Saripika: Sary Maneho Ny Fiainan'ny Vondron-piarahamonina iray Mahantra Ao Antanàn-dehiben'i Manila

An old man in an abandoned lot.

Lahy antitra iray ao aminà fanariam-pako.

Miaraka amin'ireo mpikambana hafa ao amin'ireo Filipiana Mpaka Sary Andalam-be, nitarika fakàna sary an-dalambe iray i Mark Z. Saludes, tany aminà vondrom-piarahamonina mahantra ao an-tanàn-dehiben'i Mandaluyong, faritra atsinanana ivelan'ny tanàn-dehibe ao Manila.

Mitsangana ‘Ireo tetikasa Fampivoarana’ sy ireo famatsiam-bolam-panjakana ao Metro Manila izay porofo hita maso maneho ny firoboroboan'ny toekarena. Marina tokoa fa, vao haingana izay no notanisaina ho isan'ireo toekarena mitombo haingana indrindra ao Azia-Pasifika i Filipina. Etsy andaniny, ny ankamaroan'ny antontan'isa manaitra mikasika ny toekarena izay tanisain'ireo tompon'andraikim-panjakana matetika dia tsy ahitana taratra mihintsy ny fahantrana mitohy mianjady eo amin'ny firenena, na dia any amin'ireo tanàn-dehibe tahaka an'i Manila aza.

Na dia eo aza ireo fandrosoana voalaza ao amin'ny firenena, mbola mampialokaloka mpanjanaka an'aliny maro tsy ara-dalàna foana i Manila. Ianjadian'ny fandrahonana fandrodanana hatrany ireo vondrom-piarahamonina mahatra an-tanàn-dehibe mba hanomezan-toerana ireo “drafitra fampivoarana”. Nanome tetikasa famindràna fonenana ny governemanta, saingy maro amin'ireo fianakaviana no maniry hijanona eo amin'ny fonenan'izy ireo satria mitaky fandaharan'asa fanomezana fonenana any an-tanàn-dehibe na manodidina ny tanàn-dehibe izy ireo izay ahitàna sekoly sy toeram-pitsaboana ary ireo tolotra hafa.

Manome topimaso ny fiainan'ny vondrom-piarahamonina mahantra ao an-tanàn-dehiben'i Mandaluyong ireo sary an'Atoa Saludes. Vondrom-piarahamonina iray izay tsy ho ela dia mety ho harodana.

Namoaka ny sasantsasany tamin'ireo sary an'Atoa Saludes ireo ny Global Voices, teo ambany famelany.

An old man in his shanty

Lahy antitra iray ao anaty tranobongony

Scraps of wood and old tires are often used to prevent the roofs from collapsing.

Matetika dia ampiasaina hiarovana ny tafo tsy hirodana ireo korotankazo sy kodiarana efa tonta.

A child peers through a small window of a thrift store which sells candies and cigarettes

Zaza iray mitsikilo eo amin'ny varavarankely vy iray makarakara, izay mivarotra vatomamy sy sigara.

The barber shop signpost   reads: Secret of the Handsome

Mivaky toy izao ny soratra eo amin'ny trano fikarakarana volo: Tsiambaratelon'ny Hatsarana.

A man wearing an SM cap. SM is owned by the Philippines' richest businessman. Behind the man is a tarpaulin displaying some construction projects

Lehilahy iray manao satroky ny SM. ny SM dia an'ilay lehilahy mpandraharaha manan-karena indrindra ao Filipina. Misy labasy maneho ny tetikasa fananganana vitsivitsy ao aorian'ilay lehilahy.

*An'i Mark Z. Saludes avokoa ireo sary rehetra

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.