Mivonona Amin'ny Fetiben'ny Mozika Corona Capital 2013 i Meksika

John Talabot no se presentará en el festival. Foto de Rémy DUGOUA en Flick bajo licencia Creative Commons (CC BY-NC-ND 2.0)

John Talabot nanafona ny fampisehoany tamin'ny fetibe noho ny antony ara-piarovana. Sary avy amin'i Rémy DUGOUA tao amin'ny Flick, Creative Commons license (CC BY-NC-ND 2.0)

Ny fetiben'ny mozika Corona Capital 2013 (#CC13) izay ho atao ao antanàndehiben'i Meksika amin'ny 12-13 Oktobra dia hahitana fampisehoana avy amin'ireo mpiangaly mozika post-BritPop, tahaka an'i comme Travis, Stereophonics, Miles Kane, Jake Bugg sy Arctic Monkeys, ary koa hetsika manakaiky kokoa amin'ny seho Indie.

Tamin'ny taon-dasa, niteraka resabe nataon'ireo mpikambana ao amin'ny hetsiky ny tanora antsoina hoe #YoSoy132 (132 izaho) ny fetibe, satria orinasa mifampikasoka amin'ilay orisana goavambe momba ny media Televisa no nikarakara ny hetsika, izay notoherin'ity hetsiky ny tanora ity anefa.

Tsy ilazaon'ny resabe ihany koa ny fetibe tamin'ity taona ity, satria nanambara ny tsy fahafahany mandray anjara noho ny antony ara-piarovana ny iray tamin'ireo mpiangaly mozika izay tokony hanao fampisehoana ao amin'ny #CC13. Ilay Espaniola John Talabot izany mpanakanto izany:

Nofoananay ny fandraisanay anjara noho ny antony ara-piarovana. Faly izahay fa salama tsara ny namantsika Delorean.

Araka ny filazan'i Verónica Chávez Aldaco [es], ny anton'ny tsy fandraisany anjara dia noho ny fakàna an-keriny nahazo ilay mpanakanto sy ny namany avy ao Delorean, ao Meksika rehefa avy nanao fampisehoana tamin'ny Fetibe Mutek izy ireo:

El asunto estuvo así: después del Mutek, delincuentes haciéndose pasar por policías, les llamaron a su hotel para comunicarles que por cuestiones de seguridad debían cambiarse a otro. En ese inter y ya bajo su poder, los amenazaron y despojaron de sus teléfonos. Fue entonces que los extorsionadores llamaron a sus familias en España para pedir rescate.

Toy izao ny fitrangàn'izany: taorian'ny fetibe Mutek, tonga tao amin'ny hotely nipetrahan'izy ireo ireo “delincuent” milaza fa polisy ary nilaza azy ireo fa tokony hiova hotely izy ireo noho ny antony ara-piarovana, . Avy eo, noho ny fahefana ananan'ireto milaza fa polisy ireto,  norahonana izy ireo [mpanakanto sy ny namany] ary nalaina teny amin'izy ireo ny findainy. Avy eo nantsoin'ireo jiolahy mpisoloky ny fianakavian'izy ireo any Espaina mba hangatahana onitra. 

Avotra soa aman-tsary ny mpikambana ao amin'ilay tarika, saingy mampiseho ity tranga ity fa tsy afa-misaraka amin'ny krizin'ny herisetra sy ny tsy fandriampahalemana andalovan'i Meksika ny asa ara-java-kanto sy ny fiakarana an-tsehatra. Mpisera Alessia naneho hevitra mikasika izany:

#SóloEnMéxico un músico (John Talabot) tiene que cancelar su aparición en un festival por haber sido secuestrado #CC13 pésima imagen de país

— Alessia (@Alessia_mx) October 8, 2013

Tao Meksika ihany no tsy maintsy nanafoana ny fiakarany an-tsehatra amin'ny fetibe ilay mpiangaly mozika (John Talabot) satria efa nisy naka an-keriny izy. Laza ratsy ho an'ny firenena.

Tao amin'ny habaka ofisialin'ny #CC13 [es], afaka mamaky ity famariparitana momba ny asan'i Talabot ity ianao:

John Talabot ha pasado ser un productor semidesconocido a convertirse en una de las grandes revelaciones de la electrónica y en un artista capaz de cautivar a Ewan Pearson, colarse en la lista de lo mejor del año de Pitchfork, colaborar con Delorean y sentar cátedra en lo que a house orgánico y envolvente se refiere. Siguiendo los pasos de Four Tet y cruzando el Northern soul con el sonido de Chicago.

Niainga tamin'ny famokarana mozika tsy fantatr'olona mihitsy i John Talabot taloha raha lasa iray amin'ireo kalaza goavana amin'ny elektronika sy mpanakanto nahavita nahatratra an'i Ewan Pearson, anisan'ireo mendrika indrindra tamin'ny lisitry ny Pitchfork tamin'ity taona ity, miara-miasa amin'ny Delorean ary voalohany amin'izay rehetra mifandray amin'ny trano mpamokatra. Nanaraka ny dian'i Four Tet ary nanivatsiva ny fanahin'i Tavaratra miaraka amin'ny feon'i Chicago.

Na dia eo aza ny tsy fandraisan'anjaran'i John Talabot, maro ireo olona no naneho ny hafanàm-pony tamin'ny fetibe tao amin'ny Twitter, anisan'izany ireo tsy mbola manana tapakila, tahaka an'i Daniela Gutiérrez:

Hamidiko ny vatako hatakaloko tapakika amin'ny #CC13 ary hihiaka miaraka amin'i Stereophonics.

Nilaza ihany koa ny sasany tahaka an'i ForeverOpioverde fa hiova lamaody izy ireo mandritra ny fety:

Saintsaino hoe iza no nanapaka ny volony ho lamaody taona 60 satria mivonona ny amin'ny Alahady 🙂 mahatsiaro ny lasa (retro)!

Naneho fotsiny ny fihetseham-pony momba ny #CC13 toy izao i Andru Rdz:

Andro vitsy sisa alohan'ny #CC13 ahhh mampangitangitaka! 

Mpisera Cuervo Eterno nizara ny fandaharam-potoanany izay mikasa hanaraka ny andro faharoan'ny fetibe:

#CC13 amin'ny Alahady: mahafinaritra ka vao manomboka dia i Jake Bugg, avy eo anjaran'i Miles Kane ny ambiny, tsy afaka hiala amin'i The Breeders, hihazakazaka hijery an'i Arctic Monkeys ary miaraka amin'i Grimes no hamaranana azy. #CC13

Raha hijery ny fiovan'ny fandaharam-potoana, sy ny vaovao farany, tsidiho ny habaky ny Corona Capital [es].

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.