Nanao Veloma An'ilay Masoivoho Amerikana Gary Locke Ny Mpiserasera Shinoa

Chen Guangcheng is wheeled into a hospital by Gary Locke, on 2 May 2013. U.S Beijing Embassy Photo.

Chen Guangcheng notantanan'i Gary Locke tao amin'ny hopitaly, tamin'ny 2 Mey 2012. Sary avy amin'ny masoivoho Amerikana Beijing.

Nanambara i Gary Locke, ambasadera amerikana ao Shina fa handao an'i Beijing izy amin'ny fiandohan'ny taona hoavy ary hody any Etazonia. Nilaza tamin'ny mpanao gazety izy fa efa nampandre ny filoha Barack Obama tamin'ny fiandohan'ity volana Novambra ity, saingy nandritra ny valandresaka, tsy nanazava ny anton'ny fametraham-pialàny mialoha ny fotoana izy.

Amin'ny maha-Shinoa-Amerikana voalohany azy, am-pifaliana no nandraisan'ireo Shinoa maro be azy noho ny toe-piainany be fanetre-tena raha nandray ny asany izy tamin'ny volana Aogositra 2011. Tao anatin'izany, nanjary niteraka adihevitra lehibe ny momba azy satria naniry fatratra hifandray tamin'ireo manam-pahaizana Shinoa sy mpikatroka ny zon'olombelona izy. Raha ny marina, niteraka fihetseham-po feno hatezerana teo amin'ireo manampahefana Shinoa ny firotsahany an-tsehatra tamin'ny fandosiran’ilay mpikatroka ny zon'olombelona malaza, Chen Guangcheng tamin'ny taona 2012. Mbola mifampihaona amin'ireo mpanohitra hatrany anefa izy, araka ny nolazainy nandritra ny valandresaka momba ireo zava-bitany mikasika ny fifandraisan'i Shina sy i Etazonia:

And we have advanced American values by meeting with religious leaders and human rights lawyers, and visiting Tibetan and Uighur ethnic minorities in Tibet and Xinjiang.

Nampandroso ny hasin'ny Amerikana izahay tamin'ny alalan'ny fihaonana tamin'ireo mpitarika fivavahana sy mpisolovavan'ny zon'olombelona, ary ny fitsidihana ny foko vitsy an'isa Uyghur sy Tibetana tao Tibet sy Xinjiang.

Fanampin'izany, sokajiana ho fanevatevana ireo manampahefana Shinoa ny fanaharaha-maso ataon'ny masoivoho amin'ny fanaraha-maso ny kalitaon'ny rivotra (iainana) ao Beijing tamin'ny alalan'ny Twitter.

Tao amin'ny Sina Weibo, maro ireo mpiserasera nidera an'i Locke noho ny toe-piainany be fanetre-tena.
Pan Shiyi, lehiben'ny Soho Shina nanoratra momba ny fandraisan'anjaran'i Gary Locke tao amin'ny Weibo:

骆家辉同志在北京工作期间,克服各种困难和阻力,聘中国人办理签证,大大加快了签证速度。坚持每天公布PM2.5,引起了有关部门的重视。

Nahadingana fahasarotana sy sakatsakana maro i Gary Locke teto Beijing. Nanampy ny vahoaka shinoa hahazo visa ary nanafaingana ny fotoana fahazoana izany. Nikiry tamin'ny fanambarana tamin'ny vahoaka ny tondro PM2.5 ka nahatonga ny manampahefana shinoa tsy maintsy hijery ny toe-draharaha.

Liu Guojie, mpampianatra momba ny fanaovan-gazety nanamarika fivoaran'ny fomba fihevitry ny fampahalalam-baovao momba an'i Gary Locke tao anatin'izay roa taona izay:

骆家辉刚来中国的时候,中国媒体很感兴趣,过几天就是他的新闻。后来却悄无声息了,骆家辉的言行是不是对中国人内心冲击太大,对统治者造成威胁,后来就把他封杀了?

