LAHATSARY: Lehilahy Saodiana Namono Mpiasa “Niresaka Tamin'ny Vadiny”

Nivezivezy manerana ny aterineto ny lahatsary iray ahitana lehilahy Saodiana mamono sy manompa mpiasa vahiny.

Ao amin'ny lahatsary, hita mamelaka imbetsaka ilay mpiasa, avy ao Azia Atsimo ilay lehilahy Saodiana, miampanga azy ho niresaka tamin'ny vadiny. Niantso ilay lehilahy ho biby izy sy zanak'alika izy, no sady mandrora azy. Avy eo indray nodakàny sy nokaravasiany ilay mpiasa lehilahy, izay re mitabataba noho ny hirifiry.ù

Tao amin'ny Twitter, naneho hevitra am-pahatezerana momba ny lahatsary ireo mpiserasera.

Ahmad Sabri nanoratra hoe:

Tsy tranga vaovao ny herisetra mihatra amin'ireo mpiasa vahiny ao Arabia Saodita. “Manokatra varavarana” ho amin'ny herisetra ny rafitra fanohanana ara-bola http://t.co/dm8TOXPiJj

Laila Rouass nanamarika hoe:

Jereo ny sary misy ilay lehilahy Saodiana midaroka mpiasa. Mampihoron-koditra tanteraka. Miantso ny mpiasa ho biby amin'ny teny Arabo. Mihevitra aho fa tokony hijery ny tenany aloha izy. 

Nilaza i Ari Akkermans fa tokony tsy havelan'ireo firenena hiasa ao Arabia Saodita ireo olom-pireneny:

Tena mampihoro-koditra tanteraka ity lahatsary ahitana Saodiana midaroka mpiasa vahiny ity. Tsy tokony hamela ny olom-pireneny hiasa any ny firenena…

Tsy vaovao ao amin'ny faritra ny loza tahaka izao, izay araraotina ary lavina amin'ireo mpiasa vahiny ny zo fototra maha-olombelona.

Nalaza be ity lahatsary misy ilay lehilahy Saodiana, mamelaka tehamaina sy midaroka Bangladeshita ity taloha.

Hita mamelaka tahamaina sy manompa lehilahy Bangladeshita ilay Saodiana, ary niantso azy ho “biby” ihany koa.

Lahatsary hafa avy ao Emirà Arabo Mitambatra kosa mampiseho olona teratany midaroka saofera vahiny, rehefa  niharan'ny lozam-pifamoivoizana. Niezaka nanakana azy ireo mpandalo:

Araka ny filazan'ny Mpanaramaso ny Zon'Olombelona, miankina betsaka amin'ireo mpiasa an-trano ny Afovoany Atsinanana, kanefa tsy mahavita miaro azy ireo.

Hoy ny vakin'ny tatitra vao haingana:

As Human Rights Watch, the IDWN, and the ITUC have documented, domestic workers in the Middle East – many of them migrants from Asia and Africa – experience a wide range of abuses, including unpaid wages, restrictions on leaving the households where they work, and excessive work hours with no rest days. Some may face psychological, physical, or sexual abuse and can get trapped in situations of forced labor, including by being trafficked.

Nanao fanadihadiana momba ireo mpiasa an-trano ao Afovoany Atsinana ny Mpanaramaso ny Zon'Olombelona, ny IDWN, sy ny ITUC -maro amin'izy ireo no mpifindra-monina avy ao Azia sy Afrika-izay iharan'ny fanararaotana maro isan-karazany, tahaka ny tsy fandoavana karama, ny tsy famelàna hivoaka ny trano hiasana, ary ora fiasàna tafahoatra tsy misy andro hialàna sasatra. Misy ireo iharan'ny herisetra ara-tsaina, ara-batana na koa ara-nofo ary mety voafitaka ka tratran'ny asa fanandevozana, anisan'izany ny fivarotana azy ireo.

Hoy ny tohin'ny tatitra:

Almost every country in the Middle East and North Africa region excludes domestic workers from the protection of labor laws, though, and subjects them to restrictive immigration rules, granting inordinate power and control to their employers under the “sponsorship” or kafala system.

Saiky ny ankamaroan'ireo firenena ao Afovoany Atsinana sy ny faritra Afrika Andrefana no tsy mamela ireo mpiasa an-trano hahazo fiarovana momba ny lalàna mamehy ny asa, ary mandidy azy ireo amin'ny fitsipika feno fepetra momba ny fifindra-monina, manome fahefana sy fanaraha-maso tafahoatra hoan'ireo mpampiasa izay “tohanan'”ny rafitra Kafala.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.