Shina : Atsaharo Ny Fiantsoana Ireo Miozolomana Uyghur Ho Mpampihorohoro

Please don't put terrorist label on Uyghur people. Image from Flickr user @Todenhoff under CC: AT-SA

Aza apetraka amin'ny olona Uighur ny marika fampihorohoroana. Sary tao amin'ny Flickr, @Todenhoff under CC: AT-SA

Miha-mifanaikaiky hatrany amin'ny teny “mpampihorohoro” ny foko Miozolomana Uyghur ao Shina. Faritan'ny manampahefana sy ny fampahalalam-baovao ao an-toerana ho fihetsika mpampihorohoro matetika ny loza mahery vaika ao amin'ny faritry ny sisintany. Namadika ny heloka vono-olona ataon'ny olo-tokana ho heloka iombonan'ireo foko vitsy an'isa ity famaritana ofisialy ity ary niteraka fametahana marika ireo Uyghur ho mpampihorohoro ahiahiana.

Nitranga tamin'ny 16 Novambra 2013 tao Xinjian Bachu ny famaritana farany ofisialy ny “tranga fampihorohoroana”. Olona iraika ambinifolo no namoy ny ainy tao amin'ny tobin'ny polisy, polisy manampahefana ao an-toerana ny roa ary Miozolomana Uyghur avy ao Bachu ny sivy.

Nofaritan'ny manampahefana an-toerana ao Xinjiang avy hatrany ho fanafihan'ny mpampihorohoro mahery vaika ny loza ary nolazainy fa efa tafapetraka ny filaminana satria maty voatifitra ireo mpanafika 9 mahery vaika. Na dia izany aza, araka ny filazan'ny Radio Free Asia, nahavita nisambo-belona ireo tanora mpanafika ny olona manodidina ny tobin'ny polisy raha toa ka nisafidy nitifitra azy ireo avy hatrany ho faty ny polisy. Ary satria namoy ny ainy ireo vavolombelona rehetra akaikin'ny polisy, mampanontany tena ireo olona ny zava-nitranga marina tao anatin'ny tobin'ny polisy.

Nametraka fanontaniana maromaro momba ny loza ilay mpanohitra Shinoa Hu Ping:

Inona ny karazan'ny loza niseho tamin'ny 16 Novambra? Tsy mitovy amin'ny fanafihana anaty akata satria tsy misy lalam-pandosirana. Satria efa taloha loatra no tsy mahomby hamelezana ny polisy ireo fitaovam-piadian'ireo mpanafika tahaka ny famaky sy ny antsy, tsy tahaka ny fanafihana famonoan-tena izany. Noho izany mazava ny ilay toe-javatra. @ IIham_Tohti

Ho valin'ny fanehoan-kevitr'i Hu Ping, nanipika i IIham Tohti, mpampianatra ao amin'ny oniversite Uyghur fa mila dinihana indray ny politika ara-pokon'ny governemanta Shinoa:

@HuPing1 Inona no nitranga tao? Inona no marina? Ireo olona adala ihany no mino fa mpampihorohoro izy ireo. Efa imbetsaka niseho ny loza tahaka izao ary tokony mbola handinika isika. Olona sivy no nitsofoka tao amin'ny tobin'ny polisy mba ho faty? Tsy vitan'ny manampahefana ny mahatakatra ny fomba hanakanana izany tsy hitranga intsony. Hatramin'izao, tsy misy ny fandinihana ny politika ara-poko.

Volana vitsy lasa izay, tamin'ny volana aprily, fifandonana ara-poko tahaka izany no nitranga tao amin'ity tobin'ny polisy ao Bachu ity ihany ka olona 21 no namoy ny ainy tamin'izany, polisy ny 15 ary manampahefana governemanta ny ambiny. Nofaritana ho fanafihana mpampihorohoro ihany koa izany loza izany.

Manoloana ny fametrahana komity ambony misahana ny fiarovana nasionaly (NSC), maro ny mihevitra fa ireo foko vitsy an'isa ao amin'ny faritry ny sisintany no kendren'ny mpanara-mason'ny fiarovana manohitra ny fampihorohoroana. Ohatra, nandrisika ny NSC i Kai Lei, mpiasan'ny fampahalalam-baovao ao amin'ny gazetim-panjakana shinoa Wenhui Bao mba hampihatra politika mahery vaika ao amin'ireo distrika tahaka an'i Bachu:

【当铲除巴楚等恐怖事件土壤】成立国安委,边疆事务当占重要地位,当高效应对、打击边疆恐怖、分裂势力。当严防、严打、铲除巴楚等既往发生恐怖事件地的土壤。

[Fongory amin'ny tany ny mpampihorohoro ao Bachu] Tena zava-dehibe amin'ny fanaraha-masom-piarovana ny sisintany ny fametrahana ny NSC. Tokony hahomby kokoa amin'ny famoretana ireo mpampihorohoro, sy ireo hery mpisintaka ao amin'ny faritry ny sisintany. Ampiharo ny politikam-pisorohana sy ny politikam-pamoretana ao amin'ireo faritra ireo, tahaka ny ao Bachu, izay nisiana fanafihan'ny mpampihorohoro vao haingana.

Mbola olana be ao Shina anefa ny famaritana ny atao hoe fanafihan'ny mpampihorohoro araka ny nolazain'ilay mpanoratra tsy mitonona anarana ao amin'ny Uighurbiz.net, ” Little Grand father_Aike”. Nampitaha andian-doza roa tamin'ny 2013 ity mpanoratra ity mba hilazana ny momba ny famaritana araka izay tiana amin'ny hoe fanafihan'ny mpampihorohoro mahery vaika. Tamin'ny 7 Jiona, fandoroana ny fiantsonan'ny bus ao Fujian ampitahao amin'ny fanafihana fiara (Jeep) mitondra vola tamin'ny 28 Oktobra tao Beijing Tiananmen ary ny fanafihana tamin'ny 25 Aogositra tao amin'ny hopitalin'i Chengdu ampitahao amin'ny fanafihana tao amin'ny tobin'ny polisy tao Bachu tamin'ny 16 Novambra.

Niteraka famoizana ain'olona 47 sy faharatrana 34 ny tranga fandoroana niniana natao tao Fujian ary nilaza ny polisy fa ireo olona tezitra sy diso fanantenana no nahavita ny heloka ary nofaritana ho tranga famonoan'olona izany. 5 kosa ny maty ary 38 naratra tamin'ny fanafihana tao Beijing izay nofaritana ho fanafihan'ny mpampihorohoro efa nomanina.

Nanipika ny mpanoratra fa niteraka fanehoan-kevitra samihafa teo amin'ireo mpamono olona ny tena famaritana ny natioran'ilay heloka, tranga voalohany ohatra, jeren'ny olona ho asan'olo-tokana tsy salama saina izany, saingy amin'ilay tranga farany kosa dia asa fampihorohoroana avy amin'ny fikambanam-poko efa vita omana:

因为新闻媒体和司法机关的定性不同让数千万维吾尔族一起背上了恐怖分子的名声,作为中国人来说大家觉得公平吗?[…] 全中国现在一说到新疆不是谈虎色变而是嗤之以鼻,总体评论就是:杀光他们,赶出去、杀几个就老实了,忘恩负义等词汇,我想说的是媒体你们有没有良心?你们的操守去了哪里?你们对全国中国人民的误导难道不是犯罪?

Noho ny famaritana avy amin'ny fampahalalam-baovao sy ny fitsarana mikasika ny natioran'ilay heloka, nanjary nitondra ny marika fampihorohoroana ireo Uyghur an-tapitrasany. Raha Shinoa avokoa isika rehetra, mihevitra ve ianao fa rariny izao? […] Ankehitriny manerana ny firenena, raha miresaka momba an'i Xinjiang ny olona, dia manova ny feony. Raha fintinina, hoy izy ireo milaza: Vonoy avokoa izy rehetra, sambory, vonoy izy ireo amin'izay hanetry tena. Vondron'olona tsy mahay mnkasitraka fotsiny izy ireo. Aiza ny fahatsiarovan-tena sy ny fitsipi-pitondrantenan'ireo fampahalalam-baovao? Tsy heloka ve izao karazana fitarihan-diso [marika] izao?

Raha mampitaha ny fanafihana tao Chengdu sy ny fanafihana tao Bachu, na dia efa vita omana tsara aza ny tao Chengdu ary nikendry manokana ireo mpiasam-pitsaboana tao amin'ny hopitaly, dia nofaritana ho fanafihana maningana tampotampoka nataonà vondron'olona izany loza niteraka famoizan'olona 5 sy faharatrana 11 izany raha toa ka nofaritana ho asa fampihorohoroana kosa ny loza tao Bachu izay mpanafika 9 no voatifitra ary namoy ny ainy teo no eo.

这个大家可以轻描淡写的带过并没有扯到民族、暴徒等词汇,为什么新疆这么特殊?为什么维吾尔族这么特殊?西部大开发四川也是受益城市之一,大家并没有说什么四川同胞也坐享其成、好吃懒做还尽惹事添乱

[tamin'ny tranga tao Chengdu] nahoana no tsy misy ny firesahana foko sy jiolahimboto? Nahoana rehefa misy tranga tahaka izao any Xinjiang no anaovana fikarakarana manokana? Nahoana no mankafy izany fomba fikarakarana manokana izany ny Uyghur. Mahazo tombotsoa amin'ny Tetikasa Fampandrosoana avy amin'ny Tandrefana ihany koa i Sichuan saingy ny vahoaka ao dia tsy jerena ho mpahazo tombotsoa nefa tsy mahay mankasitraka ny politikam-pirenena izay tsy misy ilàna azy ankoatra ny miteraka korontana

Nandrisika ny manampahefana izy mba handinika ny politikan'ny ara-poko sy handrisika ny vitsy an'isa hametraka endrika tsara ho an'ny vondrona ara-poko misy azy:

中国是一个多民族国家,你要先树立一个健康的民族形象,传播正确的民族文化和信仰,你才能真正意义的代表一个国家,所以我是一名维吾尔族,一个穆斯林,一名中国人,新疆正能量我传播,我为维吾尔族代言,我不是暴徒,我是中国人!

Firenena manana foko maromaro i Shina. Mba hametrahan'ny fanjakana ny maha-ara-dalàna izany, tokony hanampy ireo vondrona ara-poko samihafa amin'ny fametrahana kolontsaina sy finoana ara-poko madio sy tsara ianao. Uyghur aho, miozolomana ary Shinoa. Manaparitaka endrika tsara ho an'i Xinjiang aho rehefa miresaka momba ny Uyghur. Tsy jiolahimboto aho, fa Shinoa. 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.