Syria: Politika Maloton'i Banksy

Nampidanàka sy nandiso fanantenana ireo Syriana sy mpanara-maso akaiky ny ady an-trano ao Syria ny lahatsarin'i Banksy izay manaraby ny ady an-trano syriana, mitondra ny lohateny hoe “Rebel Rocket Attack,” [Fanafihan'ny mpikomy amin'ny balafomanga].

Mpisera maherin'ny dimy tapitrisa no efa nijery ny lahatsary tao amin'ny Youtube, izay navoaka tamin'ny 6 oktobra, ary nahazo “tiako (j'aime)” maherin'ny 25.000 sy “tsy tiako(dislike) teo amin'ny 5.000 teo izany. Mba hampiroboroboana ny lahatsary, mpanao sariitatra britanika tsy mitonona anarana namoaka sombina horonantsary tao amin'ny Instagram miaraka amin'ity fanamarihana ity :

I'm not posting any pictures today. Not after this shocking footage has emerged. Go to banksy.co.uk for the full video.

Tsy handefa sary mihitsy aho androany. Tsy taorian'iny lahatsary manafintohina niparitaka iny mihitsy. Mandehana ao amin'ny banksy.co.uk raha hijery ny lahatsary manontolo

Nahazo “like (tiako)” maherin'ny 3000 ilay sombina horonantsary ary fanehoan-kevitra teo amin'ny 300 teo izay feno fihetseham-po isan-karazany.

Amin'ity lahatsary tsy matihanina heverina fa avy amin'ny mpioko ity, ny fanombohan'ny lahatsary nalaina tahaka sy natao ihomehezana dia ahitana mpikomy roa miomana handefa balafomanga amin'ny tazoni-tanana mikendry zavatra eny amin'ny lanitra. Ny feo amin'ny lahatsary dia nalaina tamin'ny lahatsarin’ny seranam-piaramanidina Mennegh, izay ravan'ny ady an-trano tao Alep, ao Syria ary nivoaka tamin'ny 23 febroary, araka ny nambaran'i Nader. Misy feo avy any ivelany nihiaka hoe “Miverena, miverena, miverena” afa amin'ny lahatsarim-panadihadiana hafa miteny hoe “Lehibe indrindra Andriamanitra; andia-miaramila miaro ny habakabaky ny filankevitra ara-miaramila ao Alep.” Fotoana fohy taorian'ny tifitifitra, nilatsaka avy eny amin'ny lanitra i Dumbo fahita amin'ny Disney, nipatitaka sy potipotika. Nandihy manodidina sy teo amin'ilay olo-malazan'ny sarimiaina namoy ny ainy ireo mpikomy nisaron-tava, nitafy halwar kameez. Niditra an-tsehatra ny ankizy iray mitafy tahaka ny olon-dehibe, nijery an'i Dumbo ary nandaka ilay mpikomy nihazona ny fandefasana balafomanga. Nandritra ny lahatsary, re miventso ilay Takbir malaza ireo mpikomy, teny filamatra fampiasan'ireo islamista matetika mandritra ny fihetsiketsehana sy vavaka fiderana an'Andriamanitra ataon'ireo Miozolomana mahalala onony, “Allahou Akbar,” midika hoe Lehibe indrindra i Andriamanitra.

Raha nampanontany tena ny maro ny lahatsary mikasika ny dikan'ny “Allahou Akbar”, niteraka tsikera ihany koa ny fijery mirona ankavia ataon'i Banksy. Max Fisher ao amin'ny Washington Post nanoratra momba ny politika manorisory amin'ny sangan'asa :

Unlike his West Bank work, it's not really dealing with the conflict or its larger issues, even from a one-sided ideological perspective. It's not getting to the core issues, but rather sticks on one of the few aspects that European and Arab leftist movements feel comfortable addressing, and ignores all the rest. That doesn't mean the video is bad or wrong as a piece of political art, of course

Mifanohitra amin'ny sangan'asany momba an'i Cisjordanie, tsy mitantara nloatra momba ny ady na ny olana lehibe kokoa ao Syria, na dia avy amin'ny fijerin'ny firehan-kevitra taritokana aza. Tsy miresaka ny fototr'olana ilay izy, fa mijanona ao amin'ireo tranga vitsy fa mahazo aina ny Eoropeana sy ny Arabo ankavia, ka tsy miraharaha izay ambiny rehetra. Tsy midika izany fa ratsy ilay lahatsary na diso amin'ny maha-sangan'asa kanto ara-politika azy, marina izany.

Tahaka izany ihany koa, ilay bilaogera syriana Darthnader nijery ny sanganasa tamin'ny mason'i Edward Saïd, ary nilaza fa samy manevateva na ny sary na ny votoaty. Hoy izy nanontany:

So what exactly is the message? That the Syrian regime warplanes are analogous to poor flying elephants? That the rebels in Syria are a bunch of ragtag buffoons going around trying to kill even the poorest creatures?

Inona marina no tena hafatra ? Mitovy ny elefanta fadiranovana manidina ve ireo voromby mpiady an'ny fitondrana Syriana? Andiana mpanao hatsikana hafakely ve ireo mpikomy ao Syria izay mivezivezy ka miezaka mamono ireo zavaboary marefo indrindra?

Mpisera Twitter MadeInNablus nizara ny fijeriny:

Sanganehana tanteraka tamin'ilay lahatsary fohy vaovaon'i Banksy momba an'i Syria aho. Mahare fofona tatsinanana aho. .mpikomy izay mihiaka ireo allahu-akbar olon-dia

Misy ireo manontany ny tanjon'ny lahatsary, manatsoa-kevitra fa niresaka lohahevitra “tsy dia fantany tsara izy”, araka ny hevitr'ilay Libaney mpanaraby, Karl Sharro tao amin'ny PRI. Miharihary ny nilazan'i Paul Woodward of War ao amin'ny “Context” fa tsy hita izay tena dikan'ilay horonantsary:

Banksy’s latest stunt is just that: a stunt which calls for attention yet speaks of little more than the universal desire to be noticed. It is a shout to be heard made by someone who has nothing to say — not a sharp piece of political commentary.

Toy izao tokoa ny doka farany an'i Banksy : doka mitaky hojerena saingy tsy milaza zavatra betsaka afa-tsy ny faniriana manerantany ho voamarika. Hiaka mba hohainoana ataon'ny olona tsy manan-kolazaina izany — fa tsy zava-maranitra amin'ny fanehoan-kevitra politika

Mihevitra ny hafa fa miaraka amin'i Assad i Banksy, ary niampanga azy ho maneso ny fanoherana izay natomboka tamin'ny graffiti momba ny fahalalahana. Rana Kabbani nisioka hoe :

#Mpomba an'i #Assad i #Banksy. Adinony fa ny revolisiona syriana dia natomboka tamin'ny graffiti (soratsoratra amin'ny rindrina) momba ny fahalalahana, izay nanesorana ny hohon'ireo tovolahy.

Nisy ireo nitsipaka ny lahatsary ho sangisangy, ny sasany kosa nanipika fa nahasarika ny saina izany noho ny laza manerantany ananan'i Banksy nandritra ny taona maro. Na dia izany aza, tsy mivaky loha amin'izany ny maro hafa indrindra ireo Syriana, araka ny filazan'i Donatella tao amin'ny Twitter :

Lahatsarin'i Banksy : ankafizin'ireo namako (tsy-syriana) ilay izy ; mbola tsy nisy nahita azy ireo namako syriana ary tsy miraharaha hijery izany akory izy ireo.. 


Loharan'ny hajian-tsary

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.