Libaney Mandoro Saka Anaty Micro-Onde

A Lebanese man microwaved a cat, while his friend filmed the process. Blogger Joey Ayoub tracks down the culprits

Lehilahy  Libaney nandoro saka tanaty micro-onde, raha naka sary izany toe-javatra izany ny namany. Nitsongo dia ireo nahavanon-doza ny bilaogera Joey Ayoub

Nalaza haingana tao anatin'ny fotoana fohy monja tamin'ny aterineto ny lahatsarin'ny tovolahy libaney iray nandoro tanaty micro-onde saka velona iray. Tsikaritra fa nampiditra saka tanaty micro-onde – ho fanalana azy – ny lehilahy iray raha naka sary izany ny iray hafa ary namoaka ny lahatsary tao amin'ny Facebook. Nametraka antso hamantarana ireo nahavanon-doza tao amin'ny bilaoginy i Joey Ayoub ary niezaka ny hitsongo dia ny iray amin'izy ireo:

The cat seemed to have suffered a few (hopefully) minor burns but is not dead. I’ll remove the video as soon as the cat is found. The only reason I’m posting this video is because NGOs are already looking for him to confiscate the cat and get him/her the adequate care.

[…]

If you know where he is please let us know.

Hita ho nisy nahamaizana kely ilay saka (antenaina) saingy tsy maty. Hanaisotra ny lahatsary aho rehefa hita ilay saka. Ny antony tokana hamoahako ity lahatsary ity dia eo am-pikarohana azy ny ONG hakàna ilay saka sy hanome ny fikarakarana sahaza azy.
[…]
Raha hitanao ny misy azy dia ampahafantaro anay.

Nanonona ny anaran'ireo namoa-doza i Ayoub tamin'ny filazana hoe:

Mohammad Jallad and Hassan Hammoud, if you’re reading this, we’re asking you to hand over the cat to NGOs such as Beirut for the Ethical Treatment of Animals (BETA) (70-248765) and Animals Lebanon (01-751678). Both are very easy to contact and will have someone collect the cat as soon as possible. There isn’t, can’t possible be, any justifications for what you did. It is sick, horrific and just plain wrong.

Ry Mohammad Jallad and Hassan Hammoud, raha mamaky izao ianareo, iangaviana ianareo hanatitra ny saka any amin'ny fikambanana mpiahy ny biby tahaka ny BETA (70-248765) sy ny Bibin'i Libanona (01-751678). Mora ifandraisana izy roa tonta ireo ary hisy olona handray ny saka haingana araka izay tratrany. Eto tsy misy ny fanamarinan-tena azonareo atao tamin'izay nataonareo. Maharary, mampihoron-koditra ary tena diso tanteraka.

Nampiany:

Luckily, the cat seemed to have survived. Unluckily, your names are soon going to be – if they aren’t already – associated with sadistic tendencies often found in criminals of the worst kind. I am talking of the notorious connection between the pleasure of inflicting pain on animals and that very same pleasure later felt in the presence of human pain. This isn’t looking very good.

Soa ihany fa velona ihany ilay saka. Mampalahelo fa ho, raha tsy efa hita, tafaray amin'ireo jiolahy tsimifaditrovana indrindra, ny anaranareo. Miresaka ny fampifandraisana ny fahafinaretana azo tamin'ny fampijaliana biby sy izany fahafinaretana izany ihany rehefa mahita ny fijalian'olombelona. Tsy tena tsara izany.  

Araka ny nolazain'i Ayoub, Hammoud no nampiditra anaty micro-onde ilay saka, raha naka an-tsarimihetsika izany kosa i Jallad.

Naneho hevitra ny mpamaky iray:

No need indeed to watch the video.Exposing publicly the names of animal abusers for the first time on a social media in Lebanon is a big step for animal rights.You deserve all our respect,we animal lovers!

Tsy ilaina ny mijery ny lahatsary. Dingana lehibe hanajana ny zon'ny biby ny fanehoana ampahibemaso ny anaran'ny mpanimbazimba ny biby voalohany tahaka izao. Mila ny fanajanay, mpitia biby, ianareo rehetra!

Tezitra aoka izany ny mpiserasera ao amin'ny Twitter.

Nanamarika i Ahmad Yassine:

Nijery ny lahatsarin'ilay tovolahy nametraka ny sakany tao anaty micro-onde aho izay, manabe tanora jiolahy i Libanona, mila fitsaboana haingana araka izay tratra izy!

Farany, mihaika ny polisy i Philip Farra handray andraikitra:

Mihaika ny polisin'i Libanona aho hisambotra an'i Mohammad Jallad sy i Hassan Hammoud. Saka anaty micro-onde

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.