Mampahatsiahy An'Ireo Rosianina Ny Tamin'ny Fizarazarana Ara-Politika Ny Korontana Ara-poko

Demonstrator injured in Biryulevo, 13 October 2013, screenshot from YouTube video.

Mpanao fihetsiketsehana naratra tao Biryulevo, 13 Oktobra 2013, dikasary avy tamin'ny YouTube

Ny fanehoan-kevitra tamin'ity herinandro ity noho ilay savoritaka niseho tany ivelan'i Mosko dia mampatsiahy fa mampizarazara be ny Rosianina ny fitiavan-tanindrazana ara-poko. Isan'ny singa fototra hitan'ny tetikasa iray fandraketana an-tsarintany nataon'ny Berkman Center avy any Harvard tamin'ny 2010 ny hantsana manasaraka ireo ‘liberaly’ avy amin'ny RuNet sy ireo tia tanindrazana. Telo taona taty aoriana, mbola mitoetra ilay hantsana. 

Iray amin'ireo fandikana hevitra mahabe resaka tamin'ny savoritaka tany Biryulvo, izay naha-voarohirohy tanora lehilahy anjatony niditra an-keriny sy namotika fivarotana legioma, dia ilay hevitra izay midika hoe maneho ny fitakian'ny vahoaka izy iny. Mazava ho azy, fitaratry ny fitantarana efa nahazatra izay natolotra hanazavana ny “Ririnin'ny Tsy Hafaliana” any Rosia ireo toetoetra ireo, izay niteraka fihetsiketsehana ara-politika nahatalanjona maro tamin'ny taona 2011-2012. Nefa, ireo karazana fanamarinana dia nifanaraka tamin'ireo tantara voalaza. Ireo mpirotaka (sy ireo mpanao fihetsiketsehana somary tamim-pilaminana izay nidina an-dalambe hiaro ny tenany nifanatrika tamin'ireo mpitandro ny filaminana) dia nitroatra noho nahafatesan'ny Rosianina iray avy ao an-toerana – lehilahy tsy fantatra hatreto no hoe namono azy, izay novinavinaina ho (tsy olona fotsy) avy ao Kaokazy.

Raha hetsika iadiana amin'ny kolikolin'ny mpitandro ny filaminana sy ireo mpamono olona isam-poko ny herisetra tao Biryulevo, hampihena ny tsy habibiana sy ny fanavakavaham-bolon-koditra ataon'ireo mpirotaka ve izany?

Raha ny marina dia maro ireo Rosianina ‘liberaly’ nandà fa tsy nisy nahita ny korontana tao Biryulevo ho toy ny endriky ny tsy fahafahampon'ny vahoaka amin'ny fitondrana. Ny fanatanterahana izany, tahaka ny manahy izy ireo, dia mety ho poizina ho an'ny fitokisana ara-demaokratika mamelona ny hetsik'izy ireo manokana fanoherany ny ao Kremlin. 

i Alexey Navalny, Bilaogera sady mpitarika ny mpanohitra manana ny toerany no “nasionalista liberaly” tena goavana indrindra ao Rosia. Nandritra ny fotoana izay naha-olo-malaza lehibe azy tamin'ny hetsika fanoherana, nampatahotra ireo liberaly mpiady ho an'ny fahafahana tamin'ny fomba fijeriny tia tanindrazana i Navalny, ary nandiso fanantenana ireo nasionalista tia tanindrazana tamin'ny fijeriny amin'ny maha olona afaka azy izy. Nahagaga, nandaitra aloha ny tetika hatreto. Nanararaotra ny fahanteran'ny fitondran'ny Poutine i Navalny, ny tsy fandeferan'izy ireo no nampiakatra ny fahaiza-miainan'i Navalny ho toy ny safidy iray ara-politika. Na izany aza, misy midongona eny amin'ny làlana, ary ny valintenin'i Navalny ho an'i Biryulevo (fampiroboroboana fanangonan-tsonia [ro] iray manohitra ny fifindra-monina an-tsokosoko hitakiana ny fakàna “visa” fivezivezena ho an'ireo mponina avy any amin'ny sisiny atsimon'i Rosia ) dia tsy nahazo toerana sahaza noho ireo fo maratra ao Rosia.

