Bilaogeram-paritra Lasibatry Ny Polisy Rosiana Noho Ny Resaka “Tafahoatra / Extremisme”

Exploding logo of the United Russia party. A still from the video that got a Siberian blogger in trouble with the law. YouTube screenshot.

Fango mipoapoaka an'ny antoko United Russia (Rosia Mitambatra). Mbola avy amin'ilay lahatsary nahatonga ny bilaogera Siberiana iray hanan-draharaha amin'ny fitsaràna. Dikasary tamin'ny YouTube.

Nampanginin'ny manampahefana any amin'ny faritra ao Rosia ireo bilaogera mpanohitra ao an-toerana, amin'ny fanenjehana azy ireny ho manao resaka ‘tafahoatra / extremisme’. Ny 6 Novambra 2013 teo i Andrey Teslenko, Siberiana bilaogera avy ao an-tanànan'i Novoaltaisk, no nanambara tao amin'ny bilaoginy LiveJournal [ru] fa nanatona azy ny polisy nanadina azy mikasika ilay lahatsary iray mitondra lohateny hoe “Ndeha ho ampahatsiahivintsika ireo mpisandoka sy mpangalatra mikasika ny taratasy Manifeste nataonytamin'ny 2002,” izay  mivoaka ao amin'ny pejiny [ru] ao amin'ny tambajotra sosialy VKontakte.

Tsy Teslenko no tompony na nampakatra ila lahatsary — namerina nizara fotsiny no nataony lahatsoratra iray tamin'ny 28 Oktora 2013 [ru] an'i Alexey Navalny, ilay bilaogera be mpahalala avy amin'ny fanoherana. Ao anatin'ny lahatsorany i Navalny dia nanazava ny zava-nisy fa hoe ny fitsaram-paritra iray tao Novosibirsk dia nampiditra ilay lahatsary tamin'ny 2011 (afaka jerena tsara ao amin'ny fantsona Youtube an'i Navalny [ru] izay efa nahazoany mpijery maherin'ny 2 tapitrisa) ho ao anatin'ny lisitra federalin'ireo media “extremiste” [ru]. Tena marina fa tsy mazava mihitsy ny antony nahatonga ilay lahatsary, izay niantso ny olona hifidy izay antoko tiany ankoatra ny “United Russia” satria ry zareo “mpisandoka sy mpangalatra,” ho ao anatin'ny lisitra ahitàna sarinà zazalahy iray, manangan-tànana manao fiarahabàna Nazi, misy soratra hoe “Ajedaho ny Jiosy.”

Isan'ireo olona 1004 mpampiasa ny VKontakte nizara ny lahatsoratr'i Navalny i Teslenko, ary araka ny filazany dia mety hidiran'andro ihany koa ireo hafa ireo :

Кстати, менты эшники обмолвились, что в Барнауле в связи с этим роликом посетят не одного меня.

F'izany eo ihany, tsy nafenin'ireo polisy mihaza ny extremistes fa hoe tsy izaho irery akory no notsidihana tany Barnaul [faritra afovoany -A.T.].

Araka ny  fanehoankevitra iray [ru] mikasika ny lahatsoratr'i Teslenko, ny ratsy indrindra ho atrehany noho ny tsy fanajàna ny fepetram-pitantanana (Artikla 20.29 ao amin'ny Fitsipi-pitantanana) dia sazy ara-bola 1000 rubles, izay tsy tokony ho aloany akory mihitsy aza raha ny marina. Kanefa, ny andro nanoratan'i Teslenko tao amin'ny bilaoginy mikasika ny olany ara-pitsaràna, voasambotra koa ny bilaogera iray hafa tany amin'ny faritra noho ny antony mitovy amin'izay — saingy tamin'ity indra mitoraka ity dia voaresaka ny Lalàna momba ny Heloka Bevava.

