Veloma Farany Ataon'i Vietnam Ho An'Ilay Mahery Fo An'Ady

General Vo Nguyen Giap. Photo from 'I Love Vietnam' website.

Ny Jeneraly Vo Nguyen Giap. Sary tao amin'ny tranonkala ‘Tiako Vietnam’

Misaona ny fahafatesan’ i Jeneraly Vo Nguyen Giap i Vietnam, ilay miaramila fanta-daza mpanao tetikady, sy mpitarika ny kaominista izay nitondra ny miaramila Vietnamiana nandresy ireo hery Frantsay sy Amerikanina tamin'ny taonjato faha-20. 103 taona i Giap tamin'izy maty ny 4 Oktobra lasa teo.

Jeneraly sy Kaomandy Ambonin'ny Tafika tao Vietnam voalohany manana kintana efatra izy. Nantsoina ihany koa hoe ilay ‘rahalahy antitra indrindra’ tao amin'ny Tafi-Bahoaka Vietnamiana. Fantatra eran-tany ho toy ny miaramila mpitarika tsara indrindra hatramin'izay izy.

Nosoritan'i Le Kha Phieu, Sekretera Jeneraly fahiny tao amin'ny antoko ho toy ny “hazavana tsy mety lefy” ho an'i Vietnam i Giap.

 Hazavana tsy mety lefy mandrakizay ho an'ny vahoaka Vietnamiana, ny tafika ary ireo kaominista i Jeneraly.

Faharoa amin'ireo mpitondra hajaina indrindra ao Vietnam aorian'i Ho Chi Minh i Giap. Jeneraly Phung Quang Thanh, tao anatin'ny lahatsoratra navoakan'i Nhan Dan Online voalohany indrindra, nampatsiahy ny torohevitr'i Giap amin'ny fihazonana ny fahamendrehan'ny ‘Miaramilan'i Dadatoa Ho’:   

Nanoro hevitra ireo bekotro maroholatra ny Jeneraly mba hitehirizana sy hampiroboroboana ny kalitaon'ny ‘Miaramilan'i Dadatoa Ho’, hanamafy ny firaisankina, sy ho fitaratra amin'ny fandraisana anjara amin'ireo hetsika fampivoarana ara-tsosialy sy toekarena ao an-toerana. Nampahatsiahy ireo fahiny tao anatin'ny kaomitin'ny antoko tao an-toerana sy ireo governemanta izy mba hihaino sy hanaja ny vahoaka, ary namporisika ireo mpiasam-panjakana sy ireo mpikambana ao amin'ny antoko mba handray ny familiana, amin'izay ny vahoaka mba hanana fitokisana hoe hahita fahombiazana ireo mpikambana ao amin'ny antoko sy ny governemanta ao anatin'ny tolom-panovàna vaovaon'ny firenena
.

Tao aorian'ny fiafaran'ny Ady tany Vietnam ny taona 1975, niasa tao amin'ny Governemanta i Giap saingy voalaza fa nahilika taona vitsy taty aoriana. Nieritreritra ny antony tsy nisisihan'i Giap hahazo toerana ambony tao amin'ny governemanta i Doan Trang.

…azo ambara fa tsy maintsy nanao izay tian'ny kaominista hatao i Vo Nguyen Giap: mba hanaovana sorona ny tombotsoan'ny tena ho an'ny tombontsoan'ny daholobe. Inona no nety nitranga, hoy ny fanohanan-kevitr'izy ireo, raha toa ny Jeneraly Vo Nguyen Giap, miaraka amin'ny maha-tò teny azy eo anivon'ny tafika, tsy maintsy nifanehatra tamin'ireo namany tao amin'ny Antoko Kaominista eo amin'ny fitondràna mba hahazoan'ny tenany toerana ambonimbony kokoa miaraka amin'ireo tombontsa be kokoa?

Nanoratra mikasika ny fiantraikan'ny fahafatesan'i Giap amin'ny antoko eo amin'ny fitondràna i Jonathan. Nosoritsoritany ihany koa ny fomba natolotr'ireo Vietnamiana ho fanomezam-boninahitra farany an'i Giap.

