy ireo mpanoratra izay tsy dia malaza firy ihany koa, tsy nahavita naka fanampim-baovao betsaka aho. Mety ho mainty na safiotra ihany koa ireo mpanoratra sasany notanisaiko, tsy nahita tahiry momba izany aho tamin'ny fampiasana fiteny manokana IBGE [ Ivo-toerana Breziliana momba ny Jeografia sy ny Antontan'isa] .

Tamin'ireo endrika fantatro fa mainty sy mikatroka amin'ny fanomezan-danja ny endrik'olona afro-breziliana na manameloka ny fanavakavaham-bolokoditra, asongadiko amin'izany ny sangan'asan'i Mauricio Pestana [pt] sy Marcelo D’Salete [pt]. Mahafinaritra avokoa ny sangan'asan'izy roa lahy, tsy fantatro izay fepetra mahataona lazainao, fa nisy fiantraikany tsara ny azy ireo. Ny maha-mainty ny mpanoratra sy ny famantarana azy amin'ny lohahevitra mety hahatafintohina tahaka ny resaka “quota”, ny fitsarana an-tendrony ary ny tsy fitoviana dia midika fa mora aminy kokoa ny mametraka ny heviny rehefa manoritsoritra ireny lohahevitra ireny ao amin'ny tantara an-tsary, na dia tsy midika aza izany fa izay olona tsy taranaka Afrikanina dia tsy afaka manao tahaka izany amin'ny alalan'ny talenta, fitandremana ary fanajana.

GV: Nampisy fitomboana teo amin'ny fahamaroan'ny tantara an-tsary eto amin'ny firenena [amin'ny ankapobeny] ve ny fandraisana anjara avy amin'ny faritra, izay manana fijery hafa momba an'izao tontolo izao?

NC: Eu penso que, na verdade, estamos é perdendo essa diversidade geográfica. Os temas estão ficando mais universais e mais focados na realidade urbana. A regionalidade que existia, por exemplo, nas histórias em quadrinhos de terror, gênero bastante comum até os anos 1990, foi se diluindo. As referências a superstições ou seres sobrenaturais que enriqueciam o folclore local abriu espaço para outro tipo de narrativa. O que ocorre atualmente é uma diversidade temática maior. Antes havia quadrinhos de terror, de aventura, de ficção científica, entre vários outros. Hoje, a esses somam-se os quadrinhos femininos e feministas, quadrinhos gay, quadrinhos autobiográficos etc. Eles trazem uma visão particularizada do mundo, mas não os valores de uma região, mas de um segmento da sociedade.

Mino aho fa, raha ny marina, dia nanary izany fahasamihafana ara-jeografika izany isika. Miha-mivelatra maneratany ireo lohahevitra ary miha-mifantoka kokoa amin'ny zavamisy an-tanàndehibe. Nihalevona hatrany ny fijery isam-paritra, izay nisy teo amin'ny tantara an-tsary mampihoron-koditra ohatra, nefa nahazatra hatramin'ny tamin'ny taompolo 1990. Nanome toerana ho an'ny karazana tantara hafa ny firesahana finoanoam-poana na zavatra avy any ivelan'ny tany izay ampian'ny fomban-tany ao an-toerana. Lohahevitra hafa lehibebe kokoa no maka toerana ankehitriny. Taloha, nisy ny tantara an-tsary mampihorohoro, tantara an-tsary mianjoria (aventure), mampihomehy, foronina mitodika amin'ny hoavy (science-fiction), sy ny sisa maro hafa. Amin'izao fotoana, azontsika ampiana amin'izany lisitra izany ny tantara an-tsary manandratra ny vehivavy, ny pelaka, ary ny tantara an-tsary mitantara ny mpanoratra (autobiographique), sns. Mitondra fijery manokana izao tontolo izao izany, fa tsy ny faritra, fa avy amin'ny ampahan'ny fiarahamonina kokoa.

GV: Miaina amin'ny vanim-potoana fijoroana amin'ny mahaizy ny tena isika. Misy ve ny fiovana hita maso ve ao amin'ny aterineto? Raha eny, mety hihitatra ao amin'ny tontolo virtoaly ve izany fiovana izany ary hipaka hatreny an-dalambe ihany koa?

NC: Não sou especialista em comunicação online e considero-me um usuário apenas mediano das redes sociais, [mas] a impressão que tenho é justamente o contrário da sua pergunta: o virtual apenas reflete o que o mundo real está ansiando.

A afirmação das identidades foi um dos motivos pelos quais a maneira de representar os negros nos quadrinhos passou por uma significativa mudança. Os afrodescendentes e a sociedade como um todo já não toleravam mais o estereótipo antigo que acabou sendo substituído por uma maneira menos preconceituosa. É claro que os meios de comunicação (digitais ou não) ajudam a propagar esse modelo mais contemporâneo, num processo que se autoalimenta, mas se o público não for receptivo ou não houver uma predisposição para a mudança, o mundo virtual não tem a capacidade de alterar o mundo de verdade.

Tsy manam-pahaizana momba ny fifandraisana an-tserasera aho ary tsy dia mihevitra ny tenako ho mihoatra noho ireo mpiserasera amin'ny tambajotra sosialy antonontonony, [saingy] ny fahatsapana hitako dia ny mifanohitra amin'ny fanontanianao: tsy mitaratra afa-tsy ny hetahetan'ny tontolo andavanandro ny tontolo virtoaly.

