Trinidad & Tobago: Mivoaka Mandresy ny Mpanohitra; Mbola Manantenana Hatrany Ny Governemanta

Tonga ny vokatry ny fifidianana fanoloan-toerana natao tao St. Joseph – Trinidad ary – tahaka ny tamin'ny Fifidianana Governemantam-paritra vao avy nifarana tsy ela akory izao – ny People's National Movement (Hetsika Nasionalim-Bahoaka) no nivoaka ho mpandresy.  Toerana izay teo aloha dia notànan'ilay Minisitry ny Fitsarana fahiny, Herbert Volney, avy amin'ny governemanta iraisan'ny People's Partnership. Samy nivoahan'ny fanehoankevitra mikasika ilay vokatra daholo, avy amin'ireo mpisera anaty aterineto, na ny Twitter na ny Facebook.

Hatrany amboalohany, i @john_yearwood, mpanao gazety, dia nanontany tena raha toa nitaky seza haingana loatra ny olona :

mifety fandreseny tamin'ny fifidianana fisoloan-toerana tao #Trinidad ny #PNM. Tsy azon'ny sasany antoka hoe vita hatreo ny amin'io. Ahoana hoy ianao? #stjoseph. @wgibbings @CNC3TV @tv6tnt

— John Yearwood (@john_yearwood) 5 Novambra 2013

Resy lahatra i Eldwin Baptiste fa mety hitazona ny maha-lohalaharana azy ny PNM :

Nahazo mpandresy isika #PNM #UNC petsa miha-petsa hatrany ny #ILP  #ByElection #StJoseph @tv6tnt @CNC3TV @cnewslive #PNMvictory pic.twitter.com/y0Z7GBcgMJ

— eldwin baptiste (@porkman1986) 5 Novambra 2013

Efa talohan'ny nanambaràna tamin'ny fomba ofisilay ny vokatra aza, no toy ny efa nahazo antoka avy amin'ny loharanom-baovaony ny pejy Facebook-n'ny Ccn Tvnews ka nahatonga azy hanoratra hoe :

Terrence Deyalsingh mpihazakazaka avy amin'ny PNM no mpandresy tamin'ny fifidianana fisoloan-toerana tao  St. Joseph : PNM vato 6308 ; ILP vato 1986 ; UNC vato 5605; IND vato 303 ; DNA vato 9 . (53 amin'ny birao 53 ) Loharano: Solution by simulation.

Betsaka amin'ireo fanehoankevitra avy amin'ny mpamaky an'io lahatsoratra io no nitodika tany amin'ilay hoe “petsa” izay nampanantenain'i Ian Alleyne, mpihazakazaka avy amin'ny governemanta ho an'ireo mpifanandrina aminy ara-politika. Hoy i Denecia J S Boodoo :

nandrora nitsilany i ian tamin'ilay petsa[ny]

Nanamafy ny fironana tany aloha ireo vokatra ofisialy navoaka ny alin'iny. Filazana ofisialy iray avy amin'ny Kaomisionan'ny Fifidianana sy ny Fanarahamaso no nilaza fa ilay mpihazakazaka avy amin'ny mpanohitra no nitarika tamin'ny isam-bato 779; nihoatra kelin'ny 50% amin'ny olona afaka fidiana no nifidy.

Ny pejy Facebook ofisialin'ny PNM, izay efa nialoha làlana tamin'ny fanovàna ny sary fandraisany ho fiomanana amin'ilay fifidianana fisoloan-toerana, dia tsy nitsitsy fotoana nankalazàna ilay fandresena :

Arahabaina i Terrance Deyalsingh Parlemantera ho an'i St. Joseph.
Isaorana ianao manokatra ny làlana mankany amin'ny fifidianana izay ho Solombavambahoaka hoavy eo!

“Impact on Governance” nitanisa ilay mpitarika ny mpanohitra, Dr. Keith Rowley, ao anatin’ity bitsika ity :

Tsy nomena fotoana intsony hanohizany hitondra an'i #Trinidad sy #Tobago ity #Government ity. Dr. Keith Rowley. #TTPolitics #byelection #StJoseph

— Impact on Governance (@IOGTTProject) 5 Novambra 2013

Tsy tsara fiomanana hiatrika faharesena loatra raha ny governemanta, eo ampahitàna hoe tonga amin'ny laharana faharoa izay heverin'ny mpanohana sasany ho toerana mazamazana ihany ny mpihazakazaka avy aminy. Araka ny pejy Facebook-n'ny C News Live, Alleyne izy tenany dia nanamarika hoe :

“Nahavita zavatra betsaka aho tao anatin'ny 10 andro. Izay andanian'ireo Parlemantera sasany 5 taona, 10 andro no nanaovako azy… “

Tsy gaga tamin'ny fihetsiky ny governemanta i Patricia Worrell, mpampiasa Facebook :

Izay izany! Nandresy ny PNM !
Andrasana ho tonga ny KPB ary hanazava amintsika ny antony maha-tena fandresen'ny UNC azy ity!

Farany, manomboka tonga ireo “meme” (sary fanalàna azy), miaraka amin'ny iray amin'ireo izay tsy tena mivantambantana loatra manondro ilay tanora fahiny eo anivon’ity tantara mahabe resaka ity, izay toa ny anabavin'i Ian Alleyne:

Meme by Trini Public Sector Comics.

Sary fanalàna azy avy amin'ny “Trini Public Sector Comics – www.facebook.com/trinicomics”.

Ny hajiantsary nampiasaina ato amin'ity lahatsoratra ity dia an'i Georgia Popplewell, nampiasàna ny Attribution-NonCommercial-NoDerivs 2.0 Generic Creative Commons license. Tsidiho ny tahirin-tsary mifandimbin'i Georgia Popplewell ao amin'ny Flickr . Ny zavatra rehetra nalaina tao amin'ny Facebook ao anatin'ity lahatsoratra ity ka tsy natao ho an'ny sehatry ny daholobe dia nampiasaina rehefa nahazoana alàlana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.