Nahazo Fanekena Ofisialy Ho Toy Ny Fanasokajiana Hafa Ny Hijras ao Bangladesh

Hijras, teny iray ao Azia Atsimo hanasokajiana ho Vehivavy ireo olona teraka mitondra ny fananahana lehilahy na sady lahy no vavy kanefa miseho ho vehivavy, no hekena manomboka izao fa sokajin'olona vaovao ao Bangladesh, izany dia ahafahan'izy ireo manasokajy ny tenany ho hijra any anatin'ireo taratasy ofisialy isan-karazany toy ny Pasipaoro.

Nanambara izany fanapahan-kevitry ny Governemanta izany ny Praiministra ao amin'ny firenena ny 11 Novambra 2013 teo, niaraka tamin'ny fanambaran'i Alemàna fa hanomboka hanome Sokajy fahatelo ao amin'ny Kopiam-pahaterahana ihany koa izy ireo.

Mahatratra 10.000 farafahakeliny amin'izao ny hijras monina ao amin'ny firenena. Fandresena ho an'ireo hijras iny fanapahan-kevitra nivoaka iny, karazàna sokajy fahatelo hafa izay manasokajy olona iray ho sady tsy lahy no tsy vavy, manerana ny firenena. Izy ireny dia olona iharan'ny tsy fanajàna ny zony avy amin'ny fianakaviana sy ny fiarahamonina amin'ny ankapobeny, toy ny fanerena azy ireny hiara-hiaina anaty vondrom-piarahamonina misintaka. Nangataka fanekena ofisialy ho toy ny Sokajy fahatelo ireo fikambanana Hijra.

Hijras in beauty contest. Photo taken by Mohammad asad. Copywright: Demotix (18/11/2011)

Hijra maro tao aminà fifaninanana hatsaran-tarehy iray. Sary nalain'i  Mohammad asad. Fizakàmanana : Demotix (18/11/2011)

Maro ireo mpisera anaty aterneto no nihoby izany fanapahan-kevitra izany.

Hazrat Binoy Bhodroe (@hazratb9bhodroe) dia nanamafy tao amin'ny Twitter fa dingana lehibe iny fanapahan-kevitry ny Governemanta iny :

Nahazo ny fankatoavan'ny fanjakana ny Hijras. Tena fahombiazana goavana izany. Mandrosoa hatrany ry Bangladesh 

Sabrina Haque (@sab918) dia nanantena fa hitsahatra hatreo izany ny fanavakavahana :

Tsara. #Bangladesh dia mampivelatra ny #fitoviana sy ny famaritana ny #sokajy ho an'ny vahoakany http://t.co/qaAmImxQsP #fandrosoana #hijras

— Sabrina Haque (@sab918) 11 Novambra 2013

Smita Gaith (@smitagaith) nandefa bitsika hoe :

Kay, goavana zany! RT @sepiamutiny: #Hijras izao dia #sokajy mitokana any #Bangladesh http://t.co/wjUBaZnR80

— Smita Gaith (@smitagaith) 11 Novambra 2013

Blaque Mamba (@Snoozfest) dia nanamarika fa :

Mila maka lesona amin'i #Bangladesh ireo Tandrefana. #Hijras izao dia #sokajy mitokana any Bangladesh | #Dhaka Tribune http://t.co/SH8NIf8DpI

— Blaque Mamba (@Snoozfest) 11 Novambra 2013

ireen sultana (@ireen_sl) koa dia nankasitraka ilay fiovàna :

Miarahaba ny Governemanta amin'ny fanapahan-kevitra noraisiny, anatin'izao fotoana farany izao ( hitondran'izy ireo izao ).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.