Malezia : Tsy Azon'ny Gazety Katolika Ampiasaina Ny Teny Hoe ‘Allah’ Hilazana An'Andriamanitra

Members of Al-Ehsan Islamiah Malaysia Welfare Association gather in a peaceful rally protesting the use of the word “Allah” by non-Muslims. Photo by Zulkifle Che Abdullah, Copyright @Demotix (1/6/2010)

Ireo mpikambana ao amin'ny Fikambanana  “-Ehsan Islamiah Malaysia Welfare” miaraka manohitra am-pilaminana ny fampiasan'ny tsy Silamo ny teny hoe  “Allah” . Sary avy amin'i  Zulkifle Che Abdullah, Fizakà-manana @Demotix (1/6/2010)

Nanapa-kevitra ny Fitsarana Tampony ao Malezia fa tsy azon'ny Herald, gazety Katolika mpiseho isan-kerinandro, ampiasaina ny teny hoe  ‘Allah’ hilazana an'Andriamanitra. Ho valin'ny fangatahana nataon'ny governemanta izay nandràra, tamin'ny voalohany, ny fampiasan'ny gazety ny teny hoe ‘Allah’ amin'ny gazety avoakany amin'ny fiteny Bahasa no nandraisan'ny fitsarana io fanapahan-kevitra io.

Niombon-kevitra tamin'ny governemanta ny Fitsarana fa ny fampiasana ny teny hoe ‘Allah’ amin'ny gazety Katolika dia mety hiteraka fikorontanana ao amin'ny firenena izay Silamo ny ankamaroany.

Zavatra iarahanay mahatsapa izany fa ny anaran'i ‘Allah’ dia tsy tafiditra amin'ny finoana sy ny fampiharana ny Kristianisma. Amin'ny fahafantarana izany, dia tsy hitanay mihitsy ny antony mampiziriziry azy ireo amin'ny fampiasana ny anaran'i ‘Allah’ amin'ny gazetiny mpiseho isan-kerinandro. Ny zavatra tahaka izany , raha toa ka omena alàlana, no mahatonga korontana tsy azo ialàna any anivon'ny fiaraha-monina.

Nadikan'ny LEhiben'ny Fampanoavana ho hetsika hiarovana ny filaminam-bahoaka ilay fanapahan-kevitry ny fitsarana :

…ny fampiasan'ny Herald ny teny hoe “Allah” amin'ny teny Maleziana dia tsy isalasalana fa mety hanakorontana ny firindran'ny andavan'androm-piainan'ny fiaraha-monina Maleziana.

…ny fampiasana ny teny hoe Allah ho fandikana ny teny hoe Andriamanitra na hiheveran'ny Herald an'Andriamanitra dia mety hanakorontana ireo antokom-pinoana sy hanohintohina mafy ny filaminam-bahoaka.

Fa notoherin'ny Rev Lawrence Andrew, tonian-dahatsoratry ny Herald izany satria efa an-taona maro no nampiasan'ireo Kristiana Maleziana ny teny hoe ‘Allah':

Efa ho efatra na dimanjato taona no nampiasanay io teny io, fa niaina am-pilaminana sy nandry fahalemana ny olona. Efa 19 taona no nanaovanay ny Herald ary tsy mbola nitondra korontana izahay.

Manahy ny Rev Dr Eu Hong Seng avy amin'ny Fikambanan'ny Kristiana any Malezia fa mety hanozongozona ny firaisankinan'ny Maleziana ny fanapahan-kevitry ny fitsarana :

Efa taloha sy taorian'ny fahaleovantenan'i Malaya sy ny fiforonan'i Malezia no nampiasan'ny fiangonana miteny Bahasa ny teny hoe Allah. Tsy nisy olana ny fampiasan'ny fiangonana Maleziana ny teny hoe Allah nandritra izay am-polo taona maro izay.

Na izany aza, ireo mpitondra samy hafa teto amin'ity firenena ity, amin'ny fanaovana izany resaka izany ho olana sy ny amin'ny mety hanaovana izany ho asam-panavahana na tsy fihetsehana, dia mamporisika sy mamboly ny tsy fifankahazoana, ny tsy fifampitokisana ary fisarahana eo amin'ny vondrom-piaraha-monina Silamo sy Kristiana. Izany no hanozongozona bebe kokoa ny firaisan'ny Maleziana.

Novoaboasan'i Joe Fernandez ny fotokevitry ny fikorontanana izay arovan'ny fitsarana :

Tsy marina ny hoe fotokevitry ny fikorontanana satria tsy misy olona na aiza na aiza eto ambonin'ny tany any ivelan'i Malezia manaiky an'io ho olana.

Hazavain'i Borealis fa tsy mila fiarovana ny fivavahana :

Tsy tompon'ny fivavahana ianareo fa manaraka fotsiny ihany na mino izany.

