Niteraka Onjanà Bitsika Mahery ilay Horohorontany Tao Trinidad & Tobago

Ny alin'ny 11 Oktobra 2013, niaina tanaty tahotra i Trinidad sy Tobago taorian'ny tamin'ny folo ora, tahotra izay tsy misy ifandraisany amin'ny heloka bevava na resaka politika : fa horohoron-tany nahatratra 6.4 teo amin'ny maridrefy Richter izay nampihovitra ny firenena nandritra ny 20-30 segondra hoy ny sasany tamin'ireo mpisera anaty aterineto, araky ny tenin'olona iray mpampiasa Facebook dia “toy ireny hoe mandrakizay ireny ny fahatsapana azy.”

Araky ny fantatra dia toy hoe avy tany amin'ny amorontsirak'i Guiria, Venezoela, ary tany amin'ny faritry ny tanin'i Karaiba no foibe niatombohan'ilay izy, satria moa any no manakaiky indrindra an'i Guyana na hatrany St. Vincent sy ny tany Grenadines aza dia nahare izany koa.

Ny tontolon'ny blaogy no toa hany bilaogy ao Trinidada tsy mba nahitàna lahatsoratra niresaka momba ilay tranga :

Raha nampatoritory anareo iny resaka iny, hatoritory hatrany ianareo amin'ny lafin-javatra rehetra.

Tena mafy be ilay horohorontany ka nahare izany hatrany amin'ny faritra Amerika Atsimo sy tany amin'ireo nosy Atsinanan'i Karaiba.

Mpahay momba ny horohorontany avy ao amin'ny SRC no nanamafy tamiko tanaty “email” fa iny tranga iny no isan'ny mafy indrindra niseho taty T&T taorian'ilay horohorontany nirefy 6.1 izay niseho tamin'ny 1997.

Tany amin'ny 10.86°N 62.12°W ary tany amin'ny halalina 60km no nisy ilay tranga.

Nanambara avy hatrany ny Filazam-baovao tao an-toerana fa tapaka ny jiro tany amin'ny faritra maro ao Trinidad; ny fanambarana taty aoriana avy amin'ny tambajotra sosialy dia nilaza fa efa niverina ny jiro tany amin'ireo faritra sasany.

Tao aminà fanambarana iray, nilaza ny Birao misahana ny fanomanana sy ny Fitantanana ny loza voajanahary fa tsy nisy tatitra mikasika ny fisian'ny fahavoazana goavana akory.

@seigoniemohammed, ilay mpilaza toetr'andro ao amin'ny CNC3 dia nilaza fa tsy misy atahorana aloha hatreto ny mety hisian'ny tsunami, araky ny voalazan'ny NOAA, ilay masoivoho federaly Amerikana misahana ny fanaraha-maso ny ranomasina .

Tao amin'ny Twitter sy Facebook avokoa ireo mpisera anaty aterneto :

Mbola mangovitra ny vatako hatramin'izao tamin'iny horohorontany mafy dia mafy sady ela indrindra izay tsy mbola tsapako hatramin'izay nahaolona ahy iny. #Trinidad

— Georgia Popplewell (@georgiap) 12 Oktobra 2013

Tsy misy antony ny hanontaniana ny namanao hoe “renareo ve ilay izy ?” .. NY OLON-DREHETRA nahare izany avokoa ! #trinidad #earthquake

— TriniBerry.com (@TriniBerry) October 12, 2013

@TriniBerry kosa nanohy ny fanazavany araky ny zavatra niainany :

Ary toy ireny hoe renao ireny ny fiaviany avy any amin'ny arabe eritreretina hoe Kamiao be izany….avy eo…andraso….tsia horohorontany ilay izy lol #trinidad

— TriniBerry.com (@TriniBerry) 12 Oktobra 2013

Hatreo, @SeismicResearch dia nanamafy ny herin'ilay horohorontany :

horohoron-tany mirefy 6.4 tany Avaratry ny Vondronosy Paria, Trinidad. http://t.co/uckSHNK8qD

— UWISeismic Research (@SeismicResearch) 12 Oktobra 2013

Nosakanana ny ezak'ireo mpisera anaty aterineto hitady tatitra azo itokiana manodidina izany –  farafahakeliny avy amin'ny vohikala mpanara-maso ny toetany ao Etazonia :

Misaotra noho izany, fanakatonana ny governemanta Amerikana. #earthquake #trinidad #usgs pic.twitter.com/1YAPmQUQ7i

— Georgia Popplewell (@georgiap) 12 Oktobra 2013

Farany ilay vohikala nanavao ny tatitra avy aminy.