Tao Hanoi, izay nahitàna olona an'arivony niandry teny an-dalana mba hanolotra ny fanomezam-boninahitra farany, nanjombona ny endrika, hendratra, ary tsy hay vinaniana. Nitondra ny zanany ireo ray aman-dreny, na dia tamin'ny bokim-pianarana daholo aza no nahalalan'ny ray aman-dreny sy ireo zaza amin'izao fotoana izao ny momba ilay Jeneraly. Naneho tamin'ny hamaroan'isany ireo be taona narahan'ireo namany ho an'ny sasany ary ireo zanany sy zafikeliny ho an'ny hafa.

Tanora loatra i Saigon Shakers raha hahatadidy an'i Giap kanefa nahamarika ny habetsahan'ireo olona nalahelo noho ny fahalasanan'ilay mpitarika miaramila:

Tsy mahafantatra betsaka momba azy aho. Afa-tsy ny hoe Mahery fo an'ady tamin'ireo ady rehetra tamin'ny taonjato farany teo izy, saika ho an'ireo Vietnamiana tsirairay. Ary tsy mbola nahita ny ray aman-dreniko nalahelo tahàka izao aho hatramin'ny nitenenako azy ireo fa hiato tsy hanao ny ambaratonga ambony aho.

Ireto misy fihetseham-po maro ao amin'ny “Twitter”:

Ny aorian'ny tsipika lava be mba hanomezam-boninahitra an'itompokolahy Jeneraly Vo Nguyen Giap. #Vietnam pic.twitter.com/T4stSoh34y

— James H. Anderson (@Jimnosredna) 6 Oktobra 2013

Very olomangan'ny taona rehetra ny Vietnamiana. Fahaverezana izany! Jeneraly Vo Nguyen Giap, veloma. #vietnam

— Duong Swifty (@duongswifty21) 12 Oktobra 2013

Mandria am-piadanana Jen. Vo Nguyen Giap – ilay mahery fon'i Vietnam. Misaotra tamin'ny zavatra rehetra. Tianay ianao.

— ♥ o_O TTTT O_o ♥ (@TTTT030995)12 Oktobra 2013

Ato anatin'ny telo andro misesy, hanana vintana ny tanora hianatra indray ny tantara miaraka amin'ireo lahatsoratra mahakasika ilay Mahery fo Jen. Vo Nguyen Giap. #Vietnam 

— Khanh Ph.D Mai (@KhanhPhDMai) 5 Oktobra 2013

 

Nandritra ny fandevenana an'i Giap, ny Italianina kaominista tao Hanoi, miteny hoe @ap ‘Tamin'ny taona 60 sy 70, nihiaka hoe “Giap, Giap, Ho Chi Minh handresy i Vietnam” izahay.

— Chris Brummitt (@cjbrummitt) October 12, 2013

Misaona ho an'ny mahery fonay izahay: Jeneraly Giap. Ny sainam-pirenena Vietnamiana dia nakarina hatreo amin'ny antsasany eny amin'ireo toerana natao ho an'ny daholobe.

#Vietnam pic.twitter.com/kCqF4gmVn8

— 茹峥 TranhNguyen (@tranhnguyen) 12 Oktobra 2013

Nandritra izany, tsy nankasitraka ny filazana manjo nosoratan'i John McCain, Solombavam-bahoaka Amerikanina, i Calvin Godfrey:

…ny fangatahana an'i McCain mba hanoratra ireo teny farany momba ny iray amin'ireo miaramila goavana indrindra mpanao tetikady teo amin'ny tantara dia toy ny fangatahana zazakely izay namerin-taona ao amin'ny kilasy faha-sivy mba hanao kabary fanaovam-beloma ny toeram-pianaranao.

Mahatsikaiky, Vietnamiana maro no tamin'ny alalan'ny Facebook sy ireo tranonkala hafa ety anaty aterineto no nahalalàny ny nahafatesan'i Giap satria ny fampahalalam-baovaom-panjakana dia tsy maintsy miandry ny filazana ofisialy avy amin'ny Antoko Kaominista. 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.