Mashrou’ Leila Miverina Miaka-tsehatra indray Ho Amin'ny #OccupyArabPop (BodoyNyPopArabo)

Mashrou’ Leila on stage in Metropolis, Montreal. Photo credit: Mashrou’ Leila's Facebook page.

Mashrou’ Leila niakatra an-tsehatra tao Metropolis, Montreal.
Nahazoana ny sary : pejy Facebook Mashrou’ Leila.

Efa renareo ve ilay tarika Mashrou’ Leila na koa #Mashrouleila? Tarika Libaney mpiangaly gadona Indie izy io, niorina tamin'ny taona 2008, izay nanangana ny hetsika #occupy azy manokana ny volana Jolay lasa teo sy ilay fomba fanao vaovao hampiasàna ny sehatra anaty aterineto  hanangonana ny vola ilaina ho an'ilay kapila mangirana fahatelony vaovao, Raasük. Izay toa mahazendana ihany.

Mpankafy ny tambajotra sosialy sy mpisehatra ho an'ny fampandrosoana avokoa ny mpikambana ao aminy. Ny volana Jolay, nanomboka nanao fanentanana fitadiavam-bola vola ho entina mamokatra ilay kapila mangirana fahatelo izy ireo. Irin'izy ireo mba ho ny goavana indrindra amin'ny famoahana kapila mangirana any amin'ny tontolo Arabo izany. Toy izao ny teny filamatra ho entin'izy ireo #OccupyArabPop. Nihanaka be ilay tenifototra teo anelanelan'ny volana Jolay sy Aogositra. Nahangona mihoatra ny 60 000 dolara ny Mashrou’ Leila ary nahafeno 100 isan-jato ny tetibolany.

Io fahombiazana lehibe miezinezina io moa dia niteraka hevitra vaovao teo amin'ny tontolo Arabo sy #supportArabcreativity (ny fanentanana fanohanana ireo hetsika Arabo) tao amin'ny Twitter. Ny tanjon'ilay tetikasa dia ny hitsirika ireo mpanakanto Arabo any ambany gorodona any, toy ny Mashrou’ Leila ary hanome azy ireo fankatoavana bebe kokoa sy mpankafy bebe kokoa.

Manora-tena ho hafa noho ireo tarika Arabo mahazatra mpiangaly Pop ny Mashrou’ Leila – Alternative. Tanora sady avy aminà kolontsaina samihafa ny mpikambana ao aminy. Tsy toy ireo tarika hafa fa sahisahy no sady mitondra zava-baovao ry zareo.

Mavitrika ao amin'ny tambajotra sosialy ny tarika ary nitondra fiovana tao. Mampakatra lahatsoratra matetika ao amin'ny pejiny Facebook sy Twitter. Efa ho mahatratra 120 000 ireo mpankafy azy ireo ao amin'ny Facebook. Manana mpanaraka 14 000 ao amin'nyTwitter ary ny YouTube dia efa maherin'ny 16 000 ireo mpijery azy.

Mandraka androany, dia mbola iray na roa isa-minitra hatrany ny bitsika ao amin'ilay tenifototra #occupyArabpop ho fanohanana ilay fitadiavam-bola mahomby na koa ho fankalazàna ilay tarika izay nanova ny sehatry ny mozika “alternative” teo amin'ny tontolo Arabo. Tokana sady mpisava làlana iny fahombiazany iny. Mitarika ny laharana mihitsy ilay tarika.

Mpankafy iray avy ao Paris no nandefa bitsika vao tsy ela izay :

Niaraka tamin'i @mashrou3leila no nahitako izany atao hoe mpankafy izany. Mandrapihaona ho amin'ny herinandro indray ao Paris #occupyarabpop

— Feg (@_Occidentalist) ny 27 Septambra2013

Randy, avy ao Texas, mpanorina ilay @The_gay_agenda no nampitaha an'i Leila tamin'ny U2 ao Irlandy :

Marina ny hoe @mashrou3leila dia U2 eo amin'ny popArabo ; angamba satria i Libanona no Irlandy any Afovoany Atsinanana #occupyarabpop

— randy r. potts (@randyrpotts) Ny 18 Septambra 2013

Ity lahatsary manaraka ity no lahatsary fampahafantarana nakarina ho an'ilay fanentanana. Hita ao ny fanehoan-kevitr'ireo mpanao gazety Libane sasantsasany, ireo mpiara-miasa amin'ny famokaran'ny Leila ary ny tantaran'ilay tarika mikasika ilay kapila mangirana vaovao.

Mpanoratra avy ao Beirut ao amin'ilay gazety boky Outpost Ibrahim Nehme no manambara ny momba azy ireo tao amin'ilay lahatsary hoe[ar]:

??????? ?????? ??? ,?? ?? ??????? ???? ???? ?? ??????? ???? ? ?? ?????? ?????? ????? ???????? ?? ?????? ???? ????

Izy ireo [Mashrou’ Leila] dia iray amin'ireo feo izay tena misolo tena tanoran'ny Tontolo Arabo tokoa. Mahavita maneho ny filàna fanovàna takian'io tanora io ry zareo.