Antony iray nahatonga ny fiovana lehibe eo amin'ny fomba fanehoana ny mainty amin'ny tantara an-tsary ny fijoroana amin'ny mahaizy ny tena. Tsy milefitra intsony amin'ny fijery diso taloha izay voasolon'ny fomba fijery tsy dia miangatra loatra ireo ireo taranaka afrikanina sy ny fiarahamonina amin'ny ankapobeny. Mazava fa manampy amin'ny fampiroboroboana izany maodely ankehitriny izany ireo fampahalalam-baobao (nomerika sy ny hafa), ao anatin'izany famahanan-tena izany, saingy raha tsy mandray na tsy vonona hiova ny olona, dia tsy hahavita hanova ny tontolo tena izy ny tontolo virtoaly.

Página da história em quadrinhos "Encruzilhada". Artista: Marcelo D'Salete. Imagem utilizada com permissão.

Pejy tao amin'ny tantara an-tsary “Encruzilhada” [“Fihaonan-dalana”]. Mpanakanto: Marcelo D'Salete. Nahazoan-dalana ny sary. Fanazavana ny pejy: Notànan'ireo mpiambina magazay mba hatao fanadihadiana ilay olona manana endrika mainty satria noheverin'izy ireo fa mpangalatra fiara. Tantara marina izany ary ilay olona notànana tsy ara-drariny mihitsy no tompon'ilay fiara Ford resahana ao amin'ny lahatsoratra. Lahatsoratra amin'ny kisari-tantara: (1) Tsy te-hiresaka ilay lehilahy, saingy mino i Noca fa naka ny fiara izy tamin'ny volana lasa. (2) Adala! Nisambotra lehilahy tsy izy ianao. Roahy izy. 

GV: Ahoana ny fiantraikan'izany fanovana izany amin'ny hoavin'ny tantara an-tsary breziliana, raha misy ny fiantraikany? Inona no asehoan'ny fikarohana nataonao amin'izay lafiny izay?

NC: O aumento de temas amplia o leque de possibilidades tanto para autores quanto para leitores. Na minha percepção, nunca se publicou tantos títulos de autores nacionais como nos últimos anos e parte desse fenômeno se deve à essa variedade de visões. Ressalto, porém, que a maioria das obras autorais é lançada para venda em livrarias, em versões mais bem produzidas e mais caras do que os gibis de banca, o que torna tais publicações praticamente inacessíveis ao grande público.

No caso específico do meu trabalho, há um fator adicional que é a lei 10.639/3 que torna obrigatório o ensino da cultura afro-brasileira em escolas de ensino fundamental ao médio. Há, portanto, um incentivo institucional para autores que se interessem pelo tema, uma vez que os quadrinhos são excelentes instrumentos de apoio didático. Alguns dos trabalhos que analisei, como o excelente AfroHQ de Amaro Braga, Danielle Jaimes e Roberta Cirne, foram publicados com o objetivo explícito de atender à demanda da lei 10.639/3. Os casos que citei apontam alguns caminhos, mas afirmar que irão afetar, de alguma forma, o futuro dos quadrinhos brasileiros seria precipitado ou otimista demais.

Manalalaka ny fahafaha-manao na ho an'ny mpanoratra na ho an'ny mpamaky ny fitomboan'ny lohahevitra. Ny fomba fahitako azy, maro kokoa noho ny hatramin'izay ny navoaka tao anatin'izay taona vitsy farany izay ireo gazety tantara an-tsary teto amin'ny firenena ary nahatonga izany ny fahamaroan'ny karazam-pijery manerantany. Tiako ny manasongadina, na dia izany aza, fa amidy eny amin'ny toeram-pivarotana boky ny ankamaroan'ireo sanganasa ireo, izay vokatra tsara sy lafolafo kokoa fa tsy tahaka ireo tantara an-tsary eny amin'ny mpivarotra gazety miantsoantso, izay mahatonga ireo boky ireo ho tsy takatry ny vahoaka ny vidiny.

Amin'ny tranga manokana amin'ny asako, misy ny singa fanampiny dia ny lalàna 10.639/3 izay manao ny fampianarana kolontsaina afro-breziliana ho tsy maintsy atao eny amin'ny sekoly ambaratonga faharoa. Misy araka izany ny vola fanampiana avy amin'ny andrim-panjakana iray ho an'ny mpanoratra izay liana amin'izany lohahevitra izany, satria fitaovana tsara hampianarana ny boky tantara an-tsary. Misy noho izany sanganasa sasantsasany izay nanaovako fanadihadiana, tahaka ilay AfroHQ [ Tantara an-tsary Afro ] mahafinaritra notontosain'i Amaro Braga, Danielle Jaimes ary Roberta Cirne, izay navoaka hifanaraka manokana amin'ny takian'ny lalàna 10.639/3. Ahitana fandrosoana amin'ny lafiny sasany ireo tranga notanisaiko, saingy filazana maikamaika sy be fanantenana loatra kosa raha hilaza fa hisy fiantraikany amin'ny hoavin'ny tantara an-tsary breziliana izany.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.