GV Face: Ny Zavatra Rehetra Ilainao Fantarina Momba ireo #SudanRevolts

Sodaney mafana fo am-polony maneran-tany amin'izao fotoana izao no mitokona tsy hihinan-kanina entin'izy ireo hanoherana ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ao Sodàna. Eo ambany ny sorabaventy #Strike4Sudan, nanao hetsi-panoherana teo anoloan'ny Lapam-panjakana Amerikana ao Washington DC ireo mafana fo mpitokona hatramin'ny 20 Oktobra. Ny volana lasa teo dia novalian'ny governemantan'i Sodàna tamin'ny basy sy entona mandatsa-dranomaso ireo hetsi-panoherana tanaty filaminana. Maherin'ny 200 ireo mpanohitra maty ary maherin'ny 2000 ireo voasambotra, ny sasany aza nampijaliana mihitsy. 

Niparitaka eran-tany tamin'ny alalan'ny media sosialy ny sary mahery setran'ireo mpanohitra maty sy naratra, mitantara ny tantaranà fitakiam-piovàna Sodaney efa nokasaina hatao hatramin'ny 2009. Anivon'io fanoherana io ny hetsi-bahoaka tsy mampiasa hery antsoina hoe Girifna, izay midika hoe “Leo izahay. “

Tamin'ity herinandro ity ny tonian-dahatsoratsika ao  MENA, Amira AlHussaini ary ny Tonian-dahatsoratra lefitra, Sahar Habib Ghazi dia niresaka momba ny #SudanRevolts niaraka tamin'ny Sodaney mpanoratra, Usamah M sy Magdi ElGizouli, ilay lehilahy ao ambadiky ny bilaogy malaza Still Sudan, ary hanontany azy ireo ny antony mahatonga ireo olona sasany miantso ireo hetsi-panoherana mitranga ireo ho Lohataona Arabo manaraka.

Tsidiho ny pejin'ny hetsika GV Face: #SudanRevolts raha mila fanazavana fanampiny.

Vehivavy mafana fo manohitra ny fitànana mpanoratra iray antsoina hoe Rania. Navoakan'ny @Girifna tao amin'ny Twitter

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.