Teny Fanintonana – Na Teny Fikotikotiana – Palestiniana

Lasa fanao ara-kolontsaina ao amin'ny  firenena an'ady ny hatsikana, indrindra ireo hatsikana manapa-tsinay. Nalaza tao amin'ny Twitter ny teny ifankafantarana hoe #PalestinianPickUpLines ( ny pick-up line dia teny fanintonana, ny tanjona dia ny hifandray amin'ny olon-tsy fantatra), ary nahazo lohahevitra vaovao am-polony tao anatin'izay andro vitsy lasa izay.

Mampiseho ny tena zava-misy eo amin'ny fiainana ao Palestina sy any am-pielezana palestiniana ireo soso-kevitra ireo, indraindray mafampàna sy mahatsikaiky, matetika mampisafoaka sy misy ambadika politika.

Nanolotra sioka mampihetsi-po maromaro i Firas Nabil, teraka tao Angletera, ary manasokajy ny tenany ho “Palestiniana amin'ny fo,”:

Raha tsy miaraka amiko ianao, mizarazara tahaka an'i Amoron'i Jordania & Gaza ny foko.

Tahaka ny fitakian'i Isiraely amin'i Jerosalema ny fitarainako aminao, tsy ara-dalàna sy tsy ankasitrahana.

Nandray anjara ilay Jordaniana Sara Amro :

Ianao irery no tsy mila mandalo toby fanaraha-maso raha ho ato am-poko

Dia tena nankamamy anie i Mufeed Okal avy ao Nablus, Palestina :

Afa-mitantana anao tahaka ny itazonako tsanga-kevitra ve ianao, eo akaikin'ny foko.

Mpanao gazety Isiraeliana sy mpikatroka mpomba ny Palestiniana Mairav Zonszein nanesoeso hoe:

“Saro-paritana noho ny sisintany Isiraeliana ny fahatsaranao”

Bilaogera Woman Unveiled nanoratra fa famelombeloman'aina manoloana ny fahasarotam-piainana andavanandro ity tontolon'ny hatsikana ity.

“I am the type of person who believes that the way to move forward on the Palestinian-Israeli conflict is to focus on the current issues without letting past events hold back progress… As Palestinians continue to face hardships and an infringement on their most basic human rights, one trend on Twitter sheds light on how humor can help ease some of this pain… The pick-up lines definitely garner laughs in a way that also brings to light the different ways Israel’s actions, often illegal under international law, disrupt the daily lives of Palestinians.”

Karazan'olona matoky aho fa ny fomba hamahana ny ady eo amin'ny Isiraeliana sy Palestiniana dia ny hifantohana amin'ireo olana akehitriny ka tsy mamela ny lasa hanakana ny fandrosoana… Satria mbola miatrika ny fahasoratam-piainana sy ny fanitsakitsahana ny zo fototra maha-olombelona azy ireo ny Palestiniana, dia ny teny ifankafantarana malaza ao amin'ny Twitter no ahitana fa manaivamaivana izany fijaliana izany ny hatsikana… Ireo teny fanintonana ireo no miteraka hehy sy mitondra fomba fijery hafa ihany koa momba ny fanaon'i Isiraely, izay matetika mifanohitra amin'ny lalàna iraisam-pirenena, manakorontana ny fiainana andavan'andron'ireo Palestianina.

Ny indro kely amin'ireo lohahevitra amin'ny Twitter dia izy ireo manana dikany maro amin'izao fotoana izao, sarotra ny mamaritra ny loharano sy ny fivoarany. Tahaka izany ihany koa, vitsy ihany ny fantatra mikasika ity fironana ity, izay efa nisongadinan'ity teny ifankafantarana ity tamin'ny volana marsa sy ny teo alohany tamin'ny volana jolay 2011 tamin'ny #SiegePickUpLines.

Nanambara ilay bilaogera ejipsiana Mosa'ab Elshamy, miaraka amin'ny namany antsoina ao amin'ny Twitter hoe WelshInGaza (kaonty efa nikatona) fa izy ireo no namorona ny #SiegePickUpLines. Nanazava izy fa avy amin'izy mirahalahy ny hevitra taorian'ny resadresaka momba ny hatsikana manoloana ny fiainana ao Gaza.