Stas Kalinichenko, bilaogera avy ao Kemerovo (tanàna Siberiana iray hafa, 250 miles miala an'i Novoaltaisk), dia notànana ny 6 Novambra teo raha iny izy nivoaka ny tranony iny indrindra. Ny helony? Namerina nizara ny bitsika avy iray hafa mpampiasa Twitter ka sarinà trakta manohitra ny governemanta nobitsihana tany amin'ny lohataona lasa ilay izy. Ny niandohana dia bitsika iray tamin'ny 6 May nalefan'i @letokot (izay efa voafafa amin'izao fotoana) mivaky hoe : “Tsy manainga anao hanao na inona na inona aho, fa mandefa sary fotsiny.” Nahitàna sarinà trakta izany [ru] izay, ankoatry ny teboka hafa, niantso ny olona hamotika ny fiaran'ireo manampahefana ao amin'ny governemanta sy ny mpiasany, tafiditra amin'izany ny fiaran'ny polisy :

Покалывайте боковины колес, обрезайте тормозные шланги, пробивайте радиаторы, поджигайте.

lavaho ny kodiarana, tapaho ny fantson'ny tsindry hisatra, asio lavaka ny fitoeran-drano, doroy izy ireny.

Ny nahataitra dia izao, ny kaonty ofisialy ao amin'ny Twitter an'ny Kaomity Rosiana mpanao Fanadihadiana dia namaly ny bitsika nalefan'i @letokot taminà fandrahonana iray somary tsy dia mivantana loatra, nisoratra hoe :

Ny famerenana mibitsika sy ny famoahana toy izao dia mitovy amin'ny fanatsnjaràna ihany. Koa dia miomàna àry.

Efa iray volana no nikarohan'ny [ru] polisy ny tranon'i Kalinichenko taorian'ny namerenana nibitsika [ru] ilay sarinà trakta avy amin'i @letokot, ankaoatra ireo olona 89 hafa. Nanomboka tamin'izay dia “vavolombelona” ao anatin'ilay fanadihadiana/fikarohana izy hoy i Dmitry Shipilov, mpanao gazety sady bilaogera avy ao an-toerana.  Nitatitra [ru] ny fisamborana an'i  Kalinichenko i Shipilovarrest tao amin'ny kaontiny ao amin'ny Facebook, nosoratany fa ity no tranga voalohany “nanenjehan'ny Rosiana ny famerenana mibitsika ho tahàka ny heloka bevava.” Nomarihany ihany koa fa tsy azony antoka ny filàna mihazona olona hatao vavolombelona. Taty aoriana i Shipilov dia nampakàtra rohy [ru] mankany amin'ny votoatin'ilay trakta, ho “firaisankina” amin'i Kalinichenko.

Andro roa taty aoriana, ny 8 Novambra, navotsotra i Kalinichenko rehefa nanao fanekena. Nambara fa hoe noho izy “nanao tsinontsinona” ny fampiantsoan'ny fitsaràna no nihazonana azy.  Mitatitra[ru] i Shipilov fa afaka andro vitsy dia ho ampangaina amin'ny fomba ofisialy araka ny Artikla 280 ao amin'ny Lalàna momba ny Heloka Bevava i Kalinichenko, “Fihaikàna ny olona hanao hetsika tafahoatra”. Mitondra mankany amin'ny famonjana mandritra ny 5 taona ilay fiampangàna. Hatramin'ny teo aloha kely teo dia tahaka ny azo nihomehezana ihany — 5 taona asa an-terivozona ho anà famerenana bitsika iray — saingy nasongadin'ny didim-pitsaràna azon'ny Pussy Riot sy ny fitohizan'ny fanenjehana amin'ny Raharaha Bolotnaya fa azo eritreretina ny zavatra rehetra. Tena tandindonin-doza lavitra noho izay efa nisy hatrizay ireo Rosiana bilaogera any amin'ny faritra, amin'ny maha-lavitra azy ireo miala amin'ny ivon'izay fifantohan-tsain'ny be sy ny maro ao Maosko.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.