Mahaliana tokoa, ny hikaroka anaty tambajotra sosialy no tonga ao an-tsain'ny olona voalohany – fa tsy ny hoe handeha hivoaka ny trano :

Manomboka ny horohoron-tany 6.x

Handeha hivoaka ny trano ve aho ? Tsia. Mila alefako bitsika/FB/BBM ve ity? Eny. #trinidad

— TriniBerry.com (@TriniBerry) 12 Oktobra 2013

Faka nahita ny lojikany ilay mpampiasa Facebook Sharla Hudson [nahazoana alàlana ny fitanisàna ny fanehoan-keviny], tamin'ny filazàny hoe :

Mampihomehy koa hoe mandeha tsara ny Aterineto nandritra sy taorian'ilay horohorontany… nefa ny antso an-tariby milaza hoe ‘Tsy misy reseau’

I Elspeth Duncan, mpampiasa Facebook,  [nahazoana alàlana ihany koa ny famerenana ny fanehoan-keviny] dia nahita izany ho nahatsikaiky tokoa, tamin'ny filazàny fa:

Ny tena mampiomehy dia ireo olona manoratra amin'ny renitsoratra tao amin'ny Fbook tamin'ny fotoana nitrangan'ilay horohoron-tany… toy ireny mihikiaha ireny. Toy ny hoe laharam-pahamehana ny mampakatra izany ao nohon'ny fiheverana izay hiarovana ny tenany.

Tao amin'ny Instagram, marielbrown74 dia nampakatra lahatsoratra nampitondrainy ny lohateny hoe “Porofo fa nisy horohoron-tany”.

Raha vao nijanona ilay horohorontany ary iny nanomboka tony iny ny olona, maro ireo nanao sangisangy zary tenany momba ilay izy. Avy hatrany dia tany amin'i Redman, ilay mpanao fampihomehezana an-tsary ny sain'ilay mpampiasa Twitter iray. Ilay tantara dia miompana aminà andianà mpinamana mitsoaka loza voajanahary(horohorontany, rambondanitra) – ary rehefa lasa lavitr'ilay loza, vao hitan-dry zareo fa hay i Redman tsy tafaraka tamin'izy ireo. Ny tohin'ilay tantara dia manodidina ny fitadiavana tsy misy farany an'i Redman :

Antenaiko fa tsy naninona i redman #earthquake #trinidad

— ChrisTheDuckMan (@ChrisTheDuckMan) 12 Oktobra 2013

Mpisera maro ety anaty aterneto no nindrana ilay hira fanta-daza hirain'i Maximus Dan, izay maminavina fa hisy tantara maro fandefa amin'onjampeo anio :

Tao amin'ny Facebook, nanomboka koa ny esoeso ara-politika. Rhoda Bharath dia namerina nampakatra “mime” mampiseho Ambasadaoro iray teo aloha tsy nahara-baovao

Meme created by Ranan Jerry.

“Mime” noforonin'i Ranan Jerry.

…Raha toa kosa i David Makhan nikaiki-molotra, no sady nilaza hoe :

Vao avy voamarina fa : Nateraky ny fitsoahan'ilay hindu cabalho Rienzi niaraka tamin'ny harena miafina ho any Venezoela iny horohorontany iny. Ilay feo re teny anelanelany ireny izao dia i Suruj nianjera rehefa nitsambikina avy eny an-tsambony.

Vernon O'Reilly Ramesar dia nanampy hoe :

Maminavina aho fa :
1. ho eo amin'ny 6.5 na 6.6 eo ny horohorontany rahampitso.
2. Roodal dia hanameloka an'i Jack
3. Suruj hanameloka an'i Jack.
4. Jack dia hanome toky fa hilomano any an-dranomasina ary hanao izay hampiatoana ilay horohorontany amin'ny ho avy – kanefa nanome sakafo ho an'ireo kamboty izy tamin'io fotoana io .
5. Fiangonana maro no hanakiana ireo pelaka na dia efa fantatry ny rehetra aza fa rivo-doza ihany no vokatra entin'ny pelaka .
6. Watson Duke avy ao amin'ny PSA hanameloka azy noho ny fanitsakitsahana ny OSH.

Patricia Worrell, izay aseho eto ny fanavaozany ny sàtany azy rehefa nahazoana alàlana, dia nanàna ny faminanianay manokana :

Rahampitso :
Kamla dia hilaza hoe nohon'ny fametrahana faneriterena nandritra ny taona maro tao amin'ny PNM no nahatonga iny horohorontany iny.
Keith dia hilaza fa nisy ny horohorontany satria ny tsolotra no mahatonga ny fizarazaran'ny fiarahamonina.
Prakash dia hilaza hoe tsy ho taitra izy – raha mbola tsy misaraka ny PP, hatanjaka ny tany.

Ary hilaza i Jack hoe hanao izay hahazoanareo fanampiana betsaka toy ny tany Haiti izy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.