Poeta Iray Avy Ao Qatar Voaheloka Noho Ny Fandrahonana Hanongam-panjakana No Resy Teo Anoloan'ny Fitsarana

Mohammed al-Dheeb al-Ajami

Ny Qatar's Court of Cassation, na ny fitsarana fara-tampony ao amin'ity firenena ity, dia nanamafy fa 15 taona an-trano maizina no sazy miandry ny poeta Muhammad Rashid al-Ajami manomboka amin'ity herinandro ity, izay mitondra ny anarana maha poeta  Muhammad Ibn al-Dheeb.

Nitaky fitsaràna fanindroany ity olom-pirenena avy ao Qatar ity raha nohelohin'ny fitsarana izy tamin'ny herin-taona noho ny “Ny Fandrahonana hanongam-panjakana” tamin'ny alalan'ny tononkalo nataony ka nahatonga azy ho voaheloka mandrapahafaty, kanefa nahenan'ny fitsarana ho 15 taona an-tranomaizina indray izany ny volana Febroary.

“Tsy misy fahamarinana” hoy Najeeb al-Nauimi, mpisolo vava an'i ny mpisolovava Ibn al-Dheeb niteny tao amin'ny Doha News, mitoby any Qatar. “Tsy azo itokisana ny rafi-pitsarana eto amintsika.”

Nomelohin'ny fikambanana mpiaro ny zon'olombelona tanteraka ny fitsarana ny poeta, nilaza izany ho fanohintohinana ny fahalalahana haneho hevitra.

Ho valin'ny fanapahan-kevitra noraisina tamin'ny Alatsinainy, dia nanontany ny momba ny resaka fahalalahana maneho hevitra any Qatar 

ny Tale Jeneralin'ny Human Rights Watch (Mpanara-maso ny Zon'olombelona), Ken Roth:

@KenRoth: Sarintsarim-panoherana ny fahalalahana maneho hevitra tamin'ny alalan'ny al-Jazeera, manamafy ny fanasaziana ny poeta ho 15 taona an-tranomaizina ny fitsarana ao #Qatar –adihevitry ny gov. http://trib.al/EViKXCm 

Ny Famotsoran-keloka Iraisam-pirenena kosa, dia nanavao ny fangatahany ny famotsorana an'Ibn al-Dheeb, ka niantso azy hoe “voafonja feno fahatsiarovan-tena”:

@jpmlynch: Nanao antso avo ho famotsorana ny poeta avy ao Qatar izay voaheloka 15 taona an-tranomaizina ny Famotsoran-keloka iraisam-pirenena http://www.amnesty.org/en/for-media/press-releases/qatar-release-poet-sentenced-15-years-prison-2013-10-21 …

Naneho ny heviny ihany koa ny Firenena Mikambana tamin'ny ity resaka ity ka niantso izany sazy izany ho “diso tafahoatra”: 

@philippe_dam: Ny Kaomisera Avon'ny Zon'olombelona, Navi Pillay koa dia nanana fanahiana mafy tamin'ny fanamelohana ny poeta Mohammed al Ajami tao #Qatar & ka nangataka ny famotsorana azy. @NcGeehan

@RobinWigg: UNHRC momban'ny sazin'i Mohammed al Ajami 15 taona an-tranomaizina noho ny tononkalo: “tena diso tafahoatra ity sazy ity”. Izany an.

Efa hatramin'ny taona 2011 i Ibn al- Dheeb no nigadra tao Qatar, rehefa avy namita ny fianarany tany Ejipta. Voalaza tamin'ny famelohana azy ny tononkalo iray tamin'ny 2010 novakiany tao aminà fivoriana manokana tao Le Caire, izay nanaovany fampitahàna miafina mba hanakianana ny fitsipi-pitondranan'ny fianakaviana ao Qatar. 

Milaza kosa ireo mpomba ny poeta fa misy ambadika politika ny fampidirana azy am-ponja, ary avy amin'ny tononkalo miaro ny fikomiana tao Tonizia izay nanambaràny fa “Tonizia isika rehetra manoloana ireo herim-pamoretana ireo”, mantsy an'ireo Arabo mpanao didy jadona.

Azo alaina ao amin'ny YouTube ity tononkalo ity, ary nahitana mpijery maherin'ny 2 tapitrisa:

Misy dikan-teny amin'ny fiteny Anglisy ihany koa nataon'i Kareem James Abu-Zeid.

Inona no eritreretinao fa tokony ho fetran'ny fahalalahana hiteny? 

Credit: Sary nalain'i Lex Paulson

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.