Noho Ny Fitiavana Ny Baolina Kitra Sy I Bolivia

Bolivia vs. Peru at the Hernando Siles Stadium in La Paz - Photo by Eddie Avila.

Bolivia vs. Pero ao amin'ny Kianjaben'i Hernando Siles any La Paz – Sary avy amin'i Eddie Avila.

 1994 tamin'izay, nahazo ny hany tapakila voalohany sady tokana handraisany anjara amin'ny fiadiana ny amboara eran-tany teo amin'ny tantarany i Bolivia. Ambonin'izany, tany amin'ny tanindrazako no nanaovana io lanonana ara-panatanjahantena izay atrehina amin'ny alalan'ny karatra fanasana ihany io. Lavitry ny nofinofin'ny mpankafy baolina kitra any Bolivia ny hijery ny ekipam-pireneny milalao izany, sa tsy izany ? Nefa na dia izany aza mbola misy olana iray  mitoetra : tsy …mbola ekipam-pireneko io.

Ekeko izany. Zanakà mpifindra monina Boliviana lehibe tany Etazonia aho, ny fanatanjahan-tena baolina kitra- na soccer- no fahalalàna azy any Etazonia- dia tena tsy nahaliana ahy teo amin'ny fahatanorako. Aleoko milalao manangona ny baolina baskety miaraka amin'ny namako aorian'ny fianarana. Ny alahady tolakandro, rehefa mijery ny fifanintsanana Meksikana amin'ny fahitalavitra miteny Espaniola ny dadako miaraka amin'ny antsoantson'ilay mpitantara  mahazatra hoe – “GOOOOOOOOOL!!!”- manakoako manerana ny trano, izaho sy ny rahalahiko kosa mijery baolina kitra “Amerikana” aminà fahitalavitra hafa. Eo amin'ny arabe misy anay, misy olona mametraka vato anankiroa hatao tsatokazo mba handakàna baolina fotsy sy mainty ny Sabotsy hariva mahakamo.  Izahay ihany no fianakaviana Boliviana tao Kansas tanàna nisy anay, izany no antony tsotra tsy mampisento ahy tamin'ny baolina kitra tamin'ny fiainako tany aloha.

Rehefa nanomboka namidy ny tapakila ho an'ny  Fiadiana ny Amboara eran-tany tany Etazonia, dia efa nandrotsaka vola ho amin'ny fividianana tapakila  ny dadako. Fantany ny ora sy ny làlana aleha ahafahanay mijery lalao maro araka izay azo atao toy ny tany Dallas, Texas, sy ireo tanàna manakaiky anay. Efa im-betsaka izy no manontany ahy raha te- handeha aho, nefa manan-javatra tsara atao foana aho. Nilefitra ihany aho tamin'ny lalao farany tamin'ny fihodinana voalohany, kiriana te-hahita ny anton'ny horakoraka, ary niaraka t'ny tapakila teny an-tànana, nanohy ny làlanay ho any Dallas izahay hijery ny lalaon'i Arzantina sy Bolgaria.

Andian-taranaka voalohany na faharoa avy amin'ire ompifindra monina no ankamaran'ireo mpankafy baolina kitra nifanizina tao amin'ny Kianjan'i Cotton Bowl any Dallas tamin'io andro io ary nanam-bintana tamin'ny fijerena ny ekipam-pireneny teo akaikin'ny tranony. Ny baolina kitra no vavahady hisian'ny fifankahafantarana kely ao amin'ilay firenena nandray azy ireo. Nalavaiko ny tendako, nialoha, nandritra ary taorian'ny lalao, mba hahafahako mankafy araka izay azoko atao ireo loko sy gadona avy any amin'ireo olona marobe avy aminà kolontsaina marolafy. Tamin'ny fotoana nitsofana ny kiririoka manambara ny fiafaran'ny lalao ary nandresen'i Bolgaria tamin'ny isa 2 no 0, dia nahazo mpankafy iray vaovao ilay antsoina hoe “lalao mahafinaritra”.

Tao anatin'ny folo taona manaraka, lasa natetika nankany Bolivia sy nijanona elaela tany aho isaky ny tonga any, ary dia nianatra malaky ny ho Boliviana nanonitra ny fotoana very. Sambany nihaona tamin'ireo fianakaviambeko aho, niondrika nijery ireo sary tranainy, nihaino ny tantara tamin'ny andron'ny dadabeko izay mpiady tamin'ny Adin'ny Chaco.  Ary dia nanomboka nampifandray ireo sakafo sy ireo fombafomba samihafa izay misy ifandraisany any amin'ny ankohonana  Boliviana-Amerikana-nay any afovoan'i Kansas, sy ny toerana niaviany.

Fa ny baolina kitra no nanampy ahy kokoa hampisy dikany ny fisiako miaraka amin'ny fanànana kolontsaina roa sy firenena roa. Nandray anjara lehibe ihany koa izy tamin'ny fahatsiarovako fa tanindrazako ihany koa i Bolivia, rehefa nifindra monina tany aho tamin'ny 2007, na dia tena tsy mitovy amin'ny an'ireo fianakaviako tao an-toerana sy ny namako aza ny niainako ny fahazazako.