Izany eo ihany, tsy maneho ny rehetra momba ny politika Rosianina ny fisarahana misy eo anelanelan'ireo liberaly sy ireo nasionalista. Valery Fedotov (mpiasa-panjakana taloha tao Rosia Mitambatra, izay niala an-dalana tamin'ny volana Jolay 2013) dia ohatra iray amin'ny olona tsy nankatoa ny fomba nandavan'ireo liberaly ny fihetseham-pon'ny besinimaro tao ambadik'i Biryulevo, nefa ihany koa maneso an'i Navalny noho ny tetikasa “visa” manana endrika faran'izay kitoatoa na tsy misy endriny mihitsy. Jereo izay nataon'i Fedotov ny 17 Oktobra 2013,  ny famelezan'ny LiveJournal an'i Dmitri Oreshkin, “mpandalina ara-politika” mpiandany amin'ny fironan'ireo liberaly, izay tsikerain'i Fedotov ho mandrirotra [ru] ny hoe vokatry ny fampielezan-kevitra narindra ho fanakorontanana an'i Môsko ilay famoriam-bahoaka tao Biryulevo, mba ho fanamarinana ny fanafoanana ireo fifidianana ny filankevitra monisipaly amin'ny taona ho avy (izay iandrandrana an'ireo liberaly mpanohitra fa hanao zavatra tsara amin'izany). Marihan'i Fedotov fa ny teti-panoron'i Oreshkin dia toa nitovy tamin'ireo andiany mpanao kobaka am-bava avy ao Kremlin izay natao ho fanaovana tsinontsinona (sy hanosoram-potaka ho mpanao heloka bevava) ireo fihetsiketsehana manohitra ny governemanta tamin'ny taona 2012.

[…] когда речь заходит о «социально неблизких», те же журналисты и политологи без каких-либо угрызений совести готовы сменить свою точку зрения и превратиться в «Аркадия Мамонтова».

[…] Rehefa ireo izay tsy ” mpiara-dia ara-tsosialy” no atao resaka dia vonona ny hanova ny fomba fijery sy hiova ho “Arkady Mamontov” [ ilay lehilahy ao ambadiky ny tsy fitiavana ireo andian-tantara an-tsary amin'ny fahitalavitra,  “Anatomy of Protest”] ireo (liberaly) mpanao gazety sy mpanao fikarohana ara-politika -tsy mifaditr'ovana .

Raha jerena ny tena marina dia nampidirin'i Oreshkin hatramin'ny Aterineto mba hahatezitra ireo mpirotaka tao Biryulevo, nasian'i Fedotov ihany koa izy tamin'ny fanodinana ny tsy fitokisana tsy misy farany ataon'ny ao Kremlina an'ireo mpisera anaty aterineto sy ny fandavany  tsy hanome rariny na dia izay kely indrindra aza ho an'ireo fahavalony ara-politika

[…] куча таинственных намеков о «круге специальных товарищей», преувеличение злокозненной роли интернета и полное неверие в то, что люди могут выйти на улицу сами, просто потому что «достало».

Misy fivangongoan-java-miafinaa maro [ ao anatin'ireo tsikeran'i Oreshkin] mikasika “ny faribolan'ireo mpinamana manokana,” ny filazana tafahoatra ny anjara toerana feno fitaky ny aterineto, ary ny tsy finoana tanteraka hoe afaka mivoaka eny an-dalambe araka ny sitrapony ny vahoaka, tsotra fotsiny satria “leo” izy ireo.

Manome toky ny hisian'ny fifehezan-tena sy ny fahatezeran'ireo bilaogera ary ireo mpanohitra amin'izao sy amin'ny herinandro ho avy ny olana ara-poko, noho ny tamin'ireo volana sy taona lasa. Ankoatra ny korontana [ru] kely tao amin'ny tanàna kelin'i Pugachyov tamin'ny volana Jolay teo, dia tsy nahatohitra ny fipoahan'ny adim-poko ihany koa ny hetsiky ny mpanohitra tamin'ny volana Desambra 2011. 

Miaraka amin'i Biryulevo, ireo mpanetsika sy mpandray an-tànana ny fiarahamonina ao Moskoa dia miatrika korontana tahaka an'io ankehitriny, ary efa tena ao am-baravaran'izy ireo izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.