Tsy ilàna fiarovana ny fivavahana. Ny fampiadiana ny Maleziana amin'ny fampiasana ny fihaviana na antokom-pinoana dia efa diso aoriana loatra satria efa ” nifoha” izao ny ankamaroan'ny Malays.

Kianin'i Zan Azlee ny fitiavan-tanindrazan'ny Silamo Malay:

Izaho, Silamo amin'ny fomba ofisialy, dia manambara amin'ity lahatsoratra ity fa tsy manana olana amin'ny antokom-pinoana hafa ankoatry ny Silamo amin'ny fampiasana ny teny hoe Allah hilazana an'Andriamanitra.

Raha araka ny hevitro, fomba iray hanehoan'ny Silamo Malay io fa foko matanjaka ry zareo ary na iza na iza olona izay tsy ao anatin'io dia tokony hipetraka amin'ny toerany.

Mampalahelo ny mahita ny zava-mitranga, nefa heveriko fa mbola manam-pinoana amin'i Malezia sy ny vahoaka Maleziana amin-javatra goavana aho. 

Ambaran'i anas zubedy fa mbola nampizarazara lavitra ny fiaraha-monina Maleziana io resaka io:

…Mahasarotra ny toe-draharaha ny fihetsika ataon'ireo mpanao politika sasany , na Silamo na tsia. Satria ny olana amin'ny maha-izy ny olona no fototry ny adihevitry ny manam-pahefana amin'ny politika ato amin'ny firenentsika izay maro antokom-pinoana sy  maro foko, manantena ny hioty vokatra avy amin'io fifanolanana amin'ny fampiasana io teny Kalimah Allah io ry zareo. Noho ny amin'io resaka io dia lasa misy tendro roa amin'ny resaka  antokom-pinoana ny fiaraha-monina.

 Heverin'i KTemoc fa tsy tokony ho naiditra fitsarana io resaka io :

Soratako indray mandeha fa tokony ho resaka mikasika ny finoana sy ny fisainana ny fivavahana fa tsy resaka lalàna na zavatra tahaka izany, na fanohanana ara-politika. Hitako ho mampalahelo ny nitondran'ny Herald Katolika io raharaha io teo amin'ny fitsaràna. Tamin'ny fananovany izany dia nanokatra boaty Pandora ry zareo, izay mety handratra ireo olona tsy manan-tsiny hafa ry zareo.

Ampangain'i Bru ho mampiditra io resaka io amin'ny resaka  ‘politika’ ny Herald:

…tsy ny Kristiana Maleziana no te-hiantso an'i Allah ho Andriamaniny fa ny Herald, gazetin'ny fiangonana Katolika, izay mangataka ny fahazoan-dàlana hampiasa ny “Allah” ho hiantsoana an'Andriamanitra rehefa hita fa tsara izany.

Saingy lazaiko fa efa napetraky ny Herald sahady eo amin'ny korontana ny Silamo sy ny Kristiana Maleziana. Nomeny alàlana- namporisihany aza- ilay olana ho lasa politika sy ho ao anatin'ny kajikajy momba ny fifidianana Maleziana.

Hamafisin'i Mustafa Akyol fa tsy tokony hisy zon'ny mpamorona ho an'ny ‘Allah’:

Iray amin'ireo fanapahan-kevitra tsy araka ny tokony ho izy, tsy misy dikany ary mitavozavoza izay reko teo amin'ny fiainako io. Tena hadalàna tsotra izao.

…tena diso ny fanapahan-kevitry ny Maleziana hangataka zon'ny mpamorona ho an'ny Silamo amin'ny hoe “Allah”.  Sady manohitra ny fivavahana Silamo izany no tsy misy dikany. Ary mampiseho fa tsy fahatokisan-tena miredareda eo amin'ireo manam-pahaizana Silamo, tsy ao Malezia ihany fa any an-kafa ihany koa.

Tsikaritr'i Endy M. Bayuni, tonian-dahatsoratry ny The Jakarta Post ny fitomboan'ny ‘fanavakavahana ara-pinoana ’ any Indonezia sy any Malezia :

Ny olana amin'ny fanavakavahana ara-pinoana dia izy miteraka ny tsy fandeferana izay mahatonga mankany amin'ny fanoherana ny hafa.

Nefa zarain'ny tsipika manify iray ny fandeferana sy ny tsy fandeferana, ka aza raisina ho toy ny efa an-tànana sahady io hevitra io.

Miaraka amin'ny fitomboan'ny fanavakavahana izay atosiky ny Silamo maro an'isa ao amin'ireo firenena roa ireo, dia mety hanatri-maso isika fa miandalana dia lasa tsy dia manam-pandeferana ny Silamo any Malezia sy Indonezia. Raha ny marina dia mety ho efa mitranga sahady izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.