Betsaka amin'ireo fahatsiarovana farany voarakitro tamin'ireo taona nivezivezeko nandroso sy niverina ireo no mifandraika mivantana amin'ny baolina kitra. Koa satria tany La Paz, tanàna any amin'ny haavo 3.600 metatra miala amin'ny ranomasina no anaovana ny ankamaroan'ny lalaon'ny ekipam-pirenena, dia matetika aho no mitaingina fitaovam-pifamoivoizana haingana avy any Cochabamba, tanàna fiavian'ny fianakaviako, mba hijery ny lalao fifanintsanana amin'ny fiadiana ny Amboara Eran-tany. Midika izany fa mandeha fiara fitaterana amin'ny alina aho, mijery baolina ary avy eo dia miverina amin'ny fiara fitaterana ny alina manaraka. Izany rehetra izany dia amin'ny anaran'ny fototra niaviana, ao anatin'ny fanantenana hahita azy ireo hiverina indray eo amin'ny tontolon'ny baolina kitra maneran-tany.

Akon'ny sasany amin'ireo dia nataon'ny raiko fony izy tamin'ny taonako ireo dia ireo. Tantara fandre matetika ilay fandraisany fiara fitaterana manao fatra-tsaonjo amin'ny alina ho any La paz mba hijery ilay olo-malazan'ny fotoana rehetra amin'ny tantaran'ny baolina kitra, tamin'ny fotoana nikatrohan'ny ekipa Breziliana Santos-n'i Pelé sy ny ekipa Boliviana Deportivo Municipal

Tsaroako ihany koa ny firotsahan'ny olona teny an-dàlambe hankalaza ny nahazoan'i Jorge Wilstermann ny tompon-daka nasionaly, tarika nisy ahy tao an-toerana, izay nomena anarana avy amin'ilay mpanamory ara-barotra voalohany tao Bolivia. Azoko sary an-tsaina hoe ohatry ny ahoana ny zava-niseho rehefa tafakatra hiatrika ny lalao Fiadiana ny Amboara Eran-tany i Bolivia tamin'ny 1993 rehefa nifampitàna tamin'i Qito. Ny rahalahiko any an-toerana no hany fitaratro tamin'io fotoan-dehibe kanto loatra io, izay niresaka androm-piravoravoana sy fety nanerana ny firenena. Ary farany teo ny felaka nataonin'i Bolivia tamin'ny isa 6 no 1 tamin'i Arzantina ekipa kinga sy mahay – nameno io ekipa io ireo kintan'ny baolina kitra toa an-dry Messi sy ry Tevez- no nanome fahatsapàna niserana fohy hoe hay azo atao tsara ny zavatra rehetra.  

Misy fihetsika sasany tsy dia mety loatra amin'ny baolina kitra Boliviana, toy ny herisetra eo amin'ireo mpanohana ny mpifanandrina sy ny hatezerana amin'ny mpitsara ary ny tsy fahombiazan'ny mpilalao, izay tsy mahazatra ahy. Fa na dia izany aza,  tsy azoko sary an-tsaina ny tetezamita sy ny fitsofohana amin'ny fiainana any Bolivia raha tsy eo ny baolina kitra.

bolivia_shirt

“tsy ho azoko sary an-tsaina ny tetezamita sy ny fitsofohana amin'ny fiainana any Bolivia raha tsy eo ny baolina kitra.”

Mba afaka nanatrika ny Fiadiana ny amboara Eran-tany tany Afrika Atsimo aho tamin'ny 2010. Nanaraka ny dian'ny dadako ihany koa aho teto, nitady làlana moramora hahazahoana tapakila hahafahana mijery lalao maro araka izay azoko atao. Tany Afrika Atsimo, nihanokoa izany fiarahana tamin'ireo mpankafy avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao izany aho izay nizara fihetsehampo nitovy, rehareha noho ny firenena niaviany tamin'ny alàlan'ny fanatanjahantena. Nefa dia nionona tamin'ny nofinofiko ny amin'ny hahitàna ny ekipan'i Bolivia tafavoaka tamin'ireo karazam-pifanintsanana aho, na mandre ny hiram-pirenena mahamarin-koditra alefa amin'ireo fanamafisam-peon'ny kianja.

Efa hifarana ny fifanintsanana iray ho amin'ny fiadiana Amboara Eran-tany hafa indray, ary raraka efa am-bolana maro i Bolivia noho ny haratsian'ny vokatra azony. Tsy maintsy mibanjina taona vitsivitsyany aloha isika izao, rehefa manomboka ireo lalao fifanintsanana hiadiana ny Amboara Eran-tany 2018 any Rosia.

Raha toa sy rehefa mamandrika toerana iray ho aminà fiadiana Amboara Eran-tany hafa indray i Bolivia  andro any dia tena hikatsaka ny tapakila izay hahazoana ny toerana eo aloha aho. Ary na dia tsy hisy aza izany amin'izao androko izao, ho velom-pisaorana hatrany ny fanatanjahan-tena izay nampamàka indray sy nahitako ny fiombonana niaraka tamin'ireo Boliviana an-tapitrisa izay mitovy fanantenana tamiko aho, tsy ho an'ny ekipam-pirenena ihany fa ho an'ny firenenay ihany koa.

monina any  Cochabamba, Bolivia  i Eddie Avila ary manantena ny ho any Brezila amin'ny Fiadiana ny Amboara Eran-tany 2014 .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.