Raha tonga voalohany teto Shina i Gary Lock, tia nitatitra momba azy ny fampitam-baovao Shinoa. Taty aoriana, tsy nahita vaovao momba azy isika. Manontany tena aho raha mandrava loatra ho an'ny vahoaka Shinoa ny fomba fihetsiny ka lasa mampatahotra loatra ireo vato nasondrotry ny tany mitondra ankehitriny. Izany ve no mahatonga ny tsy fisian'ny fitaterana vaovao intsony?

Simon Zhou, tonian-gazety iray miorina any Hong Kong, namolavola ny hatanjaky ny fihetsik'i Gary Locke:

【别了,骆家辉】中国的平民突然明白:原来美国官员是骆家辉这样的,原来中国官员那样做是不对的;中国的官僚们也突然感觉:原来当官要像骆家辉那样奉公、廉洁和克己,原来当官不可以有特权,原来当官真的就要当人民的公仆。骆家辉的行为语言,都是对中国官员无声且有力的鞭打。

[Veloma indrindra, Gary Locke] Nahatsapa tampoka ny vahoaka olo-tsotra Shinoa: Izany ny fomba fihetsiky ny manampahefana Amerikana, diso ny manampahefana Shinoa. Nahatsapa tampoka ny manampahefana Shinoa: tokony hikarakara vahoaka ny manampahefana, fehezina ny fahefan'ny tsirairay, toherina ny kolikoly sy ny tombondahiny. Tokony ho mpanompon'ny vahoaka ny manampahefana. Ny fihetsik'i Gary Locke no tsindry mahery indrindra tamin'ny manampahefana Shinoa.

“Manan-javatra holazaina ny foko” namelabelarana ny hatsara-panahin'i Gary Locke amin'ny hatsikana maherihery:

【别了,骆家辉】骆家辉你错了:你出行不该背双肩包,更不该出行乘机坐经济舱;你也不该出行乘公交车;你不该把孩子送去普通学校去上学;你不该擅自检测PM2.5,你更不该擅自公布出去;你不该陪一个残疾人去看病;你不该把自己混同于一个普通群众……你的这些行为连一个县长都不如!

[Veloma indrindra, Gary Locke] Gary Locke, nanao ny tsy mety ianao: Tsy tokony hitondra ny kitapo fibabinao ianao. Tsy tokony handeha amin'ny sokajy ekonomika ianao. Tsy tokony handeha amin'ny fitateram-bahoaka ianao. Tsy tokony handefa ny zanakao any amin'ny sekoly tsotra ianao. Tsy tokony hanara-maso ny PM2.5 ianao dia manambara izany ampahibemaso [tahan'ny fahalotoan-drivotra]. Tsy tokony niaraka amin'ny olona sembana tany amin'ny hopitaly ianao [miteny sompirana ny fandosiran'i Chen Guangcheng]. Tsy tokony hifangaro amin'ny olona tsotra ianao…. Ambany noho ny ataon'ny lehiben'ny boriborintany iray eto Shina ny nataonao.

Eto amin'ny Twitter, maro ireo maminavina ny antony mahatonga ny fialan'i Gary Locke ny maro. @wenyunchao, mpisintaka Shinoa tanibe monina any Etazonia namoaka vaovao manesoeso:

Reuuuters: Niala noho ny haratsian-drivotra eto Beijing ny masoivoho Amerikana eto Shina Gary Locke ary tsy afa-mandà izany fangatahana izany noho io antony io i Obama.

Mivelatra kokoa ny hala-tahaka mampihomehy an'i @yueyexiake:

Antony telo nampiala an'i Gary Locke : Henjana loatra ny setroka, ho tratran'ny homamiadan'ny havokavoka izy raha mbola honina maharitraritra kokoa. Tsy mahazaka ny rarintsaina intsony izy: na ny fahaizan'ny manampahefana golf aza tsaratsara kokoa noho ny azy. Hitombo ny sandan'ny dolara amerikana, aleo mamadika indray ny RMB ho USD indray dia mody.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.