1.300 Andro Nanaovana Fihetsiketsehana Ho An'ireo Baloch Nanjavona Tao Pakistan

Quetta: A view of Baloch Missing Persons Camp, Mama Qadeer Baloch Addressing, This Camp Completes 1300 Days. Image by ppiimages. Copyright Demotix (1/6/2012)

Quetta: Sarin'ireo Baloch nanjavona, Mama Qadeer Baloch miresaka amin'ny olona. Sary avy amin'ny ppiimages. Copyright Demotix (1/6/2012)

Tao Balochistan, faritany midadasika indrindra sy mahantra indrindra ao Pakistan, nitolona ho amin'ny fahaleovantena tao anatin'ny ady mihoson-drà ireo separatista. Tsy zava-baovao ny fihetseham-pon'ireo separatista tao amin'ny faritra – fa taorian'ny fahaleovantenan'i Pakistan tamin'ny fiafaran'ny fanjakazakan'ny mpanjanaka Britanika, tsy nanaiky ny mahapakistaney azy ny maro amin'ireo lehiben'ny foko Baloch, ka maro ny fitroaram-bahoaka nitoloman'izy ireo hanohitra ny fanjakana Pakistaney nandritra ny taona maro. Saingy nahitana indray izany ady naharitra ampolony taona izany indray ny sivy taona farany.

Mibodo faritra marobe ao Balotchistan ireo separatista Baloch, ary manao bemidina hanoherana azy ireo hatrany ny vondro-tafika pakistaney. Maro ny olona maty vokatry ny fifandonana – sivily maherin'ny 2.000 sy mpitandro ny filaminana teo amin'ny 700 teo ary mpiady 500 no namoy ny ainy nandritra ny fifandonana feno herisetra farany teo.

Ankoatra ny famonoan'olona, nanjavona tsy nisy fanazavana ihany koa ireo Baloch an'arivony. Araka ny filazan'ny Feo Iraisam-pirenena momba ireo Olona Baloch Nanjavona ( IVBMP ), farafahakeliny Baloch 18.000 no nalaina an-keriny teo anelanelan'ny taona 2001 sy 2013, ary mbola tsy fantatra ankehitriny ny misy azy ireo.

Ity fanjavonan'olona ity no nifantohan'ny ezaka vao haingana niantsorahan'ny filoha-lefitry ny IVBMP Abdul Qadeer Baloch, fantatra koa amin'ny anarana hoe Mama Qadeer. Natosiky ny fakàna an-keriny ny zanany lahy tamin'ny taona 2009 ary hita faty roa taona taty aoriana izy, nanangana toby ho an'ireo olona tsy hita ivelan'ny ivotoeran-gazety ao Quetta ao an-drenivohi-paritany i Mama Qadeer, ka eo amin'io toerana io ny fianakavian'ireo olona nanjavona no mikarakara fihetsiketsehana an-jatony. Feno 1300 andro tamin'ny 13 Oktobra 2013 ny tolona tsy an-kiato nataony ho an'ireo olona Baloch tsy hita.

Nandritra ny fotoana nijanonany tao amin'ny toby, nilaza i Mama Qadeer fa rahonan'ireo vondro-tafika Pakistaney mafy izy sy ny toby fa hodorana. Toy izao no navoakany tamin'ny andro nahatrarany ny andro 1300 :

IVBMP has completed its 1300 days of protest during which time we protested in Quetta, Karachi and Islamabad. I and other members of IVBMP including sister of Zakir Majeed Baloch and her family have been receiving threats. Now along with threats I have been offered huge bribes to abandon the cause of disappeared persons.

Such threats and offers cannot weaken me but what is disappointing is the internal rifts of Baloch people – otherwise no power in the world can be a hurdle in my way. My strength is the prayers of the sisters, mothers and other relatives of Baloch martyrs and disappeared activists.

Nahatratra 1300 andro ny fihetsiketsehan'ny IVBMP izay nanaovanay hetsika tao Quetta, Karachi ary Islamabad. Samy nahazo fandrahonana avokoa ny tenako sy ireo mpikambana ao amin'ny IVBMP, anisan'izany ny rahavavin'i Zakir Majeed Baloch sy ny fianakaviany. Amin'izany fandrahonana izany, notambazana vola be aho ankehitriny mba hialako amin'ity tolona ho an'ireo olona nanjavona ity.

Tsy mampihontsona ahy ireo fandrahonana sy tambim-bola saingy ny tena mampalahelo ahy dia ny ady an-trano ataon'ireo Baloch – raha tsy izany tsy misy fahefana maneratany afaka hanakana ny làlako. Ny vavak'ireo martiora rahavavy, renim-pianakaviana sy ireo havana hafa Baloch ary ireo mpikatroka nanjavona no hery ho ahy.

Naneho hevitra ho fanohanana an'i Mama Qadeer ireo mpiserasera ao amin'ny media sosialy.

Jamal Nasir BAloch (@JNBaloch) nisioka hoe:

Mpikatroka amin'ny Feon'ireo Baloch Nanjavona i #MamaQadeer, mitolona mba hahitana ireo lasibatra noterena hanjavona. #Balochistan

Mureed Bizenjo (@MureedBizenjo) namariparitra ny ezaka: 

Maro amintsika no very namana/fianakaviana /mpiara-mitolona tamin'ity ady ity, hikitika ny hozatra lalina eo amin'ny fiarahamonina ny hetsiky #VBMP & #MamaQadeer

Nitaraina tamin'ny alalan'ny fanehoan-kevitra tao amin'ny Bolan Times ilay mpikatroka amin'ny hetsika ho an'ny zon'ny Baloch Mir Mohammad Ali Talpur fa matetika hodian'ny fiarahamonina sy ny fampahalalam-baovao tsy fantatra ny olana mikasika ireo Baloch nanjavona: 

Society at large and the media either refuse to see what is happening in Balochistan or try to justify the atrocities. All state institutions aid and abet in this crime, forcing the affected people to risk life and limb to express their pain.

Mandà hijery izay mitranga ao Balochistan ny fiarahamonina amin'ny ankapobeny sy ny media ary toa miezaka manome rariny ny habibiana. Ny fanampiana rehetra avy amin'ny andrim-panjakana sy ny teti-dratsy tamin'ny vono-olona, manery ireo lasibatra mba hanao sorona ny ainy sy hilaza ny fangirifiriany.

Sana Baloch (@Senator_Baloch), mpanolo-kevitra ambony ao amin'ny Firenena Mikambana, loholona teo aloha ary mpikambana tao amin'ny Antenimieram-pirenena nangataka mba omena an'i Mama Qadeer Baloch ny loka Nobel:

Nahoana no tsy voafantina tamin'ny #Award  ilay zokiolona #Baloch mpikatroka ho amin'ny zon'olombelona #MamaQadeer nikarakara fihetsiketsehana naharitra 1333 andro? Mpamadika ny #WestrenHypocracy #HumanRights

Nanontany toy izany ihany koa i Faiz Baloch (@Faiz_Baluch):

Tolona nisesy naharitra 1300 andro ho fahitana ireo Baloch noterena nanjavona, kanefa tsy kivin'izany. Mendrika hahazo #NobelPeacePrize (loka nobel) tokoa i MamaQadeer

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.