Korea Atsimo : Lasa Tantara Ratsy Ilay Fanodikodinam-Bola Tao Amin'Ilay Fiangonan-Dehibe

Matetika no voatsikera ilay fiangonana kristiana Pantekotista mitambatra Yoido Full Gospel, fiangonana lehibe indrindra any Korea Atsimo sy maneran-tany, noho ny firotsahan'ny filoha mpanorina Cho Yong-gi sy ny fianakaviany amin'ny raharaha mahamenatra. Fantatra tamin'ny herinandro lasa teo ny fiarahan'i Cho amin'olon-kafa ivelan'ny fanambadiana sy ny fanodikodinana ny volan'ny fiangonana, ankoatra ny fisian'ny fanodinkodinana sy ny fangalaran-ketra  izay vao natao vaindohan-draharaha tamin'ity taona ity.

Nanazava sy nanao valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety mba hivoizana sy hanavaozana ny antsipiriam-baovao ary hanome porofo ny momba ilay heverina fa zava-dratsy nataon'i Cho ny vondron'ireo zokiolon'ny fiangonana izay zatra niaraka tamin'io filoha mpanorina io. Midangana dia midangana ny tontalim-bola nolazaina tao amin'io valan-dresaka io – mihoatra kelin'ny 100 tapitrisa dolara Amerikana, ary ny tena mahamenatra dia ny 1,4 dolara tamin'io voalaza fa nomena an'i Jeong, mpihira vavy any Frantsa izay voalaza fa niaraka an-tsokosoko tamin'i Cho.

Manindrona ireo tsikera natao an'ilay mpitandrina hita ao amin'ny tontolon'ny Twitter Koreana, na avy amin'ny Kristiana izany na ny tsy Kristiana.

Past Cho Yong-gi giving a sermon at Yeoido Full Gospel Church. Image by Flickr user @Theholyspirit

Ny mpitandrina Cho Yong-gi mitory teny ao amin'ny fiangonana Yeoido Full Gospel. Sary avy amin'ny mpampiasa Flickr @Theholyspirit

 

Sary tamin'ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety miantso ny mpitandrina  Cho Yong-gi mba hametra-pialàna. ( nalaina taminà bitsika hafa) [ Tsy hita ny bitsika niandohana]

Voalaza fa nanodina an-tapitrisa maro tamin'ny volam-piangonana ny mpitandrina Cho Yong-gi ary ambonin'izay dia nomeny 1,5 tapitrisa won Koreana [ 1,4 tapitrisa dolara Amerikana] koa Ramatoakely Jeong — mpihira izay niarahan'i Cho an-tsokosoko — mba hampanginana azy. Aminao ve zavatra tokony hataonà mpitandrina na hataonà mpitondra fivavahana izany ?

Nambaran'ireo zokiolona tao amin'ny fiangonana Full Gospel fa nanodikodina volam-piangonana an-tapitrisa i Cho sy ireo zanany lahy, nefa dia mbola ataon'ny ankamaroan'ireo mpivavaka ho karazana andriamanitra kely ihany i Cho, fa tsy ahoany izay zava-miseho. Tsy ireo mpitarika fiangonana ihany no tokony homena tsiny noho ny kolikoly ao amin'ny fiangonana Koreana fa ireo mpivavaka izay tsy mandray andraikitra ihany koa.

@john6311:천국에서는 한국돈이 쓸모가 없답니다.

@john6311: Tsy ilaina any an-danitra ny won Koreana.

Ireo solafa izay mividy ny làlany mankany an-danitra amin'ny fanaovana rakitra ho an'ny fiangonana– ataon-dry zareo lanitra ho an'i Cho Yong-gi ity tany ity.

RT @jhem91: nandray 20 lavitrisa won [18,7 tapitrisa dolara Amerikana] ny mpitandrina Cho Yong-gi ho ‘vola fisotroan-drononony’ ary avy eo nandray fanampiny karama 75 tapitrisa [ 71 000 dolara Amerikana ] isam-bolana. Tena voatahy izy. Ary inona no mba manjo ireto adalabe namatsy izany volany izany ?

Tena mampalahelo ahy mihitsy ny mpitondra fiangonana manao kolikoly ambadiky ny finoana. Malahelo tokoa aho amin'ny maha-Kristiana sy olona zatra manaja ny mpitandrina Cho Yong-gi tamin'ny niasako tany amin'ny tany Arabo.

Nomena 20 lavitrisa won [ 18,7 tapitrisa dolara Amerikana] tamin'ny vola fisotroan-dronono ny mpitandrina Cho Yong-gi, tsy nambara ny mpiangona ny masom-bola marina, ary avy eo nandray 60 lavitrisa won [ 56 tapitrisa dolara Amerikana] tamin'ny volam-piangonana izay nafenina tamin'ny hoe ‘iraka manokana’ (naely) nandritra ny dimy taona. ‘Fiangonana miroborobo’– tsy noho ny fitahian'Andriamanitra anefa fa noho ny fitahiana tsotra avy amin'ny vola, ary ao amin'ny fiangonana izay mitobaka ny vola dia tondraka ihany koa ny kolikoly.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.