Mihira ny fifotetahana manahiran-tsaina ankehitriny ao amin'ny Tontolo Arabo izy ireo, ny resaka miralenta, fananahana, ary ny politika Arabo izay manjavozavo. Niaka-tsehatra tany Tunis ka hatrany Montreal izy ireo.

Ny kapila navoakan'izy ireo farany dia ny Raasük Arabic, raha adika tsotra avy amin'ny teny Arabo dia ny hoe “naseho tamin'ny alàlan'ny dihy mirindra” na ny sarinteny hoe “nahodinkodina”. Ny hira voalohany mitondra ny lohateny hoe “Lil Watan” na “Ho an'ny Firenena” dia nivoaka tao amin'ny YouTube ny 12 Septambra. Nahangona mpijery 74 919 izany ary  fankasitrahana in-1064.

Toy izao ny tonon'ilay hira :

??? ????? ????? ?? ????? ???????
?????? ??????? ?? ?? ?????????
????? ?????? ?? ?? ????? ?????? ?????
????? ??? ???? ?????? ??? ???? ?????

Raha sahy mametra-panontaniana mikasika ny faharatsian'ny zava-misy ianao
Ampangininy aminà resaka maro sy firaisana tsikombakomba
Antsoin'ny rehetra hoe mpamadika ianao isaky ny mitaky fanovàna
Ataony izay mahakivy anao mandra-pialanao amin'ilay fahafahanao
Mandra-pahavery ny firenena…

Ilay gazetibokin'ny mpianatra avy ao amin'ny Oniversite Amerikana ao Beirut dia nanasokajy ilay hira ho “fanaratsiana[ing] ny governemanta Libane ho mpanararaotra ny fitiavan-tanindrazan'ny mponina kanefa tsy tena mitsabo ny firenena akory.”

Ampiasain'izy ireo ihany koa ny sary famantarana nasionaly Libane hanehoany fa tena miafina ao ambadika ao ny governemanta. Maneho fankahalana tanteraka ny fiverenan'ilay hira amin'ny fitakiana hoe : “Aoka izay ny resabe, avia ampandihizo kely aho aloha.” Maneho mivantana ny tsy fitiavan'ny olona ny governemanta tsy mamokatra misy ao aminy sy ny fitiavan'izy ireo fety be loatra izany .

Ny Mashrou’ Leila ihany no manoratra sy mamokatra ny mozikany. Andosirany ireo trano mpamokatra ngezalahy. Tsy manao fampiraharahana aminà Orinasa Arabo mpamokatra mihitsy izy ireo na kely na lehibe izany. Kanefa, ny Youtube no nivoahan'ny sanganasan'ny Mashrou’ Leila voalohany. Ao ireo mpikambana no mampakatra avy hatrany sy mandrindra ny lahatsariny. Fakantsary tsotra no hangalan'izy ireo ny sary, ary matetika ao Libana ihany. Tsy dia be filirony loatra izy ireo. Lehibe izy ireo ao amin'ny sosialy media ary tsy zara raha hahita fanehoan-kevitra ratsy momba ny mozikan'izy ireo ianao. Ny ohatra filamatra indrindra izao dia ilay “El Hal Romancy” izay hira hany misy lahatsary avy ao amin'ilay kapila faharoan'izy ireo, El Hal Romancy na “ny vahaolana dia “romantic”:

Nanoratra tao amin'ny vohikalany ilay tarika :

Habibis,
malahelo anao izahay, saingy afaka miandry fito andro amboniny isika.

Tena faly be i Leila tamin'ity indray mandeha ity. El Hal Romancy – lahatsary iray… amin'ity indray mandeha ity.. izy no naniry hitàna fakantsary – tsy te-ho alaina sary  mihitsy izy tamin'ity indray mandeha ity, tsy tiany fotsiny tsotra izao.

Natodiny ny fakantsariny ho any amin'ireo namany vitsivitsy, mpankafy vitsivitsy, ary mpivady iray ary nanafika an'i Beirut izy. Tsy ampy raha i Beirut ihany, nanafika an'i Trablus koa izy. Mbola tsy ampy ihany i Trablus, kanefa tsy nisy vola no sady tsy nisy fotoana intsony. Niverina niaraka tamin'io izy.

Areej Mahmoud, Talen'ny famoronana ao amin'ny Leo Burnett MENA izay nandrindra ilay lahatsary vaovaon'ny Leila “Lil Watan” (ho an'ny tanindrazana) dia niombon-kevitra tanteraka tamin'izy ireo. Hoy izy tao anatin’ ilay lahatsary fampahafantarana :

?? ?? ???? ??? ??? ???? ?????? ??? ???? ??????? ??????? ?????? ??? ?????? ?????? – ?????? ???? ?? ???? ???? ???? ??? ???? ???? ??????

Tsy dia maro ny olona sahy manangana mari-pamantarana tokana ho an'ny Tontolo Arabo, ho an'ny tanora Arabo – mari-pamantarana iray sady tsy mamofona Tandrefana no tsy nentin-drazana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.