“Arabs usually face their misery with humor. It was a question which arose from pure curiosity and was fascinating when others (many Palestinians included) joined in the collective ridiculing of the illegal Gaza siege and the daily hardship people face in the, ahem, strip. As tweets flew, more people seemed not to limit the jokes on the siege, power cuts, tunnels and, ahem, rockets but other situations like the flotilla, UN resolutions, two-state solution and US politicians.

Matetika miatrika ireo fahoriany amin'ny hatsikana ny Arabo. Avy amin'ny fitiavana te-hahafantatra sy nanintona ny fanatevenan-daharana ny vondrona mpamazivazy ny fahirano tsy ara-dalàna mahazo an'i Gaza sy ny fahasarotam-piainana andavanandro atrehan'ny vahoaka (tafiditra amin'izany ireo Palestiniana marobe). Manoloana ny fibosesehan'ireo sioka, toa niha-maro ireo olona tsy nijanona intsony amin'ny hatsikana momba ny fahirano, fahatapahan-jiro, tonelina, ary ny balafombanga  fa niresaka zavatra hafa tahaka ny andian-tsambo miray dia, ny fanapahan-kevitry ny Firenena Mikambana, ny vahaolana Firenena anankiroa ary ireo mpanao politika Amerikana. 

Elshamy nampiditra ireo sioka ankafiziny:

“Baby, you must be from PalestFINE.”
“I’d never leave you (even if I could).”
“We may not have human rights, but baby, we have human needs…”
“Dating me is like being Israel, you’ll never have to apologize for anything, girl.”
“Baby are you a drone? ‘Cause you’ve been buzzing in my head alllll day.”
“They say opposites attract. Will you be the Hamas to my Fateh”
“Baby, let’s get together and make a one state solution.”

“Malala, mety avy ao Palest-MANJA ianao.”
“Tsy handao anao mandrakizay aho (na dia afaka manao izany aza).”
“Mety tsy manana ny zon'olombelona isika, ry malala, saingy manana filàna maha-olombelona…”
“Mifanao fotoana amiko dia toa an'i Isiraely, tsy hiala tsiny amin'ny tsy misy dikany intsony ianao ry malala.”
“Malala, drôna ve ianao? ‘Satria mandindona ny lohako mandritra ny tontolo andro ianao.”
“Lazaina fa ny mifanohitra no manintona. Ho Hamas-n'i Fatah-ako ve ianao ?”
“Malala, andeha isika hiaraka ary ho vahaolana iray ho an'ny firenena.”

Yasmeen El Khoudary, izay mibilaogy avy ao Gaza, Out of the Blue (sady mpanoratra ato amin'ny Global Voices Online), nanampy hoe:

“As a Palestinian from Gaza who believes in the power of sarcastic humor, I loved this. Its the -humane- short jokes and statements that really shed light on the truth, more than any misleading and -often biased- news story.”

Amin'ny maha-Palestiniana ahy avy ao Gaza izay mino ny herin'ny hatsikana manao tarehy ratsy, dia nankafiziko izany. Ilay vazivazy sy teny fohy -mahaolona- izay tena manambara ny marina, mihoatra noho ireo lahatsoratra fampahalalam-baovao izay mandiso lalana sy -matetika mitanila ».

Raha mahafantatra tantara  bebe kokoa momba ireo teny ifankafantarana roa malaza ireo ianao, manehòa hevitra ary zarao izany!

Ao anatin'izany fotoana rehetra izany, taratra fa ao anatin'ny fotoan-tsarotra no hifandraisantsika amin'ny hafa amin'ny fampiasàna hatsikana hiombonana alahelo sy hifandraisana. Raha mankafy ny famakiana ny #PalestinianPickUpLines sy #SiegePickUpLines, #HumorHeals ary #ShutdownPickUpLines, izay nivoaka avy amin'ny fikantonan'ny governemanta Amerikana ianao, dia mety hahatsiaro ihany koa. Ahoana ny fomba nanatonan'ny olona anao ka nampihomehy anao na nahafahanao mankafy kokoa ny toe-draharaha iainanao? Mba te-handre avy aminao izahay.

Hajiantsary:
Rusty Stewart tao amin'ny Flickr (Licence Creative Commons)

Fisaorana manokana ho an'i :
– Jennine Abdul ao amin'ny bilaogy The Lowercase Arab

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.