“Oud Criminal” Ho An'i Yemen

Lahatsarin-kira iray vaovao no miely be any anaty media sosialy ao Yemen, izay hatreto dia nahitàna mpitsidika maherin'ny 30.000 tao anatin'ny herinandro iray.

Fifangaroana fahaiza-mamorona amin'ny mozika tandrefana avy amin'ny asa soratra “Smooth Criminal” lalaovina amin'ny zavamaneno Oud avy any Afovoany Atsinanana ilay hira. Nolalaovina sy nakarin'i Ahmed Alshaiba ho ao amin'ny Youtube, iray amin'ireo mpiangaly mozika tena manana talenta ao Yemen, izay nampakatra ity ihany koa ho ao amin'ny rindrin'ny Facebook:

Amin'ny maha-mpankafy fatratra an'i Michael Jackson, indro ho anao, ny “dikany atao Oud” ho an'ny “Smooth Criminal” .. antenaiko fa ho tianao izy ity !
أنا كمحب لمايكل جاكسون أحببت أن اعزف نسختي الخاصه لأحد اغانيه بالعود ,, اتمنى ان تعجبكم
http://youtu.be/_FwJqYcCcMU

Zava-tsy nampoizina nefa nahafinaritra ity lahatsary ity ho an'ireo mpankafy mozika sy mpitia Michael Jackson. Indreto ny sasany tamin'ireo fanehoankevitra tao amin'ny Twitter:

Manana Lindsey Stirling lehilahy i Yemen …. Smooth Criminal . Na “#Oud criminal” no tokony hoteneniko  http://t.co/RrTqtqh5tI

— GiftofLove Light (@DesertRose_26) 1 Novambra 2013

Tsara loatra! Filalaovana ny hira ” Smooth Criminal ” an'i Michael Jackson amin'ny Oud iangalian'ny #Artista #Yemen-ita  Ahmed Alshaiba: http://t.co/KZzAZrXmU7

— Nawal Al-maghafi (@Nawalf) 9 Novambra 2013

Mampitolagaga! tsy leo mihaino ilay Smooth Criminal an'i Michael Jackson iangalian'i Ahmed Alshaiba #Artist  #Yemen-ita   http://t.co/gdlNnI0gtX

— Arwa Alhubaishi (@Arwa_AKH) 11 Novambra